Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava

Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava DRSP Bongolava (santé), pejy ôfisialy

♥️NY VEHIVAVY MALAGASY, HERY IRAY HO AN'NY FANAVAOZANA NY FIRENENA ♥️
08/03/2026

♥️NY VEHIVAVY MALAGASY, HERY IRAY HO AN'NY FANAVAOZANA NY FIRENENA ♥️


🚫 Fisorohana ny tazomoka 🚫👍Nanatanteraka ny fizarana LAY misy ody moka maimaimpoana hoan’ireo olona miasa eny amin’ny ca...
04/03/2026

🚫 Fisorohana ny tazomoka 🚫

👍Nanatanteraka ny fizarana LAY misy ody moka maimaimpoana hoan’ireo olona miasa eny amin’ny carrière vaky ao Ambohitsoa Tsiroanomandidy ny mpiasan’ny Fahasalamana eto amin’ny district Tsiroanomandidy izay notarihin’i Médecin Inspecteur.

🫴Olona anjatony no namorona fonenana vaovao amin’ity toerana ity.

🫴Izao no natao dia ny mba ho fiarovana azy ireo amin’ny tazomoka.

🇲🇬 Fananganantsaina niarahana tamin'ny mpiasampanjakana rehetra anio 02 Mars 2026.🎙️Nampahafantaritra nandritra  ny fand...
02/03/2026

🇲🇬 Fananganantsaina niarahana tamin'ny mpiasampanjakana rehetra anio 02 Mars 2026.

🎙️Nampahafantaritra nandritra ny fandraisam-pitenenan'ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ny fisian'ny tranga MPOX vaovao eto amin'ny Faritra Bongolava.

🎙️Olona iray hafa indray no voamarina fa tratry ny aterina MPOX Ary efa manaraka fitsaboana ankehitriny.

🫰Mila manamafy ny fiarovana sy ny fanentanana ny rehetra.

Nangatahina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ireo haino amanjery misy aty antoerana.

💯MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA 💯

👵👴𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐙𝐎𝐊𝐈𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀, 𝐂𝐇𝐑𝐑 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀🏥Toy ny fanao isam-bolana, ho fijerena ny maha olona🤝, dia tontosa n...
27/02/2026

👵👴𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐙𝐎𝐊𝐈𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀, 𝐂𝐇𝐑𝐑 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀🏥

Toy ny fanao isam-bolana, ho fijerena ny maha olona🤝, dia tontosa ny Alakamisy 26 Febroary 2026 ny 𝒇𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒊𝒎𝒂𝒊𝒎𝒑𝒐𝒂𝒏𝒂 👐𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒛𝒐𝒌𝒊𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒕𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝑪𝑯𝑹𝑹 𝑩𝑶𝑵𝑮𝑶𝑳𝑨𝑽𝑨.

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA , MANASITRANA NY FIRENENA.🤝

👏 Félicitations à nos épidémiologiste de terrains 👏
27/02/2026

👏 Félicitations à nos épidémiologiste de terrains 👏

🌳 FAMBOLENKAZO AMBOHIBY   🌳    BONGOLAVA
21/02/2026

🌳 FAMBOLENKAZO AMBOHIBY 🌳


BONGOLAVA

💫REVUE REGIONALE DRSP BONGOLAVA S1 2026💫 ✍️Natomboka androany 10 Febroary 2026 Ary Haharitra 3 Andro ny r***e Régionale ...
10/02/2026

💫REVUE REGIONALE DRSP BONGOLAVA S1 2026💫

✍️Natomboka androany 10 Febroary 2026 Ary Haharitra 3 Andro ny r***e Régionale iarahan'ny EMAR, EMAD, CHRD sy CHRR eto Tsiroanomandidy.

🫴Fotoana hanaovana tombana ny asa vita tamin’ny taona 2025 sy ireo fanatsarana izay tokony ho atao mba ahatratrarana indray ny vina izay apetraka amin’ity taona 2026 ity.
Ao anatin’ny fifanakalozana traik’efa no hanaovana izany.

💯 MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

👍MITOHY NY ADY AMIN'NY FIPARITAHAN'NY NENDRAN-DRAJAKO ATO AMIN'NY FARITRA BONGOLAVA 🫰Nisy ny fivoriana notarihin’Atoa Pr...
04/02/2026

👍MITOHY NY ADY AMIN'NY FIPARITAHAN'NY NENDRAN-DRAJAKO ATO AMIN'NY FARITRA BONGOLAVA

🫰Nisy ny fivoriana notarihin’Atoa Préfet Bongolava izay sady filohan’ny COUSP multi sectoriel.
🫰Nolazaina tao anatin’ity fivoriana ity ireo andraikitr’ireo secteurs dia ny fanamafisana ny fanentanana eny ifotony ny tsy hiparitahan’ny Mpox , sy ny fanaraha-maso eny ifotiny ny mety hisian’ny tranga vaovao.
👍Ny tranga iray izay efa manaraka fitsaboana dia efa miha tsara ny fahasalamany ary nifampizarana izay mety ho olan’ny marary mandritra ny fotoana hitsaboina azy.

🫴Tsy mitazam-potsiny fa Samy mitondra ny Anjara biriko manandrify azy ny tsirairay : ao ny hanampy amin'ny fanamafisana ny fanentanana, hisy ihany koa ny hanampy ara-pitaovana sy ny fanaraha-maso.

‼️MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA

🇲🇬 Fananganantsaina niarahana tamin'ny mpiasampanjakana rehetra anio 02 Febroary 2026.🎙️Nampahafantaritra nandritra ny f...
02/02/2026

🇲🇬 Fananganantsaina niarahana tamin'ny mpiasampanjakana rehetra anio 02 Febroary 2026.

🎙️Nampahafantaritra nandritra ny fandraisam-pitenenan'ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ny fisian'ny tranga MPOX eto amin'ny Faritra Bongolava. Olona iray no voamarina fa tratry ny aterina MPOX Ary efa manaraka fitsaboana ara-dalana.

⚗️Tokony hahitana fanasana tanana amin'ny Rano Sy savony, na gel hydroalcoolique ny biraom-panjakana tsirairay Ary entanina ny rehetra hampiasa izany.

🫰Hamafisina ny fanajana ny fepetra sakana Ary manentana ny rehetra mba hanamafy ny fanaraha-maso eny anivon'ny fiarahamonina.

✍️Hisy ny fihaonan'ny COUSP Multi sectoriel izay hatao ny Talata 3 Febroary izao ao amin'ny biraon'ny prefektiora Tsiroanomandidy.

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

👵👴𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐙𝐎𝐊𝐈𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀, 𝐂𝐇𝐑𝐑 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀🏥Toy ny fanao isam-bolana, ho fijerena ny maha olona🤝, dia tontosa n...
30/01/2026

👵👴𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐙𝐎𝐊𝐈𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀, 𝐂𝐇𝐑𝐑 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀🏥

Toy ny fanao isam-bolana, ho fijerena ny maha olona🤝, dia tontosa ny Alakamisy 29 Janoary 2026 ny 𝒇𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒊𝒎𝒂𝒊𝒎𝒑𝒐𝒂𝒏𝒂 👐𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒛𝒐𝒌𝒊𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒕𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝑪𝑯𝑹𝑹 𝑩𝑶𝑵𝑮𝑶𝑳𝑨𝑽𝑨.

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA
MANASITRANA NY FIRENENA.🤝

🧑‍🔧Napetraka anio 29 Janoary 2026 ny vatofototra ny bloc sanitaire vaovao (trano fidiovana sy fivoahana) tao amin'ny CHR...
29/01/2026

🧑‍🔧Napetraka anio 29 Janoary 2026 ny vatofototra ny bloc sanitaire vaovao (trano fidiovana sy fivoahana) tao amin'ny CHRR Tsiroanomandidy izay Mamaly ny filàn'ny olona manana fahasahiranana amin'ny fivezivezena na "Personne à Mobilité Réduite".

🧑‍🔧Haharitra 50 Andro ny fizotry ny asa. Tafiditra ao anatin'io fe-potoana io ny fanorenana ny bloc sanitaire vaovao sy ny fanatsarana ny tranainy.

🫰Vahoaka madio sy Salama no tanjonay !!!

Ndao indray ho fantarintsika ny HAROMOTANA !!!
29/01/2026

Ndao indray ho fantarintsika ny HAROMOTANA !!!

⚠️ Ny haromotana ve ? Aretina mahafaty raha tsy voasoroka haingana.

🐶🐱🦊🦇 Mifindra amin’ny olona amin’ny alalan’ny:
• 🦷 Kaikitra
• ✋ Rangotra
• 👅 Lelaka amin’ny faritra maratra
🧫 Ao amin’ny roran’ny biby no misy ilay virus.

👤 Ny olona ahiana ho voa:
➡️ Izay voakaikitra
➡️ Voarangotra
➡️ Voalelaky ny biby mafana rà
⏳ Misoko miadana ny aretina arakaraky ny toerana sy halalin’ny fery.
🚨 Raha vao miseho ny soritr’aretina dia ❌💯 100% ny taha-pahafatesana.

2️⃣ 🤒 NY FISEHON’NY ARETINA
⏱️ Matetika herinandro vitsivitsy ka hatramin’ny 3 volana (indraindray mety 1 taona).
Soritr’aretina voalohany:
🤕 Marary loha
🥵 Mafana hoditra
😖 Sahirana mitelina
🤢 Mandoa
😩 Tsy mahazo aina
😴 Vizana be
🖐️ Mangidihidy na mihena ny fahatsapana eo amin’ny fery
🔴 Misy karazany roa:
🔥 Haromotana mahery vaika (70%)
😨 Matahotra
😵 Mirediredy
🏃 Mihetsiketsika be
💧🌬️ Matahotra rano na rivotra
😴 Coma → ⚰️ Fahafatesana ao anatin’ny 7–10 andro
🦵 Haromotana mampalemy (30%)
⚠️ Mampalemy ny ratsam-batana

3️⃣ 🔎 AHAFANTARANA FA VOA
✔️ Misy soritr’aretina
✔️ Ary voakaikitra / voarangotra / voalelaky ny biby

4️⃣ 🚑 INONA NO TOKONY HATAO RAHA VOAKAIKITRA?
🧼🚿 Sasao avy hatrany amin’ny rano sy savony mandritra ny 15 minitra
🏥 Manatona tobim-pahasalamana na CTAR haingana
💉 Fanaovana vakisiny intelo:
📅 J0 (andro voalohany)
📅 J3
📅 J7
❗ Tsy vita hatramin’ny farany = mitovy amin’ny tsy nanao vakisiny
🎁 Maimaim-poana ny vakisiny (fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy Institut Pasteur de Madagascar)

5️⃣ 🛡️ FISOROHANA
🐶🐱 Ataovy vakisiny isan-taona ny alika sy saka
🚿 Raha voakaikitra → sasao 15 minitra + manatona tobim-pahasalamana

7️⃣ 📢 HAFATRA HO ANTSIKA REHETRA
✅ Sasao avy hatrany ny fery
✅ Manatona tobim-pahasalamana haingana
✅ Vitao hatramin’ny farany ny vakisiny (intelo)
✅ Raha fantatra ilay biby → ento any amin’ny veterinera 🏥🐕 (aza vonoina)
✅ Ataovy vakisiny ny biby fiompy
⚠️ Aza manakorontana alika indrindra rehefa misakafo
👶 Aza afenina amin’ny Ray aman-dreny raha voakaikitra ny ankizy
🧹 Hajao ny fahadiovana hisorohana ny fitangoronan’ny alika

💯MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.




Address

Région Bongolava
Tsiroanomandidy
119

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share