03/01/2026
Salama e! ☺️ Mbola mitohy ve ny fety fety sa aok’izay ?🥳🤔 🤔
📌 Voky siramamy, sy ny sakafo mavesatra sy matavy ny vantantsika fa aleo izy mba aka aina kely sa ahoana hoy ianareo? ☺️
👉🏼 Izany akory tsy midika hoe aza mihinana intsony fa maka fotoana kely fotsiny amin’ny alalan’ny “detox” ahafahan’ny vatana miverina sy miasa amin’ny fiasany adavanandro. ☺️Tsy ilaina zavatra be akory izany fa :
✅ Mila misotro rano betsaka 💦
✅ Mihinana legioma maitso manakarena fibra misy misy koakoa 🫛🥦🥬
✅ Ahena ny fihinana siramamy sy ny sakafo matavy 🥓🥩
✅ Miezaka mampietsika vatana misimisy koakoa 💪🏽
✅ Ary ajanona tanteraka ny fisotroana alikola 🍻
📌 Fitsinjovana ny aty sy ny voa moa no tena tanjona amin’izy ity satria tena efa haintsika loatra fa raha ireo no marary tena sarotra ny fitsaboana . Mirary soa hatrany✨