Naturalliah

Naturalliah Santé et bien-être au naturel

19/06/2025

Aleo mba hiteny kely ihany

Raha te hiaro Tena haingana @ intoxication alimentaire dia aza sarahina Huile Essentielle Mandravasarotra na Saro ny kitapo sy poketranao !!!

Tsy dokam-barotra ity fa tena fizarana fahalalàna !!!

- Raha misy microba 8 miteraka intoxication alimentaire dia Ny 5 @ ireo tonga dia azo tsaboina tsara @ Saro daholo.

- Ny HE Saro dia tsy miteraka resistance toy ny antibiotique hafa (efa voaporofo izany)
=> Raha mihinana HE Saro ianao hitsaboana Tena na hiarovana tena @ aretina vokatry ny virus na champignon na bactérie, dia mbola afaka mampiasa an’iny foana @ fotoana manaraka fa tsy mila mampitombo dose na mitady antibiotique mahery vaika kokoa satria efficace foana ny HE.

- Rehefa sendra mandeha @ toerana tsy dia azo antoka loatra ny rano, dia iny HE Saro iny fotsiny no afangaro ny rano hosotroina

Inona avy ny tombontsoa ara-pahasalamana fantatrao fa azo ampiasana ny laisoa ? 🤔Ireto misy vitsivitsy 👉 Manala kohaka, ...
02/06/2025

Inona avy ny tombontsoa ara-pahasalamana fantatrao fa azo ampiasana ny laisoa ? 🤔

Ireto misy vitsivitsy

👉 Manala kohaka, sempotra vokatry ny asthme na ny bronchite

👉 Manala fanaintainana, indrindra fa ireo karazana fanaintainana mpahazo ny vanin-taolana (articulations) toy ny goutte, rhumatisme sns

👉 Manampy amin'ny fitsaboana aretim-bavony (ulcère gastro-duodénal)

Ny fomba fampiasana azy ?

👉 Ho an'ny taovam-pisefoana : pasohina na atanina afo ny ravina laisoa 5 eo ho eo, rehefa zaka ny hafanana dia apetapetaka @ tratra sy ny lamosina 15mn/j atao isan-kariva alohan'ny hatory.
Rehefa vita izay dia hosorana baume Ravintsara na Niaouli ny tratra sy lamosina ary entina matory iny.
5 andro ihany dia efa mahita vokatra.

👉 Ho an'ireo karazana fanaintainana :
Pasohina toy ny teo ambony na atanina afo koa ny ravina laisoa ary apetapetaka amin'ny vanin-taolana 15/j. Azo atao maraina sy hariva.
Rehefa izay dia hosorana huile de massage antidouleur sy faritra manaintaina.

👉 Ho an'ny vavony :
Atao lasary ny laisoa manta.
Tsy mampiasa vinaigre fa citron na ranom-boamadilo no ampiasaina.
Atao in-2 na in-3 isan-kerinandro.

Azonao atao koa ny mampiasa eau d'argile sy dité acalypha mba hanafainganana ny fitsaboana ny vavony.

NB : Tsy tsara ho an'ny vavony anefa ny mihinana laisoa masaka fa izy manta no mety.

Zarao amin'ny olona mety mila azy ity torohevitra ity !!!

Fantatrao ve ? Ny vary mainty no an'isany karazam-bary izay be otrik'aina sy ahitana singa ilain'ny vatana sy ilaina ami...
30/05/2025

Fantatrao ve ?

Ny vary mainty no an'isany karazam-bary izay be otrik'aina sy ahitana singa ilain'ny vatana sy ilaina amin'ny fahasalamana indrindra raha mitaha @ karazam-bary hafa 🤔😱😱😱

Izy io dia ahitana :

➡️ Pigment antsoina hoe "anthocyanes" izay manome Ilay loko mainty no sady manana asa "anti-oxydant" => misoroka homamiadana (cancer), miaro amin'ny AVC ary mampiadana ny fahanteran'ny sela amin'ny vatana.

➡️ Fibres betsaka izay ilaina amin'ny fandevonan-kanina no sady ilain'ny olona diabetika sy ny olona te hanena vatana sady mora mahavoky => tsy te hihinana anelanelam-potoana intsony rehefa mihinana azy.

Ho anao izay maniry hanjifa dia aza misalasala mandefa mp na manao commentaire.

  ? Ho an’ny mpanao fanatanjahan-tena ndray ity resaka ity. 💪⚽️🏀🥊🏅🤺Ilaina ny fanaovana échauffement mialohan’ny hanaovan...
03/03/2025

?

Ho an’ny mpanao fanatanjahan-tena ndray ity resaka ity. 💪⚽️🏀🥊🏅🤺

Ilaina ny fanaovana échauffement mialohan’ny hanaovana effort physique satria manafana tsikelikely ny hozatra sy mampikoriana tsara ny rà. Raha sanatria tsy ampy échauffements dia mety hiteraka crampes sy accidents hafa mpahazo ny hozatra.

Fantatrao ve nefa fa misy karazana pommades sy huiles de massage vita amin’ny zava-maniry be dia be izay manana fiasa « manafana ny vatana » mitovy @ vokatra entin’ny échauffement ? 😧😧😧

Izany hoe raha manosotra azy ianao mialohan’ny hanaovana fanatanjahan-tena dia vao mainka manampy ny vatana hafana tsara.

Inona avy ireo ?
✍🏻 Baumes : Ravintsara, Katrafay, Citronnelle, Cannelle, Girofle sns
✍🏻 Huile de massage : relaxante sy antidouleur

Iza no mila azy ireto ?
👉 Ny athlètes
👉 Ny mpianatra hanao gym ny BEPC sy BACC
👉 Ny sportifs rehetra mampiasa vatana

Amin’ny fotoana ahoana no hampiasana azy ?
✍🏻 Alohan’ny hanaovana fanatanjahan-tena : manafana ny hozatra
✍🏻 Rehefa avy nahavita fanatanjahan-tena : manalefaka ny hozatra, manala harerahana, crampes, courbatures sns ary azo anaovana massage relaxante tsara

Ho anao izay liana amin’ny vokatra voajanahary: 👉 Na produits de bien être 👉 Na produits cosmétiques 👉 Na accessoires de...
01/03/2025

Ho anao izay liana amin’ny vokatra voajanahary:
👉 Na produits de bien être
👉 Na produits cosmétiques
👉 Na accessoires de bien être

Dia ireto amin’ny sary ireto ny catalogues ny vokatra Naturalliah

Mamakia finaritra

Matetika isika rehefa misy fety toy ny : krismasy, soutenances, marriage, soratra sns dia mitady fanomezana kely omena n...
01/02/2025

Matetika isika rehefa misy fety toy ny : krismasy, soutenances, marriage, soratra sns dia mitady fanomezana kely omena ny olona nasaina toy ny vatomamy, mofomamy, biscuits sns

Fa androany izahay hanome idée ana fanomezana kely azonareo atolotra ny invités ihany koa 😋😋😋😋

“Aromiel” na tantely misy arôme miavaka kely toy ireo @ sary ireto.

Ny mampiavaka azy ?
👉 Mba miala kely @ mahazatra
👉 Afaka misafidy arome ianao, ary aromes naturels sy ilay tsy fahenonao mahazatra daholo no afangarontsika ao, ohatra “Arôme sakamalao sy havozo “ 🤤😬😬 (misy degustation alohan’ny commande raha te hanandrana)
👉 Afaka personnaliser-nay ihany koa ny etiquette (toy io hitantsika amin’ny sary io)

Alefaso ary ny commande e

À partir ny 4.000ar/bocal ny vidin’ilay aromiel version cadeau

09/01/2025

Fandaharana tomady
Episode 1 : Fomba fanalana rivotra amin'ny kibo.

 Salama daholo👋👋Fantatrao ve hoe inona ny asan'ny karaoty ankoatra ny fampiasana azy  amin'ny sakafo?Ireto Ary misy sing...
17/09/2024


Salama daholo👋👋
Fantatrao ve hoe inona ny asan'ny karaoty ankoatra ny fampiasana azy amin'ny sakafo?

Ireto Ary misy singa vitsivitsy hita ao anaty karaoty : bêta-carotène , antioxydants, caroténoïdes, minéraux,vit A,vit C...

Inona avy ary ny asany nohon'ny fisian'ireo singa vitsivitsy ireo ao anatiny ?

👉 Nohon'ny fananany bêta -carotène izay "précurseur vitamine A* dia lasa manana anjara asa mampihemotra ny fahanterana sy manatsara ny hodi-tava izy. Azo sokajiana ho "anti-âge naturel" izany ny karaoty.

👉Ny fihinanana karaoty dia mampitombo ny famokarana "collagène ".
Ny "collagène" anefa dia manana anjara asa amin'ny "élasticité de la peau" izany hoe mampihemotra na mampiala lavitra ny fikentronan'ny hoditra na ny fisian'ny rides.

👉 Nohon'ny fisian'ny bêta-carotène sy vitamine A ao anatiny ihany koa dia lasa manana fiantraikany tsara eo amin'ny maso izy, indrindra amin'ny fahitana amin'ny alina. Izy koa dia mampihena n'y fisian'ny "cataractes"

👉Nohon'ny fisian'ny caroténoïdes sy Vitamine C ao anatiny; dia lasa manana anjara asa amin'ny fiarovana fo izy ary mametra ny tahan'ny "cholestérol" ao amin'ny vatana.

🚨Tandremo anefa fa ny fihinanana karaoty be loatra dia mety hitarika aretina atao hoe"caroténemie" izay mahatonga ny hoditra ho lasa mavomavo.

N'y fihinana azy mihoatra ny 1kg/ isanandro dia mitarika "neutropénie" na ny fihenan'ny isan'ny globules blancs sy ny "aménorrhée" na fijanonan'ny fadimbolana.

14/08/2024

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Onjaniaina Razafinapera, Rabariharitsimba Honoré

Mba hanao pub kely fa akaiky ndray ny Saint Valentin  😂😂😂😂Inona avy ny produits aphrodisiaque (mampitombo ny fifankatiav...
10/02/2024

Mba hanao pub kely fa akaiky ndray ny Saint Valentin 😂😂😂😂

Inona avy ny produits aphrodisiaque (mampitombo ny fifankatiavan'ny couple) fantatrareo ? Reto misy vitsivitsy Gingembre, Ylang, Cannelle, Cacao etc. Misy version huile essentielle ao raha misy mila ankoatran' ilay cacao, fa iny mividy chocolat fotsiny dia efa paré [sady manome soupape na cadeau zah @ zany no mba mizara fahalalana 😅😉].

Fa mba te hiresaka produits anaphrodisiaque ndray aho satria ilaina koa izay "en cas d'obsession sexuelle" hoy ilay site nanaovako recherche teo 😄 ka mitady fomba "hi-freiner-na" an'ilay izy.

Liana ve? 🤔
Ndao ary

Raiso ary ny Baibolinao dia hovakiantsika ao @ Ohabolona 7:17

"Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia sy hazomanitra* ary havozo manitra. [*Hebreo: ahalima]".
________________

Contexte kely momba an'io versé io 🤣🤣 :

Misy sipa miodina be zay voatantara ao @ io versé io : rehefa lasa manao mission ny vadiny dia mampiditra lehilahy ndray no ataony. Dia mba mitantara @ lay bandy nokôtiany izy eto hoe efa nataoko manimanitra aromates sy Miora ny fandriako. Fa ny tsy fantatr'ity sipa miodina ity nefa hoe zany huile essentielle ana Myrrhe (Miora) zany anie ka mampidina Filàna ara-nofo eeeee 😂😂😂.
Mba diso calcul izy zany teto.

_________________

Ka hoy aho hoe tsara ny mi booster fa ilaina ihany koa ny mi-freiner ndraindray.

Dia izay frein zay no atolotra ho anao @ ity indray mitoraka ity 😄

Huile parfumée : Events scents
✍️Ingredients anaphrodisiaque ao anatiny :
Myrrhe (Miora)
✍️ Fomba fampiasana azy : ahosotra @ poignet fotsiny (7jrs)

Prix : 25.000ar (roll-on 7ml)

Points de vente :
Tanà :
👉 Le Colisée Ampasanimalo - Galerie Commerciale, box 24
👉 Produits Kinana Plus, box 6 esplanade Analakely

Majunga :
👉 Dame de cœur Mangarivotra, box Sandyh'art
👉 Auto-école Nirina Mahabibo

Antsirabe :
👉 Al - Noor massage

PS :
Misy astuce kely io anaty sary io fa tsy mila manao an'io intsony satria efa sady misy huile essentielle de Myrrhe, Encens ary Neroli io parfum events scents io.

Fanomezana miavaka ho an'olona manokana 😊😍Natambatra ato anatin'ity parfum ity daholo izany :   => "Events scents"Iza il...
03/12/2023

Fanomezana miavaka ho an'olona manokana 😊😍

Natambatra ato anatin'ity parfum ity daholo izany :




=> "Events scents"

Iza ilay olona miavaka tianao omena fanomezana manokana? 🤔

Prix : 20.000ar

01/12/2023

Te hanome fanomezana miavaka ho an'ireo olona akaiky anao na hividy zavatra miavaka ho anao ve ianao amin'izao faran'ny taona izao? 😊😊😊

Mivoaka amin'ny fomba ofisialy ny parfum

Natao ampiasaina noho ireo voka-tsoa azo avy aminy, azo atao "cadeau d'entreprise" , cadeau ifampizarana mandritra an'ireo fotoana sy fety fiarahan'ny namana sy fianakaviana sns

Misy Hanitra 2 azonao isafidiana

Ny akora fototra namboarana azy kosa ?
👉 Miora
👉 Emboka manitra na ditin-kazo manitra
👉 Felam-bolamena

Toerana azonao anjifana ny vokatra na raha te hanimbolo mialohan'ny ividianana :

Eto Tanà :
✍️ Harenan'i Madagasikara, box 24, le Colisée Ampasanimalo

Any Mahajanga :
✍️ Dame de Coeur Center, box Sandyh' Art

Any Antsirabe :
✍️ Al - Noor massage

Prix de lancement : 20.000ar

Izarao fifaliana sy zava-baovao ny manondidina anao 😊

Address


Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261344615065

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Naturalliah posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Naturalliah:

  • Want your practice to be the top-listed Clinic?

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram