SDSP Vohemar

SDSP Vohemar Service de District de Sante Publique Vohemar

Fizarana solom-penakoho ho an'ny mpiara-miasa EMAD (Équipe de MAnagement du District)sy ireo zanakin'ny mpiara-miasa ami...
24/12/2025

Fizarana solom-penakoho ho an'ny mpiara-miasa EMAD (Équipe de MAnagement du District)sy ireo zanakin'ny mpiara-miasa amin'ny fankalazagna ny fetin'ny Krismas sy taom-baovao 2026 🌹

Mirary fety sambatra hoatsika rehetra

Vita soa aman-tsara ny panneau d’indication CSB 2 Antsirabe-Nord SDSP Vohemar androany zoma le 19 Décembre 2025, izay vo...
20/12/2025

Vita soa aman-tsara ny panneau d’indication CSB 2 Antsirabe-Nord SDSP Vohemar androany zoma le 19 Décembre 2025, izay vokatry ny fiaraha-miasa ny CCDS sy COSAN ao Antsirabe Nord ihany.
Isaorana manokana ny Ben’ny tanàna ny Commune Rurale Antsirabe-Nord sy ny Chef CSB2 Dr Almoga Floche Théos Rajaonary tamin'ny ezaka jiaby.

‼️Ry Ray aman-dreny, entintsika atao VAKSINY miaro amin'ny homamamiadan'y vozon'ny tranonjaza ny zatovovavintsika 09-14 ...
07/12/2025

‼️Ry Ray aman-dreny, entintsika atao VAKSINY miaro amin'ny homamamiadan'y vozon'ny tranonjaza ny zatovovavintsika 09-14 taona.

📢📢📢Aza adigna fotoanantsika manomboka ny 08-12 desambabra 2025 ho avy izao.

💉Indraiky mitribiky dia voaharo ny tovovavintsika

👇👇👇Bojo izy io aiii

Notanterahina androany sabotsy faha 06 Decembre 2025 teto aminy CEG Vohemar ny fanomezana tolotra ara- pahasalamana maim...
06/12/2025

Notanterahina androany sabotsy faha 06 Decembre 2025 teto aminy CEG Vohemar ny fanomezana tolotra ara- pahasalamana maimaimpoana ho an’ny rehetra zay nahitana olona miisa 475 nisitraka izany.
Isaorana ny Médecin inspecteur Dr Delta zay nitarika izany, tsy hadino koa ireo mpanohana ny hetsika, toy ny LION’S CLUB sy ny maro samihafa, isaorana koa antsika rehetra tonga nandray anjara.

14 Novambra andro maneran-tany ho an’ny ady atao amin’ny diabeta. Tsy diso anjara tamin’ny fankalazàna izany ny taty ami...
14/11/2025

14 Novambra andro maneran-tany ho an’ny ady atao amin’ny diabeta. Tsy diso anjara tamin’ny fankalazàna izany ny taty amin’ny SDSP n’ny Vohemar,
Nisy ny kabary niandimbiasan’ireo manam-pahefana ara-pahasalamana, ary nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Dr TOTOBENAZARA Jean Luther zay misolo tena ny Médecin Inspecteur.

119 ny olo nisitraka ny fizahagna Tension sy Diabèta maimaim-poagna ary 13 no voamarigny fa mitondra ny tahan'ny siramamy ambony ary nisitraka fanafody maimaim-poagna teto amin'ny SALFA

Isaorana ny mpanohana ny hetsika sy ny mpandray anjara rehetra tamin’ny fanatontosana izany.

Partenaire:
✔️AMADIA
✔️Lion's Club Vohemar
✔️SDSP Vohemar
✔️SALFA Vohemar

SDSP VOHEMAR eo anilanao hatrany

Hetsika fanaovana fandrindram-pianakaviana maimaimpoana teto ANTANAMIKETRAKA izay notohanan’ny Le Mur Conservation found...
14/11/2025

Hetsika fanaovana fandrindram-pianakaviana maimaimpoana teto ANTANAMIKETRAKA izay notohanan’ny Le Mur Conservation foundations ( LCF), androany kamisy le 14/11/2025 ka vehivavy miisa 100 no nisitraka izany fandrindraham-piterahana (Implanon) izany. Mankasitraka ny mpanohana ny hetsika sy ny ekipa mpanantanteraka avy amin’ny CSB 1 Antanamiketraka.

Tantara mitohy ny "Fahasalamana manatona vahoaka" aty amin’ny SDSP n’ny Vohemar. Notanterahina teto amin’ny FKT Andampik...
13/11/2025

Tantara mitohy ny "Fahasalamana manatona vahoaka" aty amin’ny SDSP n’ny Vohemar. Notanterahina teto amin’ny FKT Andampikely, secteur sanitaire d’Androrona androany talata faha 11 Novembre 2025 ny hetsika, zay notarihin’ny chef CSB U Dr RASOALALA Agthe. Toy izao ny vokatra azo: Olona miisa 51 no nahazo fitsaboana sy nisitraka fanafody maimaimpoana, raha 24 kosa ny zaza nahazo vaksiny sahaza azy, 15 no nahazo Vit A ary vehivavy miisa 2 no nanaraka ny fanabeazana aizana mitohy. Isaorana ny Tompo, ankasitrahana ny chef CSB sy ny ekipany, tsy hadino anatin’izany mankasitraka ny chef Fokontany sy ny vahoaka zay tonga maro nihaino ny fanentanana ara-pahasalamana isan-karazany.

Fahasalamana manatona vahoaka zay notanterahina ara-bakiteny teto amin’ny village Andilana sy Anketraka fokontany Ambaki...
08/11/2025

Fahasalamana manatona vahoaka zay notanterahina ara-bakiteny teto amin’ny village Andilana sy Anketraka fokontany Ambakirano secteur sanitaire Amparibe ny kamisy faha 06/11/25.
Miisa 18 ny zaza vita vaksiny ary 17 ny nahazo Vit A raha 48 kosa no nanatrika ny fanentanana. Ankasitrahana ny ekipa jiaby zay nandray anjara tamin’ny fanatanterahana izany.

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy androany 24/10/2025 ny moto miisa 25 ho an'ny CSB, moto iray sy fiara 4x4 Toyota Vigo ...
24/10/2025

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy androany 24/10/2025 ny moto miisa 25 ho an'ny CSB, moto iray sy fiara 4x4 Toyota Vigo avy tamin'ny DRSP SAVA iray ho an'ny fiadidiam-pahasalamana eto anivon'ny distrikan'ny Vohemar.
‎ Nanome toky ireo mpisitraka fa hanatsara ny tolotra ara-pahasalamana ny fahazoana ireto fitaovana ireto, izay entina indrindra hanatsarana ny Fanaovam-baksiny eny ifotony mba ho catégorie 1 i Vohemar

Fametrahana Rasazy vaovao tamin’ny fomba ofisialy teto Tanambao Loky androany Alatsinainy  faha 20/10/2025, sady nanarar...
20/10/2025

Fametrahana Rasazy vaovao tamin’ny fomba ofisialy teto Tanambao Loky androany Alatsinainy faha 20/10/2025, sady nanararaotra nanome tolotra ara-pahasalamana maromaro maimaimpoana ho an’ny vahoaka ihany koa.
Toy izao ny vokatra azo:
130 no isan’ireo nahazo fitsaboana sy nisitraka fanafody maimaimpoana raha 51 ny lahy ary 79 ny vavy.
Zaza miisa 23 no nahazo Vit A ary vehivavy 02 no nanao fanabeazana
175 kosa no niatrika ny fanentanana momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny VIH/SIDA, vaksiny vaovao Anti-HPV, ary ny vaksiny mahazatra an-davanandro. Mankasitraka ny Médecin Inspecteur nandrindra sy nikarakara ny hetsika, Isaorana ihany koa ny ekipa zay niara-nanatanteraka izany.

Address

Vohemar

Telephone

+261320299685

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SDSP Vohemar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram