23/07/2024
- Tongolo maitso :
- Miaro ny fo, mampihena Fampiasa matetika hanomezana hanitra ny sakafo karakaraina ny tongolo maitso.
Tsy be fatra no fampiasana azy saingy na izany aza dia mitondra voka-tsoa maro izy, indrindra amin’ny fampitomboana ny “antioxydant” ao anaty ao.·
- Tsara ho an’ny fo Manampy betsaka amin’ny fikorian’ny rà ny fihinanana tongolo maitso.
- Miaro ny fo amin’ireo aretina maro samihafa mety hahazo ity taova ity koa noho izany, ny tongolo maitso.·
- Be vitamina CMitondra vitamina C sy “beta-carotène” ho an’ny vatana ihany koa ny fihinana tongolo maitso.
- Ahitana vitamina K ihany koa ao anatin’ny tongolo maitso izay singa manamora ny fivainganan’ny rà saingy tsy maintsy manatona mpitsabo ireo olona mieritreritra ny hihinana azy ity ho fanampin’ny fanafody nomena azy.·
Ronono misy hanitra Nambolen’ireo mpanjanaka teratany “hollandaise” niaraka tamin’ny ravi-maitso ny tongolo maitso taloha. Io no nomen’izy ireo ny omby mba hahazoana ilay hanitra avy amin’ny tongolo maitso.·
Ilaina amin’ny sakafo rehetra Azo hanina ihany koa ireo voninkazo avoakan’ny tongolo maitso. Amin’ny ankapobeny dia azo ampiarahina aminy avokoa ireo sakafo rehetra, na ny saosy na ny lasary.· Manampy amin’ny fampihenam-batanaTsy be kalôria ao anatin’ny tongolo maitso.
Azo ampiarahina amin’izay sakafo hanina tsara izy, noho izany.
Manana singa mampivalana ihany koa ny tongolo maitso, indrindra rehefa ampangotrahina.·
- Fomba fitehirizana azy :
- Herinandro eo, raha be indrindra no fotoana hitahirizana ny tongolo maitso ao anaty vata fampangatsiahana. Fonosina lamba lena izy ary tokony ho lemana isan’andro mba tsy ho maina vetivety ny tahon’ireo tongolo maitso.
Raha ao anaty vata fampangatsiahina, ao amin’ilay faritra mampivaingana ny sakafo no hanaovana azy dia tetehina madinika izy.
- Zaraina ho ao anaty “bac à glaçons” dia fenoina rano. Atsonika fotsiny ny rano rehefa te hampiasa,
Mimi et Naly