TVHFB

TVHFB Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from TVHFB, Safety & first aid service, .

Mankasitraka manokana an'ireo mpitandro ny filaminana rehetra tamin'ny ezaka nataonareo ho fampandrina fahalemana an'ity...
14/01/2025

Mankasitraka manokana an'ireo mpitandro ny filaminana rehetra tamin'ny ezaka nataonareo ho fampandrina fahalemana an'ity tanàna iombonantsika ity.
Mendri-piderana ny asa arahina "action" tahaka ireny.
Isaorana etoana ireo nanome ny vaovao ara-potoana nahafan'izy ireo nanao ny hetsika.

Izao tokoa ilay hoe tsy any ampandrina mafana fotsiny no mitsikera sy manakiahana fa midina an-kianja miaraka amin'ny hery sy ny fampitaovana rehetra.

Aza faly mandrisika na manome tsiny na manao bravo fotsiny isika fa aleo iara-hientana amin'ny fifanomezan-tanana ireo mpitandro ny filaminana ahafan'izy ireo mahazo votraka tsara kokoa hahapandry fahalemana maharitra ity tanàna mamintsika ity.

Eto ny tenako dia manolotra feno iany koa ny fiara miasa amintsika rehetra. Vonona lalan-dava na andro na alina ny ekipa. Ary vonona ny hanome ireo fampitaovana samihafa ihany koa arak'ireo izay misy eto am-pelatanana.

Mirary ny maiva ho antsika jiaby
Abdallah Rosalie président fondateur TVHFB Mahajanga

Io fiainana io fandalovana, fianarana ary fifampizarana. Isanandro dia mampianatra anao io fiainana io. Anjarantsika tsi...
14/01/2025

Io fiainana io fandalovana, fianarana ary fifampizarana.
Isanandro dia mampianatra anao io fiainana io. Anjarantsika tsirairay avy no maka lesona amin'io fiainana iainantsika isanandro io.

Marina fa hoe misy ny tsara misy ny ratsy fa nataony avokoa izany ahafantsika ahay hamindra amin'ireo hoavintsika rampitso.
Manampy anao betsaka amin'izany ny namanao, ny havanao sy ireo mpiara-belona aminao. Izay ilay fiaraha-monina mila arindra.

Isany fanamby goavana ho ahy ny hananan'ireto havako sy ny taranako ireto izany fiaraha-monina milamina izany. Lova lehibe ho diambiasin'izy ireo rahatrizay ny fananana fototra dieny izao hanamafisan'izy ireo ny firaisankina sy ny firalahina rahatrizay.

Ny vola sy harena mandalo fotsiny iany. Ny fiaraha-monina mirindra tsy misy rohirohy no harena tsara indrindra.
Mifankatiava dieny mbola velona.
Ninoninona mitranga tsy mahatonga lavitra ny fifankahalana sy ny fisaram-bazana.
Ny firaisankina no hery hoy isika.

Majunga nenao, nenaka, nentsika jiaby
Samia ho lava velogna

Abdallah Rosalie président Fondateur TVHFB Mahajanga

La gentillesse est un langage que les sourds peuvent entendre et les aveugles peuvent voir.Un bon cœur restera toujours ...
03/10/2024

La gentillesse est un langage que les sourds peuvent entendre et les aveugles peuvent voir.
Un bon cœur restera toujours un bon cœur. 💖

Iray ao anatin'ny fahasamihafana na dia samy manana ny lalany sy ny firehany aza.
Majunga nentsika jiaby havako.

Abdallah Rosalie président fondateur TVHFB Mahajanga

28/09/2024

Ny hira hoentin'ireny mpanakanto ireny tsy natao hampialavoly fotsiny iany fa manana ireo hafatra sy fanabeazana ampitainy iany koa.

Eo amin'ny fiainana, ireny olona tsy tia anao ireny matetika no mananatra anao amin'ny alalan'ny sedra izay ataon'izy ireny amin'ny fiainanao. Aratsiany ianao dia mody tiaviny sy dokafany etsy ankilany .... soketainy no sady fingianiny enao amin'ny lafiny rehetra etsy andaniny... fantany fa hisandratra ianao dia alentiny amin'ny heriny manontolo. Ianao iany anefa no mahafantatra ny marina aminao sy ny fiainanao. Anjarantsika no misintona lesona hoe aiza no tsy ahalavo antsika intsony aorian'ireny.
Tsy natao ahasoalafaka izany fa vao maika aza ampiakatra sy ampitraka amin'ny fiainana ho avy.

Tsarovy fa tsy izay rehetra mitondra baiboly eny an-tanana dia masina avokoa. Ireny olona mody mitsiky aminao ireny no mahasahy anindrona antsy anao an-damosina koa miambena.

Tsy misy izany hoe lalana mora ahatongavana amin'ny fahombiazana izany. Mananà fahatokisan-tena, dia banjino ary hifikiro izay tanjona efa napetraka.

Mirary ny meva
Merci zandry Parish & Yvon Paul
Merci à tout l'équipe de Davalt records, ananareo ilay talenta fa tohizo. Izahay manohana atrany ary vonona hanohana ireo mpanakanto Malagasy rehetra.
Abdallah Rosalie président TVHFB Mahajanga

Mirary andro tsara ho antsika jiaby havako ❤
27/09/2024

Mirary andro tsara ho antsika jiaby havako ❤

Amin'ny maha samy zanaky ny tanàna dia tonga namangy an'ny Hery signature teto amin'ny hopitaly androva ny ekipa TVHFB. ...
26/09/2024

Amin'ny maha samy zanaky ny tanàna dia tonga namangy an'ny Hery signature teto amin'ny hopitaly androva ny ekipa TVHFB. Nankahery ny fianakavina na dia tena mbola ao anatin'ny ady mafy aza eo amin'ny lafiny fitsaboana azy. Atreto manamafy izahay fa tsy marina ny filazana sy fanaparitahana amin'ny tambazotra hoe nodimandry izy. Mbola ao anaty tsy fahatsiarovan-tena izy atreto ka mangataka fiombonam-bavaka avy amintsika tsirairay.

Abdallah Rosalie président TVHFB Mahajanga

23/09/2024

De tout coeur et de mon âme zandry Davalt 🙏 merci maventy tamin'ny ra jiaby 💛
Tohina ny fo ra nahita ilay surprise ❤ manana zandry tokoa zah manana anao.
Mankasitraka amin'ny fiara-miasa rehetra atramin'izay ka atramin'izao ary mankasitraka amin'izay mbola ho avy.

Nasehonao fa talenta ilay famoronana ka nataonareo ekipa tamin'ny fo tokoa ny fanatanterahana sy ny famoahana azy. Merci à tout l'équipe ❤ merci aussi zoky Big MJ 🎶❤

Ho an'i Mahajanga no tanjona ka tsy hilavo lefona isika fa hijoro atrany amin'ny ho fampandrosoana azy miaraka.

Abdallah Rosalie président TVHFB Mahajanga

Fahasoavana tsy lany hamamina. Mirotsaka isanandro ho an'ireo mpanompo manaja sy matahoatra Azy. Misaotra ilay Nahary ny...
06/09/2024

Fahasoavana tsy lany hamamina. Mirotsaka isanandro ho an'ireo mpanompo manaja sy matahoatra Azy.

Misaotra ilay Nahary ny amin'ny famindram-pony ary Mankasitraka ny amin'ny fiara-miasa matotra amin''ny tranombarotra NAJIMY amin'ny fahatokisany.

Mirary ny meva
Samia ho tahian-janahary jiaby.

Abdallah Rosalie président TVHFB Mahajanga

Tsy hoe hisalovana andraikitra ny hafa  akory sanatria fa noho ny fangatahan'ny maro no nahatonga anay TVHFB nitsangana ...
05/09/2024

Tsy hoe hisalovana andraikitra ny hafa akory sanatria fa noho ny fangatahan'ny maro no nahatonga anay TVHFB nitsangana ho an'i Mahajanga.
Fotoana maro nifampitazanana teto io fahasimbana eto amin'ny tetezana Tsaramandroso ambany io na efa nisy aza ny fanamboarana teo aloha ka vetivety dia simba teo ampitoerana iany. Nisy niantso izahay ka nidina ifotony ny ekipa ary efa nanomboka nanambotra dalle avy atrany ho apetaka eo, ahafan'ireo fiara sy mpampiasa lalana mifamezivezy ankalalahana.

Etoana anefa, Isaorana ny avy ao amin'ny commune fa nahatsapa nandray andraikitra iany koa izy ireo androany ka nanao izao fanambarana izao taorin'ny namoahanay ny fampahafantarana fandraisana andraikitra teto amin'ny tambazotra.
Mankahery anareo amin'ny adidy aman'andraikitra tompoko. Mitsodrano anareo hahaleo ahalasana. Mila fanatsarana sy fanamboarana goavana ny tanànantsika ka manantena fa ho vitanareo izany.

Ny TVHFB Mahajanga eto ankilanareo vahoaka atrany ninoninona hitadiavana azy na andro na alina ary amin'ny fotoana rehetra rehefa ho tombotsoa iombonan'ny vahoaka eto Mahajanga.
Tsy mitady laza na voninahitra na hifaninana amin'iza na iza sanatria, fa tombotsoa iaraha-manana ny fanatsarana entina eto an-tanàna.

Mirary ny meva.
Abdallah Rosalie président TVHFB Mahajanga

Ny critique bêtement na ny fanaratsihana tsotra fotsiny izao tsy mahatsangan-javatra na hahatratrarana tanjona. Ny asa v...
05/09/2024

Ny critique bêtement na ny fanaratsihana tsotra fotsiny izao tsy mahatsangan-javatra na hahatratrarana tanjona. Ny asa vita no hifampitsarana, Samia manao izay hanasoavana ity tanàna iombonana ity dia ampy.

Araka ny fangatahana maro tonga aty aminay TVHFB dia mahafaly anay ny mamaly izany. Rfa ela no nahitana fahasimbana ity tetezana eto Tsaramandroso ambany ity. Nisy ny fidinana ifotony nataonay tety an-toerana nijery ny zava-misy ary efa manomboka avy atrany ny asa ankehitriny.
Izany no natao dia ho tombotsoa ny vahoaka ny Mahajanga rehetra fa indrindra ireo mpampiasa ity lalana ity sy ireo mponina eto amin'ny manodidina.

Mankasitraka antsika rehetra amin'ny fiara-miasa ary manantena fiaraha-miombon'antoka atrany.

Mirary ny meva.
Abdallah Rosalie président TVHFB Mahajanga

Lehilahy iray naratra mafy nodarohan'olona tsy fantatra vao maraimbe aveo naterin'olona tsara sitrapo tao amin'ny hopita...
30/08/2024

Lehilahy iray naratra mafy nodarohan'olona tsy fantatra vao maraimbe aveo naterin'olona tsara sitrapo tao amin'ny hopitaly mahabibo. Noho ny fahasarotana dia niantso ny ekipa TVHFB izy ireo hanatitra azy aty amin'ny hopitaly be ny androva.
Iangavina izay fianakaviny na mahafantatra azy mba hanaraka azy aty amin'ny hopitaly.
Mirary fahasitranana feno ho azy isika.

Abdallah Rosalie président TVHFB Mahajanga

Lehilahy hita faty teto akaikin'ny croisement sotema io maraina io. Manodidina ny 30 atramin'ny 35 taona eo izy. Raha ny...
29/08/2024

Lehilahy hita faty teto akaikin'ny croisement sotema io maraina io. Manodidina ny 30 atramin'ny 35 taona eo izy. Raha ny fahitana azy tety an-toerana dia mety ho vokatry ny hamamoana diso tafahoatra no nitarika ny fahafatesany.
Ankasitrahana ny fiara-miasa tamin'ny fokonolona tety amin'ny manodidina.
Avy atrany dia naterinay ekipa TVHFB ety amin'ny morgues ety androva ny nofomangatsikany. Ka iangavina izay mahafantatra na ireo havana mba hanaraka ety.
Mankahery manokana azy ireo.

Abdallah Rosalie président TVHFB Mahajanga

Address


Telephone

0343199258

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TVHFB posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to TVHFB:

Shortcuts

  • Address
  • Telephone
  • Alerts
  • Contact The Practice
  • Claim ownership or report listing
  • Want your practice to be the top-listed Clinic?

Share