16/12/2025
Tohizana ilay post omaly.
Ho resahantsika an'io ny aretim-bavony vokatr'ilay mikraoba Helicobacter pylori.
FISEHONY:
1. marary eo ambavafo hoy isika: manotika na mamaivay na ohatrany miholana, mety hampitony ny fanaintainana rehefa misakafo ianao na vao maika mihamarary rehefa avy misakafo.
2. Mety mandoa na te handoa, mivalana na sanatria mandoa rà na mangery mainty ohatrany goudron,maimbo be.
FITILIANA ATAO:
1.Fitadiavana ilay mikraoba anaty Tay, na anticorps anaty rà
2. Manao endoscopie digestive haute izany hoe handefasana tuyau misy camera ao am-bava mankany @ vavony dia hita @ ecran eo ny ao, raha misy ulcère dia rangotina kely dia alefa atao analyse iny.
FAHASAROTANA: Raha eo @ vatan'ny vavony no misy ny ulcère dia mety ho lasa cancer.
FITSABOANA: Azo tsaboina tsara,efa misy protocole de traitement Io
HAFATRA:
1.Manatona rehefa marary vavony fa tsy vitan'ny mihinana fanafody 3 andro dia vita kabary
2.Aza atao bisous ny zazakely, ramose tsa manahy, ataovy
Mankasitraka!