13/11/2025
ANDAO Tsy hifoka Sigara e! Ireto misy toro-hevitra 5 hialana amin'ny Sigara ☺️
1️⃣Mametraha daty hanombohana ny fialana amin’ny sigara
📅 Misafidiana andro manokana (ao anatin’ny 7 andro manaraka ohatra) hitenenana hoe "Atsahatro ny Sigara 💪!
Soraty amin'ny taratasy kely eny aminao ny antony tianao hialàna amin’ny sigara (fahasalamana, vola, fanatanjahantena, fofom-bava,…) dia vakio rehefa misoko ny faniriana hifoka indray.
2️⃣Fadio ny toe-javatra mampirisika hifoka
🚫 Fantaro hoe rahoviana sy aiza no matetika mampifoka anao (amin’ny fety, rehefa miady saina, miaraka amin’ny namana, amin’ny toaka, sns.)
Soloy zavatra hafa :
- Manoloana ny sigara amin’ny maraina, mitsako “Siligaoma"
- Mandritra ny fialan-tsasatra, mandehana mitsangantsangana kely, maka rivotra
- Miala amin’ny kafe raha mampahatsiahy sigara, misotro rano na ranom-boankazo mamy tsara🥤🍯
3️⃣Aza miady irery – ambarao amin’ny hafa
🗣️ Lazao amin’ny namana sy fianakaviana fa te hiala ianao. Eo koa ny Sampana Vokovoko Manga akaiky anao 😉
♦️Afaka manohana anao izy ireo, amin'ny fomba maro samihafa!
♦️Afaka manantona mpitsabo raha tena ilaina izany!!
4️⃣Mitadiava fomba hafa hamehezana ny adin-tsaina/rarin-tsaina (Stress)
😌 Betsaka no mitodika any amin'ny fifohana sigara rehefa sendran'ny manjo. Fa afaka manandrana ireto ianao :
🧘🤸Mifoka rivotra lalina sy miaina miadana, manao ilay antsoiny hoe "yoga"
⚽🏀🏊Manao fanatanjahantena (baolina, hazakazaka, bisikileta, lomano…)
🎧📽️Mihaino mozika, mijery sarimihetsika, mandihy, mandoko, na milalao
📱📱Mampiasa application fampandriam-pihetseham-po (toy ny Petit Bambou, Headspace…)
5️⃣Derao, Tehafo ny tenanao isaky ny dingana vita na dia vao iray andro monja aza ianao no nahavita tsy nikitika sigara 🎉
Isan’andro tsy mifoka sigara = fandresena 💪😉.
Tehirizo ny vola tokony ho nividianana sigara => mividiana zavatra tianao : (akanjo, sakafo matsiro, sns.)
💰 Oh : Raha 12.000Ar isan’andro no lany amin’ny sigara, dia afaka manangona 360.000ar/mois. ☺️