12/05/2026
📌 Toliara no nanamarika ny fanombohan’ny atrikasa momba ny fanatsarana ny fiaraha-miasa amin'ny AC amin’ny alalan’ny PROFESS ho an'ny ady amin'ny TB/VIH.
🤝 Nifamotoana teto ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana tarihin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka , DSSB : Direction des Soins de Santé de Base, ny PNLIS , ny Programme National de Lutte contre la Tuberculose Madagascar, ny DRSP Atsimo Andrefana ary ireo mpiara-miombon’antoka sy mpisehatra eny ifotony mba hiresaka sy hiara-hametraka fomba hanamafisana ny asan’ireo Agents Communautaires (AC) amin’ny ady amin’ny tiberkilaozy sy VIH.🩺
Izy ireo mihintsy no akaiky indrindra amin’ny vahoaka. Ka rehefa tohanana sy omena fitaovana tsara kokoa izy ireo, dia mihamafy ihany koa ny fiarovana ny fahasalaman’ny fiarahamonina.❤️
Nandritra ity atrikasa ity dia niara-nandinika sy niomana ny rehetra mba :
✅ hanatsara ny fiaraha-miasa eny ifotony
✅ hanamafy ny fiofanana sy fanaraha-maso
✅ hanatsara ny fepetra iasan’ireo AC
✅ hametraka drafitra mazava ho an’i Betioky Atsimo, Morombe ary Benenitra 📍
Dingana iray lehibe ity ho an’ny fahasalamam-bahoaka, ary porofo fa rehefa miara-mientana ny rehetra dia afaka manakaiky kokoa ny fitsaboana sy ny fanohanana ny olona eny anivon’ny fiarahamonina ✨