Auditif - Ouïe Madagascar

Auditif - Ouïe Madagascar Soins, test auditif, consultations ORL(même à domicile),appareil auditif
Fitsaboana sofina.

Mycose (holika) !Manaintaina, mangidihidy ary rehefa tsy tsaboina dia mampidina ny fahenoana.Tsy izay ihany nefa fa mety...
20/07/2025

Mycose (holika) !

Manaintaina, mangidihidy ary rehefa tsy tsaboina dia mampidina ny fahenoana.

Tsy izay ihany nefa fa mety mahatonga ny sofina haneno koa ary ny tena olana dia mety hamaky ny ampongan-tsofina mihitsy aza.

Ny tsy fisokirana ny anaty sofina ary fanamainana tsara ny sofina rehefa avy milomana na midio no fisorohana anisany tsara ampiharina indrindra.

Raha misy ireo fambara ireo ary ianao, ny manantona toeram-pitsaboana ohatranay ihany no vahaolana atao.

Efa voan'io ve ianao?Ary ianao, fantatrao ve inona izany?Anisany aretina mahazo ny sofina koa izy io ary betsaka no efa ...
13/07/2025

Efa voan'io ve ianao?

Ary ianao, fantatrao ve inona izany?

Anisany aretina mahazo ny sofina koa izy io ary betsaka no efa voa fa tsy nahalala akory. Azo avy amin'ny loto io matetika, avy amin'ny rano ohatra sns.
Ny tena anisan'ny fitrangany dia mangidihidy anaty sofina ao, manaintaina ary rehefa tena betsaka na ela no tao dia mampidina ny fahenoana mihitsy.

Ny hany azo ambara eto dia ny fizahana amin'ny toeram-pitsaboana matianina toa anay ihany na dokotera no ahafantarana izay.

Olona be ve ny fisiany raha tsy tsaboina? Ho hitantsika manaraka eto izay.

08/07/2025
Inona no ho atao?Samy manana ny fahaizany sy ny fahalalany daholo isika rehetra ary tsy misy mitovy izay. Izany no anton...
06/07/2025

Inona no ho atao?

Samy manana ny fahaizany sy ny fahalalany daholo isika rehetra ary tsy misy mitovy izay.

Izany no antony isokajiana ny asa rehetra mba hanampiana antsika tsy hikorontana sy tsy ho very. Eo amin'ny fahasalamana izao misy ny mpitsabo "généraliste", misy ny mpitsabo "spécialiste" tahaka ny anay, afaka mitsabo manampy amin'ny sofina sy fahenoana.

Fantatrao ve, mety anisan'izay koa ve ny zanakao na ianao mihitsy aza, tsy dia mahare firy ?Dia inona no nataonao na ho ...
29/06/2025

Fantatrao ve, mety anisan'izay koa ve ny zanakao na ianao mihitsy aza, tsy dia mahare firy ?

Dia inona no nataonao na ho ataonao sa aleo amin'izao fa...?

Tsitongandronono!Koa raha misy ireo fambara ireo ny zanakao na ianao sy ny olona fantatrao dia manantona dokotera na toe...
22/06/2025

Tsitongandronono!

Koa raha misy ireo fambara ireo ny zanakao na ianao sy ny olona fantatrao dia manantona dokotera na toeram-pitsaboana matianina amin'izay raha misy.

Tsitongandronono!Ao anatin'ny fotoan'ny hatsiaka mihitsy isika izao ary betsaka ny aretina miseho. Anisan'izany ny tsito...
15/06/2025

Tsitongandronono!

Ao anatin'ny fotoan'ny hatsiaka mihitsy isika izao ary betsaka ny aretina miseho.
Anisan'izany ny tsitongandronono ka aleo ary haverina indray hoe ahoana moa ny fitrangany voalohany.

Raha tsaroantsika, amin'ny fahazazana matetika no tena iatombohan'io.

Koa raha misy ireo fambara ireo ny zanakao na ianao sy ny olona fantatrao dia manantona dokotera na toeram-pitsaboana matianina amin'izay raha misy.

Tsy voatery izay mihitsy!Ohatran'ny aretina sasany izay manaranaka ka tsy nosafidina ( diabeta, tosi-dra), ny tsy faheno...
08/06/2025

Tsy voatery izay mihitsy!

Ohatran'ny aretina sasany izay manaranaka ka tsy nosafidina ( diabeta, tosi-dra), ny tsy fahenoana koa dia torak'izany.

Manoloana izany dia eo ny mpitsabo manampy amin'ny fanaovana fizahana amin'ny fotoana voafaritra.

Misy nefa ny fahenoana mihena nohon'ny fomba fiaina. Ohatra amin'izany ny fihainoana matetika zavatra mafy loatra (écouteur sns.). Misy indray manao dokotera tena ka raha aretina tokony notsaboina tsotra lasa niteraka fahasahiranana hatramin'ny fahenoana. Misy indray nohon'ny fanafody nohanina, tsy fantatra hoe hay miantraika amin'ny fandrenesana koa kay.

Ny lasa moa tsy hiverina intsony fa ny hany averinay eto foana hoe dieny mahatsapa tsy fahatomombanana ka afaka manao izay dia aleo manantona mpitsabo matianina.

Afaka atao tsara ny manova ny anio mba hitsinjovana ny ho avy !

Ianao na misy olona fantatrao ve misedra izany?Mila fitsaboana izany!Hisy fihenam-bidy amin'ny alakamisy 05 Jiona 2025 h...
03/06/2025

Ianao na misy olona fantatrao ve misedra izany?

Mila fitsaboana izany!

Hisy fihenam-bidy amin'ny alakamisy 05 Jiona 2025 ho avy izao.

Koa aza diso anjara fa maraina hatramin'ny 12 ora ihany io.

Ampitapitao ary oh! Misaotra oh!

Tena tsy maintsy ho izay tokoa ve?Betsaka isika no manontany hoe ahoana no atao mba hanakanana ny fahenoana tsy hidina? ...
01/06/2025

Tena tsy maintsy ho izay tokoa ve?

Betsaka isika no manontany hoe ahoana no atao mba hanakanana ny fahenoana tsy hidina? Sakafo ve, fanafody, fomba fiaina sns. ?

Hitantsika mazava amin'io sary io fa misy ireo sela ireo anaty sofintsika rehetra, manampy antsika mandray sy maheno ny feo avy any ivelany ireo. Mety afaka lazaina ve hoe "antenne an'ny sofina".

Tsy ny olona rehetra anefa no manana tombon-tsoa manana sela salama manomboka amin'ny fahazazana ka mandritran'ny fahavelomana.
Misy mantsy mbola vao teraka dia efa tsy maheno, maro koa no mbola ankizy / tanora dia efa sahirana amin'ny fahenoana ary ny olon-dehibe sy ny efa mahazo taona moa tsy lazaina intsony

Afaka nialana ihany ve nefa izany sa tsia ? Efa fantatra mialoha ve fa ho izay no hitranga? Raha eny dia ahoana ary, afaka miverina amin'ny lasa ve?

Hanontany fanontaniana antsika indray izahay.Moa ve afaka manova ny lasa isika? Ary ny anio ahoana? Afaka ovaintsika ve?...
26/05/2025

Hanontany fanontaniana antsika indray izahay.

Moa ve afaka manova ny lasa isika?

Ary ny anio ahoana? Afaka ovaintsika ve?
Inona no mety antony tsy afahantsika na afahantsika mitondra fiovana ny amin'ny anio?

Mba ho lava andro iainana ary hitombo fahalalana ara-panahy hatrany anie ny vehivavy rehetra, zava-dehibe koa eo amin'ny...
25/05/2025

Mba ho lava andro iainana ary hitombo fahalalana ara-panahy hatrany anie ny vehivavy rehetra, zava-dehibe koa eo amin'ny fanabeazana!

Address

Alasora

Telephone

+261389500275

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Auditif - Ouïe Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Auditif - Ouïe Madagascar:

Share