26/06/2025
TRATRA NY ASARAMANITRA 🇲🇬🇲🇬🇲🇬
🎼GASIKARAKO🎼💚🤍❤
Teto no nahitako ny masoandron'ny fiainako
Teto no nofidin'Ilay Ray ho fonenako
Ho tsaroako n'aiza n'aiza e
Ho vetsoiko ao anaty
'Lay Gasikara mamiko
Tiako foana ianao na manana na ory
Tsy misy toa anao ry Gasikarako
Ny vavaka atao re
Hotahina anie ianao
Hiadana ny taniko
Maro ny fahavalo mitady hamotika
Aoka tsy himalo na koa hilofika
Fa hiaro hatrany hatrany e
Ny hatsarana ananany
'Lay tany izay iraisana
Tiako foana ianao na manana na ory
Tsy misy toa anao ry Gasikarako
Ny vavaka atao re
Hotahina anie ianao
Hiadana ny taniko
'Ndao hiaraka hamerina indray
Ny fihavanana 'zay nampikambana
Koa arovy sy tandrovy ny fifankatiavana
F'ho sambatra izaho sy ianao
Tiako foana ianao na manana na ory
Tsy misy toa anao ry Gasikarako
Ny vavaka atao re
Hotahina anie ianao
Hiadana ny taniko
Ilay Gasikara mamiko
Ho sambatra izaho sy ianao
🇲🇬💝
©Ny Ambasadôrà