Cabinet Medical Traditionnel Mitsinjo aina

Cabinet Medical Traditionnel Mitsinjo aina Medecine et santé

🟨 INONA MAHATONGA NY FAHAFATESANA TAMPOKA AMIN'NY ALINA ? Hoan'izay mifoha amin'ny alina mihainohaino trano na mifoha hi...
13/07/2025

🟨 INONA MAHATONGA NY FAHAFATESANA TAMPOKA AMIN'NY ALINA ?

Hoan'izay mifoha amin'ny alina mihainohaino trano na mifoha hipipy.. ny olona tsirairay avy dia tokony hitadidy lalandava ny hasarobidin' ny "3 minitra sy sasany" alohan'ny tena ifohazana.

Satria tokoa matetika mitranga ny toa izao, olona mbola salama tsara no maty amin'ny alina..matetika isika no mandre ny tantaran'ny olona manao hoe: vao omaly aho niresaka taminy, salama tsara izy, fa nahoana ary izy no maty tampoka?

NY anton'izany dia satria rehefa ilay poritra iny ilay olona ny alina dia tsy manisy lanja ilay 3 minitra sy sasany voalaza tetsy ambony fa avy hatrany dia mitsangana...nefa izay fitsanganana tampoka izay dia mampisy olana ny amin'ny fikorinan'ny rà izay tsy mbola tonga tsara any amin'ny atidoha.

Nahoana no zava-dehibe ny"telo minitra sy sasany"?

Raha mifoha tampoka dia hisy tsy fahampian-drà any amin'ny atidoha ka miteraka aretim-po.. noho izany dia tsara ny mampihatra ilay " 3mn sy sasany" izay:

🟢 1-Rehefa mifoha ianao ny alina dia mijanona eo am-pandriana mandritry ny 1mn sy sasany.

🟢 2- Mipetraha eo am-pandriana mandritry ny 1mn.

🟢 3-Ampidino ny tongotra ary mipetraha eo amin'ny sisin'ny fandriana mandritry ny 1mn manaraka.

Rehefa vita tsara ireo 3 mn sasany ireo dia tsy ho voan'ny " anémie" intsony ny atidohanao ary ho salama ny fonao ka mampihena ny mety ho fianjerana sy fahafatesana tampoka.

Aleo samy mitandrina avokoa fa tsy mifidy taona izay tranga iray izay...mirary soa ho antsika rehetra

Arakaraka ny hizaranao an'ity pub ity no hamonjenao olona.Tsy anenenanao izany ary tsy andanianao vola. Ny tsy fahafantarana ihany no mahafaty olona

ALEFA...PARTAGEO MAXIMUM FA NY FAHALALANA AFAKA MANAVOTRA AIN'OLONA MARO

Indrana,

Zavatra roa samy hafa mihitsy ireto :   🛑 Infections urinaires    🛑 Angatra / solopiso ( gonocoque) 😌 Angatra aretina no...
13/07/2025

Zavatra roa samy hafa mihitsy ireto :

🛑 Infections urinaires
🛑 Angatra / solopiso ( gonocoque)

😌 Angatra aretina no resahako eto fa tsy totom na ilay mampatahotra anao isakin'ny alina a .

🧏‍♀️ Fa ny angatra no hazavaiko aminareo . Samy mety ho voan'izy aretina ity daholo na lahy na vavy.

🦟 Ny angatra dia aretina azo avy aminy firaisana ara-nofo , fisolosolona olona niarahana . Sinon hoe ianao no nitifitra tany an-kafa dia avy eo nitifitra ny vadinao na sipanao dia voa koa izy .

🛑 Fisehony aminy lehilahy :

🦟 Mandeha tsiranoka
🦟 Mandeha nana na misy nana mivoaka ny filahilana
🦟 Marary rehefa mipipy
🦟 Marary rehefa manao firaisana ara-nofo
🦟 Tsy mihenjana tsara ny filahina
🦟 Misy tsiranoka mandeha foana
🦟 Mangididy anaty filahina
🦟 Mangididy ny filahina

🛑 Fisehony aminy vehivavy :
🦟 Lasa misy perte sady misy fofona
🦟 Mangididy lava ny fivavina
🦟 Marary rehefa manao firaisana ara-nofo
🦟 Misy nana mandeha ny fivavina
💉 Marary rehefa mipipy
💉 Te hipipy lava ,sns ....

🛑 Effet secondaire :

🥺 Tsy mety velona ny filahina
🥺 Lasa misy perte sady mangididy no misy fofona
🥺 Kamo manao firaisana ara-nofo
🥺 Cancer prostate
🥺 Cancer du col de l'utérus
🥺 Marary isakin'ny hanao firaisana ara-nofo
🥺 Tsy afaka fofona ny fananahana
🥺 Lasa misy fofona ny spermatozoïdes, sns ...

🥰 Solution omeko anao :

👅 Manaja n'y olona miaraka aminao
👅 Dia mampiasa kapoty....

😌 Dia aza miheno vavan'olona fa aretina tsy misangy aminao, mandehana Docteur 🩺

Tsy misy hoe aza alefa any de hoe tsy mahazo lay aretina , tandremo tandremo fa zava-doza ....

Ireto ny famantarana mahazatra fa mety tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST na Infections Sexuelle...
13/07/2025

Ireto ny famantarana mahazatra fa mety tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST na Infections Sexuellement Transmissibles):

1. Famantarana amin’ny lehilahy:
• Marary na maharary rehefa mi-pipi.
• Fanaintainana na fahasosorana eo amin’ny faritra ara-nofo.
• Tsiranoka tsy mahazatra mivoaka amin’ny filahiana (fotsy, mavo, na maitso).
• Ratra, fivontosana, na pentina eo amin’ny filahiana na faritra manodidina.
• Fanaintainana rehefa manao firaisana ara-nofo.

2. Famantarana amin’ny vehivavy:
• Tsiranoka tsy mahazatra avy amin’ny fivaviana (fotsy, mavo, na misy fofona ratsy).
• Fanaintainana na maharary rehefa mi-pipi.
• Marary rehefa manao firaisana ara-nofo.
• Ratram-pivaviana na fivontosana.
• Fanaintainana amin’ny kibony ambany.

3. Famantarana ankapobeny ho an’ny lehilahy sy vehivavy:
• Tazo na fahatsapana reraka.
• Fivontosana amin’ny lamosina ambany na kibony.
• Pentina, ratra, na fivontosana amin’ny vava, orona, na lavaka fivalanana.
• Nohalavan’ny aretina ka misy fiantraikany amin’ny taova hafa (oh: fo, atidoha).

Ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo dia mety tsy hisy famantarana miharihary amin’ny voalohany, ka zava-dehibe ny manao fitiliana tsy tapaka raha manana firaisana tsy voaaro na manana mpiara-miasa maro.

🔴 𝙎𝘼𝙆𝘼𝙁𝙊 𝙢𝙖𝙢𝙥𝙞𝙝𝙚𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙂𝙊𝙐𝙏𝙏𝙀 ⚠️ | ny Gouty dia aretina mandoza azo avy amin’ny fiangonan’ny acide urique ao anaty vanint...
05/07/2025

🔴 𝙎𝘼𝙆𝘼𝙁𝙊 𝙢𝙖𝙢𝙥𝙞𝙝𝙚𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙂𝙊𝙐𝙏𝙏𝙀 ⚠️ | ny Gouty dia aretina mandoza azo avy amin’ny fiangonan’ny acide urique ao anaty vanintaolana. Ny fivontosan’ny cheville sy ny akihibe tongotra no fomba fisehony matetika, ka manaintaina tsy laitra. Mety hahatonga hatramin’ny Insuffisance Rénale raha tsy voatsabo tsara.

❌ Ny fihinanana be loatra ireto sakafo manaraka ireto no antony mampihetsika ny gouty. Na izany aza dia tsara fantatra fa manaranaka ny gouty. Noho izany dia lanjalanjao ny fihinanana ireto sakafo ireto :
🍺 𝘼𝙇𝘾𝙊𝙊𝙇 : indrindra fa ny 𝙇𝘼𝘽𝙄𝙀𝙍𝘼
🥩 𝙃𝙀𝙉𝘼 𝙈𝙀𝙉𝘼 : omby, ondry
🍖 𝙏𝘼𝙊𝙑𝘼𝙆𝙀𝙉𝘼 : atiny, vaoniny, fony, atidoha
🐟 𝙏𝙍𝙊𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙈𝘼𝙏𝘼𝙑𝙔 : sardines, saumon, truite
🦀 𝙁𝙍𝙐𝙄𝙏𝙎 𝘿𝙀 𝙈𝙀𝙍 : crevettes, foza, homards
🥤𝙕𝘼𝙑𝘼-𝙋𝙄𝙎𝙊𝙏𝙍𝙊 𝙈𝘼𝙈𝙔 𝙇𝙊𝘼𝙏𝙍𝘼 : soda, sirops, jus
🥫 𝙎𝘼𝙐𝘾𝙀𝙎 𝙈𝘼𝙏𝙎𝙄𝙍𝙊 𝙍𝙀𝙃𝙀𝙏𝙍𝘼 : indrindra ny fampiasàna ireny « cubes » mampatsiro sakafo ireny
✅ 𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗞𝗢𝗡𝗬 𝗛𝗔𝗧𝗔𝗢 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗜𝗦𝗢𝗥𝗢𝗛𝗔𝗡𝗔 :

💧 Misotroa RANO 2 litatra isanandro
🥃 Ahenao ny fisotroana TOAKA indrindra ny LABIERA
🥩 Tandremo ny fihinanana HENA MENA
🥓 Tandremo ny fihinanana CHARCUTERIE
🦞 Tandremo ny fihinanana FRUITS DE MER
🫕 Manaova fanenam-batana
❌ Lanjalanjao ny TSAKY sy ny PI 😉
🔥 𝙎𝘼𝙈𝙄𝘼 𝙈𝙄𝙕𝘼𝙍𝘼
___
Dr. Rakotonoel, Cardiologue ❤️

🎓 Te hianatra informatique maimaim-poana ve ianao ?Ireto misy 10 site internet afaka manampy anao hianatra informatika G...
29/06/2025

🎓 Te hianatra informatique maimaim-poana ve ianao ?

Ireto misy 10 site internet afaka manampy anao hianatra informatika GRATUITEMENT, na manomboka ianao, na te hanamafy ny fahaizanao :

💻 www.codecademy.com – Mianara programmation (HTML, CSS, Python, sns.) mora sy tsikelikely.

📘 www.khanacademy.org – Misy lesona informatika sy algorithmie ho an’ny vao manomboka.

📚 www.coursera.org – Misy cours avy amin’ny oniversite manerantany (afaka misafidy cours gratuits).

🧠 www.edx.org – Mitovy amin’i Coursera, afaka mahazo certificat koa rehefa vita.

🎥 www.youtube.com – Misy tutoriel amin’ny fiteny maro, ahitana informatique de base sy avancé.

💡 www.sololearn.com – Mianatra programmation amin’ny finday na ordinateur.

🌐 www.openclassrooms.com – Misy cours informatique amin’ny fiteny frantsay.

👨‍🏫 www.freecodecamp.org – Fampianarana mifantoka amin’ny coding sy développement web.

🖱️ www.gcflearnfree.org – Mianatra Word, Excel, PowerPoint sy internet de base.

🧰 www.w3schools.com – Loharanon-kevitra tsara amin’ny HTML, CSS, JavaScript, SQL, sns.

💡 Raha te hianatra fa tsy manana vola aloha, dia ireo site ireo no manampy anao hivelatra sy ho matihanina amin’ny solosaina.

➡️ Zarao amin’ny namana mety mila an’izao fanampiana izao !

🇲🇬❤️FANAFODY NATORALY AMIN'NY FITSABOANA NY ARETINA CYSTIE CERCOSE NA KANKANA ANATY ATI-DOHA :Matetika vokatry ny fihina...
23/06/2025

🇲🇬❤️FANAFODY NATORALY AMIN'NY FITSABOANA NY
ARETINA CYSTIE CERCOSE NA KANKANA ANATY ATI-DOHA :

Matetika vokatry ny fihinanana hena kisoa tsy masaka tsara sy ny anan-drano ihany koa, no tena antony mahatonga ireny aretina kankana any amin'ny ati-doha ireny. Ka tena mila mitandrina isika rehetra ary mila misoroka ihany koa.

ZAVATRA ILAINA
Misy zavatra roa azo hisafidianana ireto, ary izay hitanao fa mety aminao no atao:

• Ravi-saonjo
• Ravitoto manta

FOMBA FAMPIASANA AZY
Ravi-saonjo : Hatao laoka isan'andro ka tsy afangaro ninon'inona mihitsy, raha tsy sira sy rano ihany.
Ravitoto : Totoina hatao mivoaka ranony, ka sotroina in-droa sotro fihinanam-bary ny maraina sy ny hariva alohan'ny hatory.

FAHARETANY
Mandritra ny 3 herinandro ny traitement an'ilay ravi-saonjo na ravitoto, ka maty tanteraka ireo kankana anaty ati-doha.

FANAMARIHANA
Na ianao mampiasa ravi-saonjo, na ianao mampiasa ravitoto. Tandremo ihany koa ny fihinana hena tsy mazaka, na legioma tsy voasasa sy tsy masaka tsara.

Mba ho fanampiana ireo namana, dia zarao sao mahasoa ity fanafody natoraly ity, satria betsaka ireo olona mijaly. Aza adino ny manaraka ny pejy isan'andro.

Mirary soa hatrany dia mba zarazazarao maximum fa mahasoa anao sy ny hafa merci 🙏🤗🇲🇬

Aza hadino hatrany manaraka ny page-tsika raha tehahazo zavatra mahasoa sy mahaliana isanadro ianao

🍒 FOMBA VOAJANAHARY HANASITRANA FO SY ARETINA MARO AMIN’NY FARYZava-pisotro tsotra sy mahery vaika hanampy amin’ny fanar...
22/06/2025

🍒 FOMBA VOAJANAHARY HANASITRANA FO SY ARETINA MARO AMIN’NY FARY

Zava-pisotro tsotra sy mahery vaika hanampy amin’ny fanarenana sy fanasitranana ny fo, ary mahasoa amin’ny aretina maro hafa!

Ny fary dia manana otrikaina maro sy toetra manasitrana, indrindra raha ampifangaroina amin’ny fomba fanao nentim-paharazana. Ity fanafody ity dia tena efficace amin’ny aretin’ny fo ary azo ampiasaina ho rano fisotro mandritra ny andro.

🍒
🟢 Fary fotsy 2 vaniny (ilay eo amin’ny lohany, matsatro)
🟢 Fary mamy 2 vaniny
🟢 Rano 4 litatra

🍒

🟢 Dingana 1:
Potipotirina madinika tsara ny fary fotsy sy fary mamy.

🟢 Dingana 2:
Asiana rano 4 litatra ireo fary notapatapahina.

🟢 Dingana 3:
Ampandevezina (ahetsehina amin’ny afo antonony) mandritra ny 30 minitra – 30mn no fotoana andeviana (magotraka).

🟢 Dingana 4:
Rehefa avy mandevy dia ho mihena ho 3 litatra eo ho eo ilay fangaro.

🟢 Dingana 5:
Avela hangatsiaka kely, dia raisina ho rano fisotro 1 litatra isan’andro, mandritra ny 3 andro misesy.

🍒
🟢 Mahasitrana sy manamafy ny fo
🟢 Manadio ny ra sy ny atiny
🟢 Manatsara ny fivezivezen’ny rà
🟢 Mety amin’ny aretina maro hafa koa

➡️ Zava-pisotro tsotra nefa manampy be dia be! Ataovy an-trano, zarao amin’ny hafa, mety hahasoa olona tsy ampoizinao!
Hita ary zaraina

CATARACTE Soritr'aretina 1- Manjavona ny maso 2- Tsy mahita am alina 3- Tsy mahita loko 4- Anakiroa rehefa mijery zavatr...
22/06/2025

CATARACTE
Soritr'aretina
1- Manjavona ny maso
2- Tsy mahita am alina
3- Tsy mahita loko
4- Anakiroa rehefa mijery zavatra iray
Antony mahatonga azy
1- Fifohana zavamahadomelina ( sigara sn...)
2- Ultra violet avy am masoandro
3- Taona
4- Diabete
5- Fisotroana alcool
6- Tavy
7- Tosi-dra ambony
8- Manaranaka
9- Fihinanana fanafody maharitra
10- Trauma
Akoatran'ny fandidina dia ireto misy zavatra tokony atao
1- Manao the voninkazo Calendula ( tsy misy azy any Mada )
2-Afaka manao the ( rano mangotraka 1 verre asina poivre noir tapakin sotro kely , girofle 6 ) afaka asina tantely avy eo dia sotroina rehefa matimaty
3- Mihinana sakafo be vitamine B1( saumon, sardine , tuna, hena , atody , voatavo , vary mena , fotsy , cereal , voana tanamasoandro, produits laitiers )
4- Manao regime alimentaire am diabete na tosi-dra ambony
5- Asina colyre NAC isan andro ny maso raha misy
ORGANIC FOOD PAGE ❤

HODITR'AKONDRO ENTINA HANAFAHANA TSY FAHATOMOMBANANA EO AMIN'NY FAHASALAMANA.    Efa nisy fotoana izahay niresaka mahaka...
11/06/2025

HODITR'AKONDRO ENTINA HANAFAHANA TSY FAHATOMOMBANANA EO AMIN'NY FAHASALAMANA.
Efa nisy fotoana izahay niresaka mahakasika ny hoditr'akondro natao "décoction" entina hikarakarana aretina maro. Androany indray izahay Dia hizara fomba hafa hikarakarana ny hoditr'akondro hanafahana tsy fahatombanana eo amin'ny fahasalamana.
Ny hoditr'akondro Dia tena manankarena otrikaina maro tokoa, toy ny mineraly, antioxydants, vitamines maro karazany, oligo-éléments ary fibres ka tena manana fahafahana hikarakarana olana maro eo amin'ny fahasalamana. Ity fomba iray hozarainay manaraka ity dia entina hanafahana ny mycose sy ny infections vaginales na génitales, eczéma, psoriasis, manatsara ny fahasalaman'ny taovam-pandevonan-kanina no sady manatsara ny fandevonan-kanina, entina hanatsarana ny fahasalaman'ny hozatra, entina hanafahana ny infection sy ny firehetana ateraky ny "angines", ary koa "antibactérien" miady amin'ny bactéries mahatonga izany, entina handevonana ny kambon-tenda.
FOMBA FIKARAKARANA SY FISOTROANA AZY: maka hoditra Akondro lehibe iray (1) dia dorana anaty fatana misy vainafo, rehefa may tsara Dia esorina ao, totoina halemy tsara, tatavanina mba azahoana Ilay poudre malemy. Maka rano mahamay vao avy nangotraka 200 ml (1vera), araraka ao Ilay poudre hoditr'akondro nokarakaraina teo ary arohina tsara dia sotroina 5 minitra alohan'ny hisakafo maraina na atoandro na ny hariva, izany hoe indray misotro Io fatra Io Ary indray misotro ihany amin'ny izay fotoana ahafahanao mihinana azy amin'ireo fotoana voatondro etsy ambony. Hoan'ny "angines" sy ny fandevonana ny kambon-tenda manonkana kosa dia atao gararaka isaky ny avy misakafo Io fangaro voakarakara Io fa asiana sira 3 tsongo fotsiny ho fanampiny. Atao izany mandrapahafaka tanteraka ny tsy fahatombanana eo amin'ny fahasalamana, izany hoe atao traitement systematique (isanandro) arakaraky ny dingan'ny aretina.

Ny  sonjo na taro---🥔💜 Ny taro : ilay sakafo fahiny manankarena sy mahasoa izay tsy fantatrao angamba 💜🥔Efa nampiasaina ...
07/06/2025

Ny sonjo na taro

---

🥔💜 Ny taro : ilay sakafo fahiny manankarena sy mahasoa izay tsy fantatrao angamba 💜🥔

Efa nampiasaina hatramin’ny 10 000 taona lasa ary notokanana tany amin’ny kolontsaina maro manerana izao tontolo izao – manomboka any Hawaii ka hatrany Azia Atsimo – ny taro (Colocasia esculenta) dia iray amin’ireo sakafo tena tranainy sady matetika tsy dia hita lanjany loatra. Antsoina hoe kalo, arbi na dasheen, ity fototr’ahitra be vovony ity dia tsy sakafo fotsiny ihany fa loharano be otrikaina tokoa.

🌿 Nahoana ny taro no tena mahasoa ho an’ny fahasalamana :
✅ Manankarena amin’ny karazana gliosida sarotra levonina ho an’ny hery mitohy
✅ Manankarena fibre, tsara ho an’ny fandevonan-kanina sy ny fifehezana siramamy ao amin’ny ra
✅ Ahitana vitamina A, C ary E, ary koa mineraly toy ny potasioma sy magnezia
✅ Manify tavy (matière grasse) ary tsy misy gluten voajanahary
✅ Manampy amin’ny fahasalaman’ny fo, ny hery fiarovana ary ny hatsaran’ny hoditra
✅ Na ny raviny aza dia tena mahasoa : manankarena amin’ny vy sy vitamina

🍽️ Toro-hevitra amin’ny fandrahoana sy fihinanana :
🔹 Azo andrahoina amin’ny rano, potehina na ahandroina amin’ny setroka
🔹 Azo endasina ho toy ny “chips” na atono
🔹 Azo afangaro amin’ny lasopy, karikari na tsindrin-tsakafo
🔹 Misy aza “glace” na mofomamy amin’ny taro ! Eny e, azafady !
🔹 Andramo ny laing filipiana: ravin-taro andrahoina amin’ny ronono-kokôbéra matsiro

⚠️ Zavatra tokony hotadidina : Tsy maintsy andrahoina foana ny taro sy ny raviny satria ny taro manta dia misy kristaly oxalate izay mety hahasosotra ny tenda sy ny hoditra.

🌱 Bonus ara-tontolo iainana : Mety amin’ny tany mahantra sy toetr’andro mando ny taro ka zavamaniry tsy mandany be, maharitra amin’ny fiovan’ny toetr’andro, ary manampy amin’ny fiantohana ara-tsakafo. Tsy misy fako : ampiasaina daholo ny ampahany rehetra amin’ny zavamaniry.

🌀 Zava-misy mahaliana : Ao amin’ny kolontsain’ireo n

NY TENA DIKAN'NY FIFADIAN-KANINA, SAO MILA MANANDRANA KELY IANAO?✋Misy olona mahatsiaro maimaina ara-panahy, te hiverina...
07/06/2025

NY TENA DIKAN'NY FIFADIAN-KANINA, SAO MILA MANANDRANA KELY IANAO?

✋Misy olona mahatsiaro maimaina ara-panahy, te hiverina tanteraka amin'Andriamanitra fa toa tsy tafiditra mihitsy.

✋Misy karazan-javatra mihantona eo amin'ny fiainanao, tsy ampy tosika ara-bavaka.

✋Misy karazana fanahy nahazo toerana, fahazaran-dratsy mila resena.

✋Ary MATETIKA, te hiteny aminao manokana, mivantana ao anatinao ny FANAHY MASINA, fa VOKY be ny nofo dia tsy mety mahare na inona na inona, eo koa ny distractions sns.

"Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana." Joela 2.12

✋Ny FIFADIAN-KANINA dia tsy fombafomba hoe mila mampijaly ny nofo kely eo anatrehan'Andriamanitra dia faly Izy dia mamaly vavaka. TSIA, rehefa MIFADY HANINA dia mandre be kokoa ny FANAHINAO (izay no antony), sensible kokoa na amin'ny ara-panahy, na amin'ny feon'Andriamanitra. MAHERY KOKOA ihany koa satria dia VONOINA kely mihitsy ny NOFO, dia na ny vavaka asandratrao aza misy FAHEFANA kokoa. AKAIKY KOKOA ny tontolon'ny FANAHY.

✋Misy karazany ny fifadian-kanina.

👉Tsy misakafo mihitsy fa RANO fotsiny.
👉Sady tsy misakafo no tsy misotro rano. (3 andro max sao maty eo raha mahavita)
👉MIFADY zavatra mahavariana loatra anao (Facebook, réseaux sociaux, sns.). Tsy ara-Baiboly izy ity fa manampy ihany nefa.
👉Misy ihany koa hoe MIFADY hena, mamy, sns fa LEGIOMA fotsiny. (Tsy dia azoko loatra ny antony aloha fa amiko ilay NOFO mihitsy no tsy tokony atao voky).

✋Misy ihany koa hoe MANDRITRA INY ANDRO IRAY MANONTOLO INY no mifady. Misy ihany koa hoe mandra-pilentiky ny masoandro.

Ny nanombohako ny ahy tamin'izany tapak'andro. Dia notohizako indray ny ampitso : mandritra ny herinandro. Satria ilay fotoana hitokanana sy hivavahana iny mihitsy no mila anao MIFADY. Fa tsy hoe mifady hanina dia mandehandeha eraky ny tanàna hoe MIFADY. Mba hahatonga ilay vavakao tena hahery ilay izy, ary hahatonga anao ho SENSIBLE kokoa amin'n

MOKA : maninona no misy olona tiany sy tsy tiany... rehefa milasy zahay taloha, dia misy akama izay tena tian'ny moka, a...
07/06/2025

MOKA : maninona no misy olona tiany sy tsy tiany... rehefa milasy zahay taloha, dia misy akama izay tena tian'ny moka, ataony rakotra sy binabina mihintsy... Hay ireto no antony :
👉Ny moka vavy no manaikitra satria mila proteine izy hoan'ny atodiny
👉Ny dioxyde de carbone CO2 @ fofonaina no arahiny
👉Ny fofon'ilay olona ( hatsembohany, bakteria..)
Ary.. ny sokajin-drà !

Des études, notamment une recherche japonaise publiée dans le Journal of Medical Entomology, ont montré que les moustiques ont des préférences marquées :

🥴Ny sokajin-drà O dia matsiro avo roa heny hoan'ny moka raha oharina @ sokajy A
😜Ny sokajy B , eo eo ihany
😉Ny sokajy A dia zara raha ohaniny..

Taux de piqûres estimées par groupe (selon certaines études) :

Groupe O : environ 83 %
Groupe B : environ 66 %
Groupe A : environ 47 %

Ny vehivavy bevoka ihany koa dia tian'ny moka..

Source: Le Bien-Être

Address

Antananarivo

Telephone

+261326511717

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Cabinet Medical Traditionnel Mitsinjo aina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share