DRAE Amoron'i Mania

DRAE Amoron'i Mania La Direction Régionale de l’Agriculture et de l’Elevage Amoron'i Mania est chargée de la mise en œuvre de la politique du Ministère au niveau de la région.

24/12/2021
Concours ho an'izay tanora liana haka fahaiza-manao mahakasika ny Fambolena.Manatona ny Birao DRAE Antamponivinany raha ...
14/10/2021

Concours ho an'izay tanora liana haka fahaiza-manao mahakasika ny Fambolena.Manatona ny Birao DRAE Antamponivinany raha mila fanazavana fanampiny.

Miroso hatrany @ fanatratrarana ny tanjona @ Velirano faha 6 :asa mahavelona ho an'ny rehetra sy ny Velirano faha 9: Fah...
02/09/2021

Miroso hatrany @ fanatratrarana ny tanjona @ Velirano faha 6 :asa mahavelona ho an'ny rehetra sy ny Velirano faha 9: Fahavitan-tena ara-tsakafo ny ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana.Nanangana fotodrafitr'asa vaovao ny Formaprod Epir Ahi izay vatsian'ny FiDA vola ho fanitarana ny Lycée technique Miarinavaratra district Fandriana.Izany no natao dia ho fanatsarana ny kalitaon'ny fampiofanana arak'asa ireo mpianatra ao, hananan'izy ireo asa mahavelona rahatr'izay!Noraisina aratekinika omaly 1er Septambra 2021 io fotodrafitr'asa.
Etsy ankilany, anisan'ny nampikaikaika fatratra ny maro ny lalàna mankeny @ LTPA indrindra @ fotoam-pahavaratra.Nitady vahaolana ny ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana t@ alàlan'ny Formaprod izay vatsian'ny FiDA vola: nohavaozina ny lycée Technique, nasiana dortoirs ho an'ny Mpianatra, namboarina ny château d'eau...Ankehitriny dia noraisina vonjy maika ny lalàna.Ny irariana dia mba hahay hampiasa ireo fotodrafitr'asa maro be ireo ny LTPA Ambinda CR Sahamadio , distrika Fandriana.Efa nanao fanentanana @ ireo mpampiasa lalàna moa ny DirCAB avy ao @ Région, ny solotenan'ny DRAE Amoron'i Mania sy ny Formaprod epir ahi raha nanao ny fandraisana asa vonjimaika omaly.

Anio no noraisina vonjy maika ny asa fanamboaran-dalana makany Sahavatoana District Ambatofinandrana.Tonga nanome Vonina...
31/08/2021

Anio no noraisina vonjy maika ny asa fanamboaran-dalana makany Sahavatoana District Ambatofinandrana.Tonga nanome Voninahitra izany ny avy ao @ Governora Faritra Amoron'i Mania izay tarihin-dRamatoa Mamiarisoa Radaloson ,eo ihany koa ny Talem-paritrin'ny Fambolena sy ny Fiompiana Mamisoa Ralalarivony miaraka @ ekipany ,ary ny Fandaharan'asa Formaprod Epir Ahi eo ambany fiahian'ny ministera ,izay vatsian'ny FIDA vola .Izy moa no angady nanana sy vy nahitana izao foto-drafitr'asa izao.Faly ny mponin'ny Sahavatoana ,fa nahazo foto-drafitr'asa .Sambany hoy izy ireo no mba nisy olom-panjakana tonga nitsidika azy ireo tany ifotony.Marihina moa fa nandray anjara mavitrika ireto vahoaka ireto tamin'ny fanaovana ny anjara birikiny teo @ fanatanterahana ny fanamboaran-dalana,miaraka t@ entreprise.
Raha bangoina,dia miroso hatrany @ fampandrosoana ny Faritra Amoron'i Mania,eny fa na dia any @ tany lavitra andriana aza.

Ny fahaleovan-tena ara-tsakafo voarakitra ao anatin'ny velirano faha 9 no anisan'ny imasoan'ny ministeran'ny Fambolena ,...
12/08/2021

Ny fahaleovan-tena ara-tsakafo voarakitra ao anatin'ny velirano faha 9 no anisan'ny imasoan'ny ministeran'ny Fambolena , ny Fiompiana ary ny Jono.Maro ireo fandaharan'asa ao ambany fiahiny manatanteraka ny programam-panjakana, singanina manokana amin'ny ny Fandaharan'asa DEFIS izay vatsian'ny FIDA vola.Nisy fiaraha- miasa teo@ programa sy ny ORN ka mpahazo tombon-tsoa miisa 400 no nisitraka an'ireto fitaovana andakozia izay noraisina anio ireto.Ny tanjona amin'izany moa dia hiadiana amin'ny tsy fanjariantsakafo.

Anio faha 05 Aogositra 2021 no nampahafantarina amin'ny fomba ofisialy ny "Projet d'amélioration de la nutrition par l'a...
05/08/2021

Anio faha 05 Aogositra 2021 no nampahafantarina amin'ny fomba ofisialy ny "Projet d'amélioration de la nutrition par l'approche multisectorielle" ( Hetsika marolafy ho an'ny fanjariantsakafo eto Amoron'i Mania)
Ity teti-kasa ity moa ny tohanan'ny Governemanta Japonais.Ary ny fampiharana ny asa dia nankinina amin'ireo masoivohon'ny Firenena mikambana telo dia ny FAO,UNICEF ary ny PAM .Izay hanambatra ny fahaiza-manao ananan'izy ireo hentina hanampy sy hampihenana ny tahan'ny tsifanjariantsakafo eto Amoron'i Mania amin'ny kaominina roa izay iasan'ny teti-kasa : CR Tsarasaotra sy Fahizay.Marihina moa fa maharitra roa taona ny faharetan'ilay Fandaharan'asa.
Pic by Tom Jorvania Com/Gouvernorat AMM

Anisan'ny imasoan'ny ministeran'ny fambolena ,ny fiompiana ary ny Jono ny fampitomboana ny velaran-tany voatondraka!Anio...
03/08/2021

Anisan'ny imasoan'ny ministeran'ny fambolena ,ny fiompiana ary ny Jono ny fampitomboana ny velaran-tany voatondraka!Anio no fotoana voatondro hitaritana ireo izay maniry hamaly ny antso amin'ny tolo-bidy mahakasika ny toha-drano ao Androy, CR Miarinavaratra district Fandriana,izay hotanteran'ny Formaprod Epir Ahi izay vatsian'ny FIDA vola.Izany rehetra izany no natao dia hanatratrarana ny velirano faha 9 fahaleovan-tena ara-tsakafo

Isaorana ny fitondram-panjakana @ alalàn'ny teti-kasa projermo vatsian'ny BAD vola, izay eo ambany fiahian'ny miniseran'...
28/07/2021

Isaorana ny fitondram-panjakana @ alalàn'ny teti-kasa projermo vatsian'ny BAD vola, izay eo ambany fiahian'ny miniseran'ny fambolena fiompiana ary ny Jono izay mitsinjo ireo lalàna manahirana eto Amoron'i Mania ! Indro zaraina amintsika ny antso @ tolo-bidy mahakasika izany!

Ho fanatanterahana ny velirano faha 9 fahaleovan-tena ara-tsakafo sy ny velirano faha 6 asa mendrika ho an'ny rehetra di...
02/07/2021

Ho fanatanterahana ny velirano faha 9 fahaleovan-tena ara-tsakafo sy ny velirano faha 6 asa mendrika ho an'ny rehetra dia ,hanangana foto-drafitr'asa 3 @ ireo lycée Technique Professionnel Agricole eto amoron'i Mania ny Fandaharan'asa Formaprod izay eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena Fiompiana ary ny Jono, vatsian'ny FIDA vola.Marihina moa fa omaly alakamisy 1 jolay no natao ny "implantation" tany Manandriana anio kosa ny tany Ambatofinandrahana! Ny asa any Miarinavaratra Fandriana moa dia efa nanomboka herinandro vitsivitsy lasa izay!Tonga nanatanteraka izany fananganana foto-drafitr'asa izany ny Talemparitrin'ny fampianarana ara-teknika sy fanofanana arak'asa, ny Ben'ny amin''ireo toerana ireo, ny mpiandraikitra ny tsenambarom-panajakana,miaraka @ teknisianina avy ao DRAEP Amoron'i Mania sy ny Formaprod, eo ihany koa ireo solon-tena avy amin'ny entreprise sy ny bureau d'étude izay hanara-maso ny asa.

Tontosa soa aman-tsara anio 25 mars 2021 ny famindram-pahefana teo amin'ny coordonnateur régional papriz teo aloha sy ny...
25/03/2021

Tontosa soa aman-tsara anio 25 mars 2021 ny famindram-pahefana teo amin'ny coordonnateur régional papriz teo aloha sy ny coordonnateur vaovao Atoa Bonaventure Stanisla's! Mirary ity farany hahavita be @ adidy iantsorohana ny ekipan'ny DRAEP Amoron'i Mania iray manontolo izay tarin'ny Talem-paritra! Tsy hadino ihany koa ny mirary soa ho an'i Mme Nadia izay CR teo aloha!

Ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy dia niara- nankalaza izany ny ekipa vehivavin'ny DRAEP Amoron...
08/03/2021

Ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy dia niara- nankalaza izany ny ekipa vehivavin'ny DRAEP Amoron'i Mania notronin'Andriamatoa Tale mivady! Nahafinaritra tokoa ny fiaraha-mientana sy ny fiarahana! Misaotra ny ekipa rehetra! Hitombo hatrany anie ny fifankatiavana sy firaisan-kina izay efa misy eo amin-tsika ! Ho tena vehivavy hampiroborobo ny tontolo ambanivohitra ! Hiroso @ fahavitan-tena ara-tsakafo ao @ velirano faha9

Dinidinika ho amin'ny fampandrosoana ny tsenan'ny trondro eto Ambositra nihainoana ny  hetahetan'izy ireo sy nitondrana ...
26/02/2021

Dinidinika ho amin'ny fampandrosoana ny tsenan'ny trondro eto Ambositra nihainoana ny hetahetan'izy ireo sy nitondrana vahaolana izay nanolorana soso-kevitra hoentina hanatsarana ny fiaraha-mientana mba hisian'ny tombontsoa iombonana ho any mpivarotra trondro. Izany dia niarahana tamin'ny Sampandraharahan'ny Jono sy ny Harena anaty rano izay ao anatin'ny foibem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono eto amn'ny faritra Amoron'i Mania.

24/02/2021
19/02/2021

Address

Ambositra

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRAE Amoron'i Mania posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share