22/10/2025
✨ "𝑻𝒔𝒂𝒓𝒂 𝑱𝒆𝒉𝒐𝒗𝒂𝒉, 𝒇𝒊𝒂𝒓𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒇𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒇𝒂𝒉𝒐𝒓𝒊𝒂𝒏𝒂,𝑲𝒂 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒍𝒂𝒍𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒂𝒍𝒐𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒚." Nahoma 1:7 ✨
Tsy misy fialofana azo antoka kokoa noho Andriamanitra, Ilay Fiarovana Mafy amin’ny andro fahoriana! 🌧️
Eo amin’ny fiainantsika Malagasy andavanandro, maro dia maro ny fotoan-tsarotra iainana :
🔹 Ny ray aman-dreny tsy mahalala hoe aiza no hahazoan-kanina ho an’ny ankizy rahampitso…
🔹 Ny tanora tsy mahita asa, manahy ny amin'ny ho avy…
🔹 Ny marary tsy manam-bola hitsaboana tena, ary ny fianakaviana miady amin’ny fiainana isan’andro...
Ao anatin’izany rehetra izany dia toa mifofofofo toy ny tafio-drivotra ny fiainana.
Kanefa ao anatin’io korontana io, mbola tsara hatrany Andriamanitra. 💛
Toy ilay zaza mialoka amin’ny hazo lehibe rehefa avy ny orana, ny olona mialoka amin’Andriamanitra dia tsy ho levon’ny tafio-drivotra. 🌳☔
Ny orana mety handena, ny rivotra mety hanakorontana, fa ny fiarovana avy amin’ny Tompo tsy ho rava mandrakizay.
✨Jehovah mahalala izay mialoka Aminy.
Mahafantatra ny alahelonao, ny fahanginanao, ny ranomaso tsy nambaranao tamin’olona Izy. Tsy hadinony ianao, ary fantany amin’ny anaranao ianao. ❤️
Raha very fanantenana ianao ankehitriny, tadidio fa tsy amin’ny herinao no hiatrehanao izany, fa amin’ny herin’Ilay Mpiaro tia anao.
Ny olona sasany mety hiala aminao rehefa tonga ny fahasarotana, fa Izy tsy mandao anao mihitsy.
Izay mifikitra Aminy dia ho tafita mandrakariva, na dia mandalo amin’ny afo midedadeda aza. 🔥
👉 Raha miatrika rivotra mahery ianao — amin’ny tokantrano, amin’ny asa, amin’ny aretina, amin’ny fiainana — mialofa Aminy.
Avelao Izy ho fiarovanao, ho herinao, ho hery manosika anao hampitsangana anao indray isan’andro. 🌅
’nyTadio ’nyTompo