08/01/2026
🦠 MPOX (Nendran-drajako)
Ny Mpox dia aretina vokatry ny "MPXV na Monkeypox virus" izay mety hifindra amin’ny olona iray mankany amin’ny hafa.
🔬 Fomba fifindrana :
• Fifandraisana akaiky amin’ny olona marary
• Fikasihana mivantana ny hoditra na ny fery
• Fifandraisana amin’ny ranon’ny vatana
• Fampiasana lamba, akanjo, servieta na fitaovana efa nampiasain’ny olona marary
🤒 Soritr’aretina mahazatra :
• Fiakaran'ny maripana
• Aretin-doha
• Havizanana
• Fivontosana na ganglions
• Fery na pentina amin’ny hoditra
✅Noho izany, arovy ny tenanao :
• Manasa tanana amin’ny savony na mampiasa gel hydro-alcoolique
• Manao arovava-orona
• Tsy mizara lamba, akanjo, na kojakoja manokana
• Manatona toeram-pitsaboana raha misy ahiahy
𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙨𝙤𝙧𝙤𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙤 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙫𝙤𝙖𝙡𝙤𝙝𝙖𝙣𝙮