Centre Médical Fihavanana

Centre Médical Fihavanana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Centre Médical Fihavanana, Medical and health, Namontana, Antananarivo.

30/04/26   Nahazo bandikely ndray 😀 tongasoa dia tongava taiza NAROVANIAVO  💙🤩Miarahaba n'y RAD 🥰 Misaotra an Andriamani...
30/04/2026

30/04/26
Nahazo bandikely ndray 😀 tongasoa dia tongava taiza NAROVANIAVO 💙🤩
Miarahaba n'y RAD 🥰
Misaotra an Andriamanitra foana 🙏🙏🙏
Misaotra ny ekipa mahafinaritra ❤️❤️❤️



☎️0381455366 / 0339588889

Izahay eto amin'ny Centre Médical Fihavanana ihany koa dia manana ireto tolotra manaraka ireto : 🟢 Consultation pré nata...
10/04/2026

Izahay eto amin'ny Centre Médical Fihavanana ihany koa dia manana ireto tolotra manaraka ireto :

🟢 Consultation pré natale ( CPN ) na mampisafo, ho fanarahamaso ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza
🟢 Échographie obstetricale fitarafana ny zaza ao ambohoka
🟢 Accouchement na fampiterahana 24h/24
🟢 Misy gynécologue obstétricien afaka manao suivi ihany koa raha toa ka ilaina izany
🟢 Planning familial ( PF ) na Fandrindrampiterahana

Raha mila fanazavana fanampiny na haka rendez-vous dia antsoy ny
☎️0381455366 / 0339588889

🩺
Anelanelany CSB2 sy Pharmacie Namontana

CONSULTATION SPÉCIALISÉE EN           GYNÉCOLOGIE OBSTÉTRIQUE 🌸 Izahay eto amin'ny Centre Médical Fihavanana dia mampaha...
31/03/2026

CONSULTATION SPÉCIALISÉE EN GYNÉCOLOGIE OBSTÉTRIQUE

🌸 Izahay eto amin'ny Centre Médical Fihavanana dia mampahafantatra antsika fa ny consultation spécialisée mahakasika ny vehivavy sy ny vehivavy bevohoka (Gynécologie et obstétrique) dia sur rendez-vous irery ihany ary hatao isaky ny Talata tolakandro.
Raha haka rendez-vous na mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso na mandefa hafatra miafina 😊

🌸 Chères patientes,
Nous vous informons que les consultations spécialisées en gynécologie obstétrique au Centre Médical Fihavanana se font uniquement sur rendez-vous et se tiendront désormais chaque mardi après midi.
Pour prendre rendez-vous ou pour d'autres informations supplémentaires, veuillez contacter
☎️ 0381455366

🏥

🩺

🚫Marary lamosina ve ianao?❌️Aza atao tsinontsinona ny fanaintainan’ny lamosina. 🔴Mety vokatry ny:• Fipetrahana na fijoro...
26/03/2026

🚫Marary lamosina ve ianao?

❌️Aza atao tsinontsinona ny fanaintainan’ny lamosina.
🔴Mety vokatry ny:
• Fipetrahana na fijoroana ela loatra
• Fisintonana (fibatana)entana mavesatra
• Fipetraka na fandriana tsy mety
• Adin-tsaina na havizanana

➡️Torohevitra kely:
✅️ Mialà sasatra kely
✅️Ataovy mahitsy ny lamosina rehefa mipetraka
✅️ Aza mitondra entana mavesatra be
✅️Manaova fanazaran-tena malefaka

❌️Raha maharitra na miverimberina matetika ny fanaintainana dia tsara ny manatona mpitsabo.

Azonao atao koa ny manatona aty aminy centre raha mila fanampiana.

Tandremo ny fahasalamana, satria ny vatana no antoky ny asa sy ny fiainana 😊❤️



🩺
☎️0381455366 / 0339588889

Faly miarahaba antsika rehetra. Ny pertes vaginales indray no ho resahina amintsika anio.PERTES VAGINALES na koa LEUCORR...
05/03/2026

Faly miarahaba antsika rehetra. Ny pertes vaginales indray no ho resahina amintsika anio.

PERTES VAGINALES na koa LEUCORRHÉES

🟢 Pertes normales na leucorrhées physiologique : izany hoe normales, tsy misy atahorana, tsy mila fanafody
🔸Miloko fotsy na transparent ( toy ny tapotsin'atody )
🔸Tsy misy fofona ratsy.
🔸Tsy mangidihidy

🟢 Leucorrhées pathologiques : izany hoe tsy normales ary mila manantona dokotera
🔸 Mihabetsaka sady mitambaingambaingana
🔸Miova loko ho mavo, maitso, na volon-davenona
🔸Misy fofona ratsy
🔸Misy soritr'aretina hafa miaraka amin'ilay perte : mangidihidy, mamaivay, marary rehefa manao firaisana
🔸Misy soritr’aretina amin'ny partenaire

🟢 Tsara ho fantatra:
🔸Tsy voatery ho azo avy amin'ny firaisana ara-nofo ny Leucorrhées
🔸Rehefa misasa dia ny ivelany ihany no sasana amin'ny rano madio sy azo antoka tsara, tsy misikotsikotra ary tsy mampiasa savony manitra
🔸Rehefa avy mipipi na avy misasa dia mila mifafa tsara amin'ny lamba madio na papier toilettes avy aloha mankany aoriana ❗
🔸Tsy manao akanjo tery loatra ( ohatra pantalon jean )
🔸Slip en coton no tsara anaovana❗

Mirary soa ho antsika rehetra.


/7_24h/24
☎️0381455366 / 0339588889

DESOBSTRUCTION RHINOPHARYNGÉE na FANADIOVANA ORONA ho an'ny zazakelyTorohevitra mahasoa amin'izao période-na GRIPPE sy B...
27/02/2026

DESOBSTRUCTION RHINOPHARYNGÉE na FANADIOVANA ORONA ho an'ny zazakely
Torohevitra mahasoa amin'izao période-na GRIPPE sy BRONCHIOLITE izao indray no ho zaraina amintsika.

🟢 REHEFA INONA NO MANAO DRP? : Atao izy io rehefa jenjin'ny sery ny zaza na koa tsy mbola mahay manintsindelo.

🟢 FITAOVANA ilaina (jifaina eny amin'ny farmasia) :
🔸SSI na Sérum Salée Isotonique 500ml
🔸Seringue
🔸Fatran'ny SSI ilaina: zaza latsaky ny iray volana (3mL), zaza latsaky ny 06 volana (5mL), 06 volana hatramin'ny 02 taona (5-10mL), ary zaza maherin'ny 02 taona (10mL)

🟢 FOMBA FANAOVANA AZY :
🔸 Misintona SSI amin'ny seringue ( esorina ny fanjaitra rehefa azo ny sérum❗)
🔸 Apatoriana mihorirana ny zaza raha latsaky ny 06 volana. Potserina mafy❗ ao anatin'ny orona ambony ny seringue. Miraraka avy amin'ny orona ambany ny lelo sy ny SSI avy eo
🔸 Raha efa lehibebe kosa ny zaza dia afaka atao mipetraka na mitsangana.
🔸 Ampifandimbiasina ny lavakorona roa mandrapadio azy tsara ( tsy misy lelo be mivoaka intsony )
🔸 Averina matetika❗anatiny iray andro. Indrindra alohan'ny lera fisakafoanana na fanomezana nono.

🟢 FANAMPINY :
❗ Atao maina tsara sy azon'ny masoandro ary azondrivotra ny trano itoerana ( tsy mihibokiboka ).
❗Manasa tanana matetika indrindra alohan'ny hikitiana zaza.
❗Manao aro vava orona raha toa ka voan'ny sery.
❗Tsy entina amin'ny toerana be olona ny zaza ( indra ny fitaterambahoaka )
❗ Alavirina ny zaza ny fofontsigara.

Mirary soa ho antsika rehetra.



☎️0381455366 / 0339588889

Iresaka momba ny fisafoana indray isika androany🥰Inona daholo no jereny rasazy rehefa misafo?Rehefa Tonga misafo ianao d...
25/02/2026

Iresaka momba ny fisafoana indray isika androany🥰

Inona daholo no jereny rasazy rehefa misafo?

Rehefa Tonga misafo ianao dia Manao ny atao hoe "examen de la tête au pieds" rasazy 👉izany hoe jerena manomboka amin'ny loha ka mandrapahatonga any aminy tongotra
=> Toy izao Ary
🌼Mijery ny eo amin'ny maso 👁️ na conjonctive(bien colorée v sa pâle)
🌼Eo amin'ny Vava (langue propre s humide ve sa sec sy irrité :manahoana ny nify misy Carrie dentaire ve ,sa normale)
🌼Eo amin'ny tenda (misy ganglion ve sa normale)
🌼Eo amin'ny nono ( misy nodule ve sa tsisy ,manahoana ny lohanono normale ce sa ombilique ,efa mivoaka ve ny colostrum
🌼Eo amin'ny kibo :💌manahoana ny refiny (hauteur utérine)
💌 Manahoana ny fitempon'ny fon'ny Zaza(bdcf)
💌Manahoana ny fihatsiky ny Zaza(MAF)
💌Manahoana ny fipetraky Zaza ao ankibo
(Mbol siège v sa efa Céphalique....gauche v sa droite)
🌼Eo amin'ny vagin misy perte misy fofona v n'a tsiranoka mandeha
🌼 Eo amin'ny ratsambatana ambany misy fivotosana ve ny tongotra ,misy varice ve
🎀Amin'ny ankapobeny dia ireo no examen ataon'ny rasazy rehefa mampisafo izy🎀
Mirary soa daholo aryy❤️👍

🩺
7j/7. 24h/24.
☎️ 0381455366 / 0339588889

  na échographie Ho an'ny bevohoka Tsy hatahorana Ho an'ny zazakely ao ambohoka n'y fanaovana échographie. Tena ilaina A...
24/02/2026

na échographie Ho an'ny bevohoka
Tsy hatahorana Ho an'ny zazakely ao ambohoka n'y fanaovana échographie. Tena ilaina Ary n'y fanaovana noho ireto Antony ireto :
❤️Hanaraha-maso ny fahaveloman'ny Zaza ao ambohoka
❤️ Fitombon'ny Zaza ao ambohoka
❤️Tsy fahatomombanan'ny Zaza ao am-bohoka
❤️ Fanaraha-maso ny ahitra sy n'y ranondohany (liquide amniotique)
❤️ Ny fananahan'ny Zaza ao ambohoka

➡️ 7j/7 8h _ 17h
☎️0381455366 / 0339588889

31/05/2025
  7j/7.      24h/24   ☎️0381455366
17/05/2025


7j/7. 24h/24


☎️0381455366

💡👨‍⚕️🤰 NY "FER" eo @ vehivavy bevohoka🌸Miteny foana ny mpitsabo hoe: "Mihinàna sakafo misy fer". Nahoana nefa? Inona no ...
11/04/2025

💡👨‍⚕️

🤰 NY "FER" eo @ vehivavy bevohoka

🌸Miteny foana ny mpitsabo hoe: "Mihinàna sakafo misy fer". Nahoana nefa? Inona no mety hitranga raha tsy ampy izany? Ary inona no tokony hohanina?

❓ NAHOANA NO MILA "FER"?

🌸Ny fer dia ilain'ny vatanao sy ny zanakao mba hitomboany tsara.
🌸Mitahiry "reserve" ao amin'ny vatan’ny zazakely mandritra ny ao am-bohoka mba hampiasainy mandritra ny volana vitsivitsy voalohany aorian'ny fahaterahany.

⚠️ IZA NO METY TSY AMPY "FER"?

🌸Mitombo avo roa heny ny filanao fer rehefa bevohoka ianao.
🌸Atahorana kokoa tsy ampy ianao raha:

-Mifady hena (Végétarienne).

-Mitondra kambana (roa na telo).

-Manakaiky loatra ny elanelam-potoana niterahana farany.

🚩 AHOANA ARY NY FAMANTARANA FA TSY AMPY "FER" (ANEMIE):

🌸Hatsatra fotsy no malemilemy sy vizana lava, fanimpanina, marary andoha lava

🌸Tsy te hihinana sakafo.

🌸Mora tezitra sy tsy mahavita raharaha.

🌸Mora tratran'ny aretina.

🌸Mety hisy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny zaza koa izany.

🥗 INONA NO SAKAFO MISY "FER"?

Misy amin'ny sakafo maro ny fer, ohatra:

🥩 Hena & Atody: Omby, ondry, kisoa, akoho, ganagana, atody.

🐟 Trondro: Sardine, trondro madinika.

🫘 Voamaina & Tofu: Tsaramaso (mena, fotsy, mainty), voanemba, pitipoà.

🥜 Voanjo: Amandy, voanjo, voatavo.

🥬 Anana: Anamamy (épinards), ovy misy hodiny.

💡 SOSO-KEVITRA:

🌸Ilaina ny Vitamina C: Mba ho tafiditra tsara ao amin'ny vatana ny fer, mihinàna voasary, kiwi, voaroy, na voatabia miaraka amin'ny sakafo.

🚨⚠️Ialao ny Kafe sy Dite: Aza misotro dite na kafe eo am-pisakafoana fa manakana ny fer tsy hiditra ao amin'ny vatana izany. Miandrasa 1 na 2 ora aorian'ny sakafo vao misotro.

(Dr Ambinintsoa)

Address

Namontana
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre Médical Fihavanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share