Fahasalamana Mahomby

Fahasalamana Mahomby Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fahasalamana Mahomby, Medical and health, Antananarivo.

💥 Heeeyyy!!! 💥Vakivaky ve izy?Sady manelingelina no mahamenatr'olona!Amin'ny izao andro ririnina izao no fotoanan'ny fip...
20/06/2023

💥 Heeeyyy!!! 💥

Vakivaky ve izy?

Sady manelingelina no mahamenatr'olona!

Amin'ny izao andro ririnina izao no fotoanan'ny fipasapasahana rehetra noho ny tsy fahazakana hatsiaka.

Midira MP avy hatrany fa misy tolotra manokana ho anao hatr@30 Juin ho avy izao.

13/06/2023

Hey! Aza adino fa faha-18n'ny volana Jona ho avy izao ny fetin'ny ray an!!!

Toy ny reny ihany, dia manan-danja lehibe koa ny ray ka mendrika ny ho tolorana izay sahaza sy mendrika azy.

Ato aminay manokana, maro ny tolotra azo omena azy, ohatra :
👴 io lohany efa manomboka mangirangirana ❇ sy malamalama io, mbola afaka ny hiverina hisy volony 💆 tsara indray

Karakarao i dada mba tsy hisy hanararotra toy ny hitantsika

J-5 sisa❗❗❗
🇲🇴🇮🇳🇸 7,77% be izao avokoa ny vidin'ny vokatra ato aminay ho an'izay rehetra manisy 👍 ny page ... sy mi-inviter namana +7 ao anaty commentaires.
Vente flash hatramin'ny Alahady 18 Juin ho avy izao.
Alefaaaa!!!

"Vatana salama? Antoky ny fahombiazana ✊"

Eeeehhhh❗❗❗Mialà amin'ny fahazaran-dratsy❗Miovà amin'ny fanavaozana ny saina❗ (Rom 12:2)Aza mamaky akory raha mbola misa...
02/06/2023

Eeeehhhh❗❗❗
Mialà amin'ny fahazaran-dratsy❗

Miovà amin'ny fanavaozana ny saina❗ (Rom 12:2)

Aza mamaky akory raha mbola misalasala!

Sahiran-tsaina ve ianao mitady FANOMEZANA HO AN'I NENE❓

Rehefa fetin'ny reny tahaka izao, matetika ny olona sodokan'ny zavatra mandalo : sakafo, rendrarendra sy aingitraingitra ary fitaovana maro isan-karazany, ...

Firifiry amin'ireny anefa no nariana fotsiny anaty zôrdira?
Firifiry amin'ireny no efa lasa anaty fako?
Firifiry amin'ireny no efa simba?
Firifiry amin'ireny no tsy nampiasaina akory?
Firifiry amin'ireny no mipetra-potsiny?

Tsy ratsy akory ireny fa MISY TSARA LAVITRA KOKOA
Ka hoy aho aminao anio hoe :
"NY MAHASOA ALOHA VAO NY MAHAFINARITRA"

Tinao hateza ve ny reninao❓
Tinao mbola ho eo ve izy amin'ny eritaona tahak'izao❓
Tinao ho ela velona ve izy❓
Tinao hirihariha elaela kokoa miaraka aminao sy ny zanakao ve izy❓

Raha ENY ara ny valiny dia izao no lazaiko anao :
TOLORY NY SOA SY NY TSARA INDRINDRA HO AZY I NENY MALALA❗

Raha samy hamoaka am-paosy ihany dia FANOMEZANA MAMOKATRA SY TSY MORA LO tompoko omena azy❗
__________________________________________

J-2 sisa❗❗❗
🇲🇴🇮🇳🇸 7,77% be izao avokoa ny vidin'ny vokatra ato aminay ho an'izay rehetra manisy 👍 ny page ... sy mi-inviter namana tsy latsaky ny 7 ao anaty commentaires.
Vente flash hatramin'ny Alahady 04 Juin ho avy izao.
Alefaaaa!!!

"Vatana salama? Antoky ny fahombiazana ✊"

Tsiaro an'i NenyKapoka mafy tsy zakako indrindra'Lay ali-mangiana nandehanan'i NenyHiazo ny fasana fara-fodianaDia indro...
31/05/2023

Tsiaro an'i Neny

Kapoka mafy tsy zakako indrindra
'Lay ali-mangiana nandehanan'i Neny
Hiazo ny fasana fara-fodiana
Dia indro izy lasa fa tsy mba niteny

Izaho tamin'izay, efa mba faly
Fa,angamba mba ho sitrana ihany ilay reniko izay
Koa inona anefa no tazako avy any !
Izy efa maty no noentina nody taty aminay

Narary ny saiko izay alina izay
Fa tsaroko avokoa ireo sangisangy fanaonay sy Neny alohan'ny hatory
Dia ireo hanatra kely fanaony hatramin'izay
Indrisy! Foana fa tsy hoenoko intsony

Nijohy moramora namonto ny hondako
Ilay oram-panala mpigafy amin'ny alina
Dia tsapa nisaona avokoa ny tontoloko
Fa lavo ilay mahery,mpiharo sy mpanarina

Neny ô! Mivavaka ho anao aho,ka tahio lalandava
Fa ny ho reharehanao no hany mba hiriako
Tsimbiny tsy hisy hisompatra ny fiainanay sy Dada.
Eee !! Mandrihampiadanana ry Neny tena tiako.

Diam-peniko ho an'i Neny

Ity sary ity dia nalaina tao anaty Hopitaly lehibe iray tany amin'ny faritra antsoina hoe Harbin , faritra avaratra i Ch...
30/05/2023

Ity sary ity dia nalaina tao anaty Hopitaly lehibe iray tany amin'ny faritra antsoina hoe Harbin , faritra avaratra i Chine

Ramatoa iray mararin'ny homamiadana no nitondra gony iray feno vola ary tonga nanantona an'ilay dokotera tao amin'ny hopitaly ary niangavy fatratra raha misy azo atao mba hiazonana ny ainy ary nilaza ity ramatoa ity fa vonona izy hanome izany vola izany ho an'ilay dokotera.

Saingy nilaza ilay dokotera fa tsy afaka ny hanao na inona na inona amin'ity marary ity intsony noho ilay aretina izay nahazo an'ity vehivavy ity efa tonga any amin'ilay antsoina hoe "phase finale" na dingana farany amin'ilay aretina.

Tezitra sady kivy, nalahelo mafy ity vehivavy ity noho izany ary tsy hitany intsony izay hataony amin'ireto volany ka dia nararany teny amin'ny lalan-tsara nanerana ny tao amin'ny hopitaly ilay vola maro be sady lasa izy nivoaka.

Sady nihiakiaka mafy be izy no nitabataba nampiaka-peo teo ampandrarahana ireto vola no niantsoantso hoe " Inona no ampiasana ny vola😭" , " inona no azo ilana ny vola? atao inona? ampiasaina hazahoana inona? ilaina amin'inona é?😭" ," Hay ny vola tsy mahavidy fahasalamana, ny vola kay tsy afaka hividianana fotoana, ny vola kay tsy mahavidy fiainana👌!!" hoy hatrany ity ramatoa nitabataba.

Ry namako, fohy ny fotoana, mandalo ny zavatra rehetra, miserana dia mety ho vetivety dia tsy ho hita. Aza adinoina fa ny fotoana sy ny aina no amboniny vola ary ny vatana tomady sy salama no voalohankarena manampy antsika hitady vola, fa ny vola tsy mahavidy aina sy fotoana.

Tadiavo ny vola, fa manampy antsika hamita adidy sy andraikitra maro ny fisiany, ny fananana azy betsaka dia mamaha olana maro sy mahavita zavatra be fa amin'ny fotoana anakiray tsarovy fa tsy mahavoavidy aina ny vola fa ilay Mpahary irery ihany no tompon'ny aina.

"Vatana salama? Antoky ny fahombiazana ✊"

Tandremo!!!Ataovy izay mety fa tonga ny fety!Lahy tokana ny aina ka safidio tsara ny sakafo izay atsofoka ao am-bavaMian...
29/05/2023

Tandremo!!!

Ataovy izay mety fa tonga ny fety!

Lahy tokana ny aina ka safidio tsara ny sakafo izay atsofoka ao am-bava

Miankina amin'ny karazan-tsakafo ampidirinao ao am-bava no mety hidiranao hôpitaly

Miankina amin'ny sakafo hoaninao no mety hihinanao fanafody mandrapaha-faty

Miankina amin'ny sakafo hoaninao no mety hi-accélérer ny fahafatesanao

Koa mitandrema!
Averiko ihany, mitandrema!

Mbola mila anao ny ray aman-dreninao,
Mbola mila anao ny vadinao,
Mbola mila anao ny zanakao,
Mbola mila anao ny havanao,
Mbola mila anao ny manodidina anao,

Ehhh! Mbola mila anao ny firenena!

in-1 mandeh ihany anie no velona e!
Koa karakarao tsara ny tenanao.

Ho Lundi de Pentecôte heren-doza anie ity androany ity!

"Vatana salama? Antoky ny fahombiazana ✊"

😱 Havandra hoe eee ???Havandra tonga tsy nampilaza,Izay nilatsahany samy nibabababa, na efa lehibe io na mbola zazaNikol...
27/05/2023

😱 Havandra hoe eee ???

Havandra tonga tsy nampilaza,
Izay nilatsahany samy nibabababa, na efa lehibe io na mbola zaza

Nikolay avokoa izay voany,
Izay sendrany rehetra tonga dia nopoany

Tonga tsy nantsoina,
Tonga tsy nampandre,

Fa nisoko mangina toa tsy re,
Mitefoka tsikelikely toy ny glace kely bedebe

__________________________________________

Firifiry tamintsika moa no nanampoa hoe hisy orana tahaka ireny t@ti ririiiin ti ?
Vitsy tena vitsy no nihomana nitondra elo na raglant natao fiarovana
Satria nahoana?
👉 satria ny ankamaroan'ny olona dia mihevitra fa efa ao anatin'ny vanim-potoanan'ny hatsiaka isika izao ka tsy hisy oram-be tahaka ny tamin'ny vanim-potoanan'ny fahavaratra intsony amin'izao

Toy izany ihany koa tompoko ny aretina,
Tsy mampilaza izany izy hoe hanisy anao,
Fa rehefa manomboka dominy amin'izay ianao vao mikoropaka,
Mipopopo etsy sy eroa mitady vahaolana,

Mila miambina foana isika tompoko oh!!!
Na inona na manao ahoana

😯 Diniho kely anie ireny tranom-barotra lehibe/magazay, banky, toeram-piasana sy institutions maro samihafa ireny e!!!
Tsy miandry mpandroba tafiditra ao ny tompony izay vao maka mpiambina fa vao manomboka manorina ny fototry ny trano dia efa manisy sécurité.

Toy izany ihany koa ity vatantsika ity,
Mila arovana amin'ny ratsy izy,
Mila toherina ny fahavalony rehetra,
Mila manana mpiaro/garde de corps matanjanka be izy mba tsy androdanan'ny aretina azy,
Mila mafy tsara ny anticorps ananany

__________________________________________

Toy izao hita amin'ny sary izao ny habehan'ny havandra sy ny "dégat" navelany t@fandalovany tao anatin'ny ora vitsy monja.

Alefaso ao anaty commentaires ihany koa hoe ny zava-nisy tany aminareo tany iaraha-mijery! 😃

TSY NAMPOIZIKO!!! (Fizarana tapany faha-2 sady farany)Tsy niandry ela akory izy fa vantany vao avy tao dia nitety Pharma...
11/11/2022

TSY NAMPOIZIKO!!! (Fizarana tapany faha-2 sady farany)

Tsy niandry ela akory izy fa vantany vao avy tao dia nitety Pharmacie eraky ny tanàna hitadiavana an'izay savony vita izay, saingy indrisy!
Fotoana very maina fotsiny ny azy fa tsy nety nahita.

Ny alin'iny, raha izy ni-connecte iny dia nikaroka savony vita tato .
Ka tato indrindra no nahitany ny🚿 ALOE AVOCADO Face & Body Soap🚿 izay efa maro tokoa no nijoro vavolombelona fa tena mahasoa ny oditra ny fampiasana azy ka naharisika azy nanao commande.

Vao herinandro monja no nampiasany azy dia tsapany fa niha-mandina sy malefaka ny hodiny, na ny mpiara-miasa aminy ary nitolagaga avokoa fa lasa niha-tanora vetivety teo i Vero.
Nanomboka teo, isaky ny mandalo izy dia talanjona avokoa ny iray fiasana mijery azy satria mamerovero aoka izany ny fofony. Tena ohatran'ireny hoe STAR ireny mihitsy ny fahitan'ny olona azy ka rehefa sendra tafaresaka aminy iny ny vehivavy mpiara-miasa aminy rehefa "pause" sy misakafo atoandro dia manararaotra manontany azy ny parfum ampiasainy foana ry zareo.
Dia hoy izy ireo : atoroko anareo ny "SECRET", ny 🚿 ALOE AVOCADO Face & Body Soap🚿 no nampiova anah toy izao

Fa ny tena tsy nampoiziny dia ity : indray andro, rehefa tonga avy nanao mission iny Ingahy DG dia niantso an'i Vero tao .
Vao niditra i Vero dia nitanaka vava ingah rainy.
Fa misy inona hoy i Vero?
DG : Aaa, tsy misy na inona na inona fa variana fotsiny ah mahita ny fiovanao
Vero : aza manao izay mahamenatra re Mr le DG a!
DG : Tena marina e! Hatr'izay tsy naha-teo ahy nandritry ny herinandro izay dia tsapako nisy fihovana be mihitsy taminao...
Vero : Mba manao izay mety re Mr le DG a!
DG : Tiako mbola hijanona elaela ato ianao nefa mbola betsaka ny asa miandry ahy.
Antsoiko eo ihany ianao rehefa malalaka iny aho.
Vero : Eny ary Mr le DG, izaho koa mbola maika hamonjy ny asako fa mazotoa ianao tompoko

⏳ Volana vitsivitsy tatý aoriana...

😍 Lasa "Directeur Qualité Hygiène Santé & Sécurité (QHSE)" i Vero
😍 Ny ankamaroan'ny mpiara-miasa amin'i Vero rehetra lasa nampiasa
🚿 ALOE AVOCADO Face & Body Soap🚿avokoa ny ankaroany noho ny voka-tsoa entiny, ka anisany nampisondrotra vetivety an'i Vero t@asany.
😅 Ny niafarany dia tsy fantatra intsony hoe iza no iza tao am-piasana satria izay iray nandalo toa babany avokoa.
Lasa nitovitovy fofona avokoa ny iray fiasana rehetra ka lasa manimanitra mahatamana ny ao .

Dia izay sy izay ny momban'i Vero sy ny savoniny.

Ianao koa, mampiasà savony fa sady ho mandimandina erý ny oditrao no mbola mety hahatsara ny fifandraisanao , ny asanao sy ny fidiram-bolanao ihany koa ny fampiasana azy.

!

TSY NAMPOIZIKO!!!Tao aminà toeram-piasana lehibe iray eto an-drenivohitra no niseho ny tantara, Tovovavy mbola tanora di...
10/11/2022

TSY NAMPOIZIKO!!!

Tao aminà toeram-piasana lehibe iray eto an-drenivohitra no niseho ny tantara,

Tovovavy mbola tanora dia tanora vao nahavita fianarana i Vero, andro vitsivitsy izay no nahavoaray azy ho lasa secrétaire.

Noho izy mifanerasera matetika 'ny orinasa sy mifandray -manan-kaja maro dia tsy ataony ambanin-javatra mihitsy ny resakà fahadiovana.

Hatramin'izay moa izy dia efa zatra mampiasa savony hita eny an-tsena foana rehefa mandeha misaika alohan'ny handehanana miasa iny. Ankoatra izay dia tsy adinony mihitsy ny mitifitra ranomanitra kely rehefa hivoaka ny trano.

Vao nanomboka nafana anefa ny andro dia nahatsapa izy fa toa hafahafa izany, tsy azoazony loatra ny ainy fa lasa feno mibontsibontsina ny vatany.

Tamin'izay indrindra izy no nanapa-kevitra nanantonany mpitsabo ka nilazan'ity farany azy fa tsy mety aminy ilay savony sy ranomanitra ampiasainy ka voatery manajanona an'ireo izy.
Nanoro azy moa ny dokotera hoe savony vita no tena mety amin'ny oditra.

(Mbola hitohy...)

Miala ny aretina, miala ny tavy, miala ny cholestérol!Miala amin'ny anaran'ny FOREVER!!!Mialaaa!Miala oaaa ann!Aller! Ou...
23/10/2022

Miala ny aretina, miala ny tavy, miala ny cholestérol!
Miala amin'ny anaran'ny FOREVER!!!
Mialaaa!
Miala oaaa ann!
Aller! Ousssttt!
Rtssskkksss!

Salama_fô!!!

22/10/2022

RESAK'ELIKA : tantara indray miseho

📣 Indray andro, nisy lehilahy iray sendra nipetrapetraka teo 'Antaninarenina.
Tampoka teo, tovovavy iray tsy d ratsy, nanao akanjo maivana bory tanana izay reraka dia reraka no sady tsemboka be avy niakatra ny totohobato no tonga naka toerana teo akaikiny.

Ny andro mo atoandro t@izay, nafana aoka izany satria nidanika be ny masoandro 🏜.
⏰Segôndra vitsy taorian'izay, nitoditodika ra-lehilahy.

Tonga ho azy tao an-tsainy ilay hira 🎤 malaza iray manao hoe : "Misy fofona🙊hafahafa izany, tsy lavitra fa eto akaikiko ihany...". Nanontany tena izy hoe fatim-boalavo 🐀 ve? Sa fako 🚮 masiso?
Teo izy vao taitra fa hay ny fofon-kelik'ilay sipa teo akaikiny no nidofaka be ka tsy zakany. Tsy ariny intsony ka dia nokitihany ilay tovovavy ary namoaka zavatra fotsifotsy lavalava avy any anaty kitapony le bandy.

👦 : mampanahelo anakay enao rý Manjatiana fa ity misy STICK DÉODORANT, osory fa tonga d mmmmhhh...
Tsy nisalasala akory ra-sipa nandray ny entana no sady hoy izy mantsy an'ilay bandy ...

👧 : elah ko d lesy d misahirana kaaaa..."
(Tsy fantany anefa fa ambinà déodorant efa nampiasain'ilay bandy no nomeny azy.)
Avy teo d nifampi-ajouter t@Facebook izy roa kely, d hoy ilay bandy taminy hoe ...

👦 : teneno amiko hoe nanao ahoana ny vokany rehefa avy mampiasa an'ilay STICK DÉODORANT ndri an!!!

👧 : Eny lesy bôgôsy a!
➡ ao alefako ao ao ny sariko manosotra azy

Ianao koa, mampiasà STICK DÉODORANT fa ho afa-po tanteraka ka tsy ho menatr'olona intsony andro mafana izao ☉

Salama Fô!

Address

Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Telephone

+261347211819

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fahasalamana Mahomby posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram