28/01/2026
CURCUMIEL Efa misy vonona ato
Curcuma sy tantely : antibiotika mahery vaika indrindra izay na dia ny dokotera aza tsy mbola afaka manazava tsara 🗣️🫀
Be loatra ny antibiotika ampiasaintsika amin'izao fa ity tantely sy curcuma ity kosa tena mahasoa sy mahatsara amin'ny lafiny maro.
👉🏼 Ny tantely : ☞araka ny fikarohana iray navoaka tao amin’ny Journal "Européen de Microbiologie Clinique et des Maladies Infectieuses", dia hita fa mahavono bakteria sy otrikaretina rehetra notsapaina taminy ny tantely. Hitan’ny mpikaroka fa azo ampiasaina amin’ny hoditra izy ary azo sotroina koa.
☞Araka ny nambaran’ny Dr Dee Carter :
“Ny fikarohanay no voalohany mampiseho mazava fa ireo vokatra mifototra amin’ny tantely ireo dia afaka manolo ny crème antibiotika amin’ny ratra sy amin’ny fitaovana ara-pitsaboana toy ny "cathéters" amin’ny toe-javatra maro. Ny fampiasana tantely ho fitsaboana dia afaka manalava ihany koa ny faharetan’ny antibiotika.”
👉🏼 Ny curcuma : ny akora manan-danja indrindra ao aminy dia antsoina hoe curcuminoïdes, ary izy dia manana toetra mahery vaika: manasitrana ratra, miady amin’ny oksidasiona, manohitra ny fivontosana, antiseptika, antibakteria ary antifongika.
⭐ Ny fitambaran’ny tantely sy curcuma dia heverina ho antibiotika voajanahary mahery indrindra azo ampiasaina. Antsoina koa hoe “tantely volamena” (miel d’or) izy io ary efa nampiasaina tao amin’ny fitsaboana ayurvédique nandritra ny arivo taona maro. Tato ho ato dia nitombo be ny fampiasana azy tao amin’ny fitsaboana sy ny sakafo any amin’ny tandrefana.
☝🏼Araka ny BeneficesOfHoney, ity fitambarana ity dia:
“fanafody voajanahary tena sarobidy ho an’ny aretina sy olana ara-pahasalamana maro ✨ toy ny tsy fahandevonan-kanina, sery, gripa, asma, tosidrà ambony, siramamy be ao anaty ra, aretin’ny tonon-taolana, diabeta, aretim-po, fahaketrahana sy tebiteby, fivontosana, ratra sy may, eczéma, psoriasis sy akné, ary fahanterana (miaro ny aty sy ny voa).”
Ankoatra izany, TurmericForHealth dia manampy hoe:
“Nasehon’ny fikarohana iray fa fanafody ayurvédique misy curcuma sy tantely ho akora fototra dia mampitombo sy manatsara ny fiasan’ny sela fiarovana (cellules immunitaires), ka afaka manamafy ny hery fiarovan’ny vatana amin’ny aretina.”
“Ny fampifangaroana curcuma sy tantely dia mampitombo ny heriny amin’ny ady amin’ny mikraoba. Rehefa miaraka izy ireo dia afaka miady amin’ny karazana bakteria sy holatra maro izay miteraka aretina amin’ny olombelona.”
Ary koa:
“Ny curcuma miaraka amin’ny tantely dia afaka manatsara ny hamandoana sy ny fahalefahan’ny hoditra ary manampy amin’ny fahasalaman’ny hoditra. Izy ireo koa dia ilaina amin’ny fitsaboana ny mucite buccale, izay voka-dratsin’ny fitsaboana homamiadana.”
💁🏼♀️Fomba fanamboarana azy ary :
Akora ilaina :
↝Curcuma voatoto 1 sotrokely
↝Tantely manta ¼ kaopy kafe
🌀 Fomba fanaovana : Afangaro tsara ireo akora rehetra, afangaro tsara ary saromana. Tehirizo amin’ny mari-pana mahazatra ary afangaro indray alohan’ny hampiasana azy. Raha hiady amin’ny gripa na sery, dia mihinàna antsasaky ny sotrokely imbetsaka isan’andro.
Mirary fahasalamana ho an'izay marary o ❣️
Artsoa Beauté Santé & Mode