29/11/2025
💜 𝗜𝘇𝗮 𝗸𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗯𝗼𝗹𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗻𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗱𝗲́𝗽𝗶𝘀𝘁𝗮𝗴𝗲 ? 😊
Efa hainareo moa hoe ny 𝗵𝗼𝗺𝗮𝗺𝗶𝗮𝗱𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘃𝗼𝘇𝗼𝗻-𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼𝗻𝗷𝗮𝘇𝗮(cancer du col de l’utérus)no isany mahafaty betsaka ndrindra ny vehivavy? 😢
👉 Ny 𝗱𝗲́𝗽𝗶𝘀𝘁𝗮𝗴𝗲 ihany anefa no fomba ahafantarana na salama tsara ianao,na misy aretina ahiana,na efa mila fitsaboana sahady!
🎯 𝗡𝗮𝗵𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗱𝗲́𝗽𝗶𝘀𝘁𝗮𝗴𝗲 ?
• Satria miadana ny fitomboan’ny lésion pré-cancéreuse, ary matetika tsy misy soritr’aretina amin’ny voalohany.
• Manampy amin’ny fisorohana sy fahitana mialoha ny aretin’ny taovam-pananahana.
• Tsy maharitra ela ny fitiliana, tsy marary, ary confidentiel tanteraka ho anao sy ny mpitsabo no mahafantatra ny valiny.
👩⚕️ 𝗜𝘇𝗮 𝗻𝗼 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗱𝗲́𝗽𝗶𝘀𝘁𝗮𝗴𝗲 ?
Vehivavy rehetra 25–65 taona, indrindra ireo efa nanao firaisana ara-nofo.
✅ Raha misy valiny manokana dia misy fitsaboana sahaza ho anao, ka tsy misy tokony hatahorana!
📞 Dia ahoana?Vonona hanao dépistage amin’izay ?
Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso avy hatrany na mandefa message ato amin page 😊 :
📱 032 69 875 40
📱 034 77 490 25
💬 Aza miandry soritr’aretina vao mihetsika, miarova tena dieny izao sahady! 💪💜
Zarao mba ahasoa ny hafa ❤️😇