26/02/2026
Miarahaba antsika rehetra 👋!
✅️ Tsikaritra tato ho ato fa mitombo isan'andro isika mpanaraka ny pejy ofisialin'ny Fampiroboroboana ny fahasalamana eto anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. ‼️Mankasitraka tompoko 🙏🙏🙏 ‼️
👉 Indro zaraina amintsika ary, ireo ATAO AMIN’NY HATRAMIN’NY sy ireo fiarovana azo avy aminy.
✅️ Vao teraka hatramin'ny 14 andró : VPOO
Miaro amin'ny Lefakozatra na "Polio"
✅️ Vao teraka hatramin'ny 11 volana: BCG
Miaro amin'ny Raboka na "Tuberculose"
✅️ 1 volana sy tapany na 6 herinandro: DTCHepBHibl PCV-101 VPO 1 Rota 1
Miaro amin'ny Difteria, Tetanosy, Kohadavareny, Aretinaty B, Meninzita, Pnemonia. Aretin-tsofina Lefakozatra, Fivalanana
✅️ 2 volana sy tapany na 10 herinandro: DTCHepBHib2 PCV-10 2 VPO 2 Rota 2
Difteria, Tetanosy, Kohadavareny, Aretinaty B. Meninzita, Pnemonia. Aretin-tsofina Lefakozatra, Fivalanana
✅️ 3 volana sy tapany na 14 herinandro: DTCHepBHib3 PCV-10 3 VPO 3 VPI1
Difteria, Tetanosy, Kohadavareny, Aretinaty B. Meninzita, Pnemonia. Aretin-tsofina Lefakozatra
✅️ 9 volana: VP12 VAR 1
Miaro amin’ny Lefakozatra, kitrotro
✅️ 15-18 volana: VAR2
Miaro amin'ny Kitrotro.
‼️ ALEO MISOROKA TOY IZAY MITSABO...‼️
✅️ 'NDAO HANAO VAKSINY NY ZANATSIKA
eny anivon'ny !
" Voaaro amin'ny aretina maro ny Zaza vita Malagasy "
---------------
---------------
Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
Direction de la Promotion de la Santé
Direction de la Santé Familiale
Direction du programme Elargi de Vaccination Msanp - Madagascar