La Page de Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste

La Page de Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste L’esthétique et la fonction sont aussi toutes importantes l’une que l’autre 🦷

𝐀𝐏𝐏𝐀𝐑𝐄𝐈𝐋 𝐎𝐑𝐓𝐇𝐎𝐃𝐎𝐍𝐓𝐈𝐐𝐔𝐄 ( 𝐚𝐩𝐩𝐚𝐫𝐞𝐢𝐥 𝐝𝐞𝐧𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 )Maro samihafa ny fomba sy dingana arahana hanitsiana ny nify fa hiompana kok...
27/11/2025

𝐀𝐏𝐏𝐀𝐑𝐄𝐈𝐋 𝐎𝐑𝐓𝐇𝐎𝐃𝐎𝐍𝐓𝐈𝐐𝐔𝐄 ( 𝐚𝐩𝐩𝐚𝐫𝐞𝐢𝐥 𝐝𝐞𝐧𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 )

Maro samihafa ny fomba sy dingana arahana hanitsiana ny nify fa hiompana kokoa amin‘ilay „appareil dentaire“ fantatsika amin‘ny akapobeny ity fizaràna ity dia ilay „appareil fixé“ izany, ilay tonga ao an-tsainao io mihintsy vao miresaka hoe „appareil dentaire“, ilay toa ny amin‘ny sary eo ambany.

🎤𝐅𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐢𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐚𝐳𝐲 ?
Ny tanjona dia hanintsiana ny nify ary hifanaraka tsara ny ambony sy ambany, havia sy havanana ( harmonie )
Tsy haingo ho an‘ny nify akory

🎤𝐑𝐞𝐡𝐞𝐟𝐚 𝐢𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐭𝐨𝐤𝐨𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐚𝐳𝐲 ?
Rehefa mahatsapa ianao fa mila manintsy ny nifinao, manantòna ny mpitsabo nify raha misy hetaheta anefa tsy azonao antoka hoe azo tanterahana ve na tsia, ilaina na tsia ny ikitihana ilay nify. Afaka manantona ny mpitsabo nify mahazatra anao fotsiny aloha ianao dia izy no manendry ny „spécialiste“ raha tsy manao izy. Io avy eo no manao ny „étude“ ny „cas“ anao ary manome anao ny toromarika rehetra, manazava anao ny tohiny rehetra.

🎤𝐅𝐢𝐫𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐭𝐨𝐤𝐨𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐚𝐳𝐲 ?
Misy dingana maro makany amin‘ny fanintsiana ny nify ary ny taona dia singa iray lehibe manova ny „prise en charge“, izany indrindra no maha zava-dehibe ny fanaraha-maso akaiky ny fahasalaman‘ny ativava any amin‘ny mpitsabo nify ary manomboka any amin‘ny fahakelezana, arahana ny fitombon‘ny „mâchoires“, ny fitsirin‘ny nify sns, satria dia misy ny fisorohana sy fanintsiana azo atao dieny mbola kely vao mitsiry ny nify ka tsy tonga anaty fahasarotana. Afaka manao azy avokoa ny olona amin’ny taona rehetra fa misy kosa ny salan-taona idealy ka hoy ny teny vahiny hoe : „ le plus tôt sera le mieux“.

🎤𝐌𝐚𝐫𝐚𝐫𝐲 𝐯𝐞 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 « 𝐚𝐩𝐩𝐚𝐫𝐞𝐢𝐥 𝐝𝐞𝐧𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 » ?
Raha tsy mihetsika na mikisaka ny nify tsy hahintsy. Misy „pression“ aterak‘ilay „appareil“ mba ahatonga izany fihetsehana izany, izy io dia voarefy sy voalanjalanjan‘ny mana-pahaizana amin‘izany ary iny ilay mahatonga ny fiverimberenana makany amin‘ny mpitsabo manao azy anaty fotoana voafaritra mazava, zava-dehibe izany io fotoana io ka tsy tokony adinoina na atao ambanin-javatra. Ny hoe marary sa tsia dia miankina amin‘ny fahazakan‘ny tsirairay ny fanaintainana fa amin‘ny ankapobeny dia ny 2-3 andro voalohany ipetahany na aorian‘ny „activation“ ( ilay atao mandritry ny rendez-vous miverimberina iny ) no ambony indrindra izany fanaintainana izany ary mihena tsikelikely. Mety misy ihany koa ny „inflammation“ ny hihy ao anatin‘izany fihetsehan‘ny nify izany, io ihany koa dia mety manaintaina. Efa misy foana ny „mesures“ omen‘ny mpitsabo mahakasika izany. Eo ihany koa ny „sensation“ madilo, somary „sensible“ ilay nify. Atao malemilemy ny sakafo amin‘ny ankapobeny rehefa mitondra „appareil dentaire“.

🎤𝐌𝐢𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐞 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐟𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 « 𝐚𝐩𝐩𝐚𝐫𝐞𝐢𝐥 𝐝𝐞𝐧𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 » ?
Eny misy ny „brosse à dents orthodontique“ natokana manokana ho amin‘izany. Afaka manantona Farmasia isika manontany izany. Eo ihany koa ny „soft ou sensible“ noho ilay hihy nify na ilay nify izay sensible mihintsy. Ao ihany koa anefa ny fampiasana borosy nify tsotra mahazatra fa ny „technique de brossage“ dia miova ary ampianarin‘ny mpitsabo na ny mpanampy azy anao. Ny „brossette interdentaite“ ( toa ny amin’ny sary ) no fanampiny iray tena „important“ satria iny no afahana mitsofoka eny anelanelany rehetra. Ary tsindriana etoana fa aorian’ny sakafo rehetra dia tokony manadio nify foana. Eny sarotra kokoa ary mila fotoana kokoa ny „hygiène dentaire“ ho an‘ny olona mitondra „appareil“. Anaty fahavononana ilaina izany mialoha ny hitondra ny hitondràna „appareil orthodontique“

✅ Fehiny, fitsaboana tena fitsaboana ny „appareil orthodontique na appareil dentaire“ ka tena mila fahavononana sy fihomanana tsara. Mila manantona mpitsabo ary mifampiresaka tsara, manazava ny andrasanao ianao, manao „étude ny mpitsabo“ ary manazava anao ny „possibilités et éventualités“ rehetra. Mety ho tratra 100% ilay tadiavinao, mety ihany koa ny manakaiky fa ny „étude de cas“ anao ihany no mamaritra izany ary ny mpitsabo mahalala ny idealy. „Responsabilité dans les deux sens“ ity fitsaboana iray ity ka tena anisany mitondra anjara biriky anaty „succès“ ny fitsaboana ianao, ny tokony ataonao ? Manaraka an-tsakany sy an-davany ny toromariky ny mpitsabonao ary manaja tsara ny „rendez-vous“ satria „calculé“ ireny ary misy antony, toa izay koa anaty fanadiovana satria sao sanatria nify ahintsy no tanjona anefa olana hafa no azo. Tsy ilay „appareil fixé“ iny ihany no fitsaboana anaty io fanintsiana nify io fa ny mpitsabo dia mahalala ny „cas“ anao sy ny „prise en charge“ mifanaraka amin’izany.

❓Mbola manana fanontaniana ve ianao mahakasika ity lohahevitra ity ? Apetraho ao amin‘ny „commentaire“ fa ho valiana araka izay tratra.

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizaràna am-pitiavana be 🫶🏼💕
( Sary fanehoana )

24/11/2025

Sary miaina fanehoana kely hoe maninona no esorina ny faravazana

( Indrana izy ity ka ialana tsiny ny teny vahiny )

Mirary herinandro feno fahombiazana ho antsika rehetra 💕

13/04/2025

Fantantsika ve fa ny fiborosiana nify alohan’ny hatory no tena tsy tokony atao ambany indrindra amin‘ilay in-3 isanandro ary tena alohan‘ny hatory no hanaovana azy io fa misy miborosy nify avy eo mbola mitsaingotsaingoka indray… 😌

💊💊💊 Fanafody tena mahasitrana ny „ Amoxicilline“ na „Amoxi“ na „Amox“ hoy isika 💊💊💊⚠️ Tsy „guéri tout“ na „150 maladies“...
19/11/2024

💊💊💊 Fanafody tena mahasitrana ny „ Amoxicilline“ na „Amoxi“ na „Amox“ hoy isika 💊💊💊

⚠️ Tsy „guéri tout“ na „150 maladies“ koa anefa izy io, raha azavaina tsotra dia tsy fanafody mahasitrana ny aretina rehetra akory 😌

‼️ Atsaharo ny fihinana azy isak‘izay mahatsiaro re olona fa rehefa sanatria tojo ny aretina tena ilàna azy lasa tsy sitrany intsony hany ka lasa tsy maintsy fanafody maro hafa no asolo azy noho izany :
📌 sady reraka ny voho (reins) amin‘ny fandevonana ireo rehetra ireo (miampy ny fandevonana ny Amox isak‘izay nahatsiaro)
📌 no lany vola ihany koa amin‘ny fitsaboana satria lafo kokoa ny fanafody mahery ho asolo azy no ho maro kokoa ny karazany ilaina

✅ Aleo rehefa omen‘ny mpitsabo ihany vao mihinana azy ary taperina tsara ny fatra voasoratra fa tsy hoe azoazo dia ajanona ny fanafody fa mitovy amin‘ny fihinana azy matetika ihany ny vokatra ho aterany satria tsy afaka hatramin‘ny fakany ny aretina ka mety hiverimberina ny fitsaboana 😊

🎯 Sarobidy ny fahasalamana, aza manao dokotera tena, aza manampoizina ny tenanao na ny manodidina anao 😊
Tahaka ny fatahoranao ny fanafody fampatoriana ihany no tokony atahoranao ny Amoxi satria tena fanafody io ka tsy kilalao akory. Mahatonga hatrany amin‘ny fahafatesana ihany koa ny vokatra ateraky ny fihinana azy tsy ara-dàlana

(Zarao ho hitan‘ny namana sy ny manodidina anao mba hahalalany ka hitandreman‘ny rehetra. Avoty ny hafa, ndao hifanavotra)

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizaràna am-pitiavana be 🫶🏽💕

„ 𝙂𝙚𝙢𝙖 " Mifanohitra amin‘ilay voalaza farany, izany hoe ny nify na ny taolana ambany no mandroso mihoatra ny ambony.📌 A...
31/10/2024

„ 𝙂𝙚𝙢𝙖 "

Mifanohitra amin‘ilay voalaza farany, izany hoe ny nify na ny taolana ambany no mandroso mihoatra ny ambony.

📌 Azo sorohana dieny mialoha ihany koa satria dieny anaty fitomboan‘ny zaza dia afaka hita

📌 Azo tsaboina tsara ihany koa anefa ary ny aloha indrindra no tsotra kokoa

⚠️ Amafisiko fa ilaina ny manara-maso ny fahasalaman‘ny nify sy ati-vava eny amin‘ny mpitsabo ary indrindra manaraka ny fitombon‘ny zaza

‼️ Misy fiantraikany ara-psykolojika hoy aho ny tsy fahatomombanan‘ny nify indrindra ny fanimbany endrika 😌

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizaràna am-pitiavana be 🫶🏽💕

" 𝘽𝘼𝙏𝙍𝙊𝙉𝙄𝙁𝙔"Ialako tsiny raha diso io voambolana ilazako azy io na ny fanoratro fa tsy hitako anaty raki-bolana malagasy...
24/10/2024

" 𝘽𝘼𝙏𝙍𝙊𝙉𝙄𝙁𝙔"

Ialako tsiny raha diso io voambolana ilazako azy io na ny fanoratro fa tsy hitako anaty raki-bolana malagasy fa dia fiantso andavanandro eny amin‘ny fiaraha-monina

Izany hoe fandrosoan‘ny nify ambony mihoatra ny tokony ho izy ( na ny taolana mandrakotra ny vava ) mihoatra ny ambany, eny 2mm ny elanelana normaly ary ny ambony no mandrakotra ny ambany, raha ny ambany no mandroso na 1mm aza dia efa tsy normaly izay, ny mifanintsy ihany koa tsy normaly

Fantaro anefa fa azo tsaboina tsara ireo rehetra ireo saingy tsara kokoa dieny mbola kely. Afaka sorohana ihany koa, izany hoe arahana ny fitombo eny amin‘ny zaza ka izany indrindra no mahazava-dehibe ny fanantonana ny mpitsabo ny nify sy ati-vava ara-dàlana, tsy voatery misy marary fa anarahana ny fahasalamana ary isorohana indrindra raha misy ny tsifahatomombanana

⚠️ Manantòna ny mpitsabo nify sy ativavanao ara-dàlana, raha manana io tranga io ihany koa ianao dia manantona fa misy ny fitsaboana sahaza izany 😊

‼️ Misy fiantraikany lehibe ara-psykolojika ny fahasimban‘ny endrika ateraky ny tsy fahatomombanan‘ny nify ‼️

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizaràna am-pitiavana be 🫶🏽💕

12/10/2024

Zo anao marary feno ny mahafantatra ny fitsaboana atao aminao sy mahazo fanazavana mahakasika izany. Tsy ianao kosa anefa no mibaiko ny mpitsabo fa ianao no manapa-kevitra amin‘izay safidy omeny 😊

02/02/2024

Ianareo ve mahafantatra ?

Culture générale izao an ! Nianarana ihany koa tany amin’ny ambaratonga fototra 😉

Soava ny faran’ny herinandro ooo 💕

Avy nanala nify ? 🤒🌸 Ireo tsara ho fantatra 🌸🔸 Fadiana ny mikitikitika na amin’ny tànana na amin’ny lela ny fery🔸 Fadian...
15/01/2024

Avy nanala nify ? 🤒

🌸 Ireo tsara ho fantatra 🌸

🔸 Fadiana ny mikitikitika na amin’ny tànana na amin’ny lela ny fery
🔸 Fadiana ny mandrorandrora, atelina foana ny rora fa tsy angonona ao am-bava ihany koa
🔸 Fadiana ny manotsanotsam-bava
🔸 Fadiana ny mihinana zavatra mamay na mafana
🔸 Tsy avela ho maina ny « coton » napetraky ny dokotera ao am-bava fa solosoloina isaky ny 30 minitra ary rehefa tsy misy rà mandeha intsony dia tsy asiana « coton » intsony
🔸Hohanina ara-dàlana ny fanafody izay nomen’ny dokotera

Anaty 24 ora avokoa ireo fitandremana ireo ⏱️✅

⚠️ Marihina fa miato ihany koa ny fiborosiana nify anatin’io fotoana io

Izay sy izay amin’ny ankapobeny fa miankina amin’ny « cas » mety hanome toromarika hafa ny mpitsabonao 😉

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizaràna am-pitiavana be 🫶🏽💕

Am-pitiavana be 🫶🏽💕Bonne soirée du dimanche 😘
10/12/2023

Am-pitiavana be 🫶🏽💕
Bonne soirée du dimanche 😘

🫣🫣🫣 La stomatophobie 🫣🫣🫣❓Ny  tahotra ny mpitsabo nify sy ativava na antsoina matetika amin’ny teny vahiny hoe «  phobie ...
08/12/2023

🫣🫣🫣 La stomatophobie 🫣🫣🫣

❓Ny tahotra ny mpitsabo nify sy ativava na antsoina matetika amin’ny teny vahiny hoe « phobie du chirurgien dentiste » dia olana iray mpitranga matetika ary mahakasika ny sokajin’olona rehetra, tsy anavahana taona na kilasy sosialy na fiaviana eny na lahy na vavy.

📎 Azo lazaina ho aretina iray mihintsy izy io izay antsoina hoe « stomatophobie ». Matetika io tahotra io no mahatonga ny olona hanamaivana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ary aleony mihintsy aza miharitra ny fanaintainana.

🔎 Anisany antony iray mahatonga izany voalohany indrindra ny tahotra teraka nanomboka ny fahazazana noho ilay antsoina hoe « trauma » avy amina « mauvaise expérience » tany amin’ny mpitsabo nify izany indrindra no mahasaropady ny fandraisana an-tànana ny zaza

🫣 Ankoatr’izay anefa ny fanaintainan’ny nify ka lasa matahotra ny hikitihana azy

👂🏻 Ao ihany koa ny tahotra teraka avy amin’ny zavatra tantarain’ny manodidina

☝🏼 Ny fitaintainana dia mety mampihombo ny tahotra ary matetika mavesatra lavitra noho ny fanaintainana izany tahotra izany.

⁉️ Ny tahotra dia mety mampamoronona fanaintainana tsy misy akory. Tandremo fa ny avizanana dia mety miteraka sy mampitombo io tahotra io

💯 Maro ny fambara ahitana izany tahotra izany ankoatry ny fitaintainana, ny vava maina, maloiloy sy mandoa, atsembohana, fahatsapana toa kenda eny mety ho tonga hatramin’ny tsy fahatsiarovana tena ary ny olona « spasmophilique » moa mety hanao krizy mihintsy.

👌🏽 Zava-dehibe noho izany ny mihomana tsara sy manamboatra saina rehefa handeha « dentiste » ( tsy hisy zavatra ahafaty anao izany any ary tsy misy zavatra atao manta, fahasalamana ho anao no katsahana ao )

🦷 Inona ary ny voka-dratsin’izany tahotra tafahoatra izany ?
Ny lehibe indrindra dia ny fahapotehan’ ny nify tanteraka satria misesy simba ao rehefa tsy tsaboina ary rehefa potika ny nify dia mitranga avokoa ny olana miankina aminy manaraka izany, ny fitsakoana hatrany amin’ny vavony, ny firesahana, ny « esthétique » miteraka « complexe » izay « problème psychologique » ary mety hihitatra hatrany amin’ny tsy fahasalaman’ny fo sy ny lalan-drà

⚠️ Ry ray aman-dreny fadio ny mampitahotra ny zanantsika amin’ny zavatra mety ho ilainy ahasoa azy ary tsy maintsy ho lalovany toa ny « vao maditra dia atao piqûre » na koa « raha vao mihinana bonbon dia simba ny nify dia tsy maintsy entina any amin’ny dentiste » sy ny maro hafa, toa lasa fampitahorana anefa ho avy ny fotoana tsy maintsy ilainy ireo, ny haino aman-jery ihany koa voakasik’izany

🚫 Ry fiaraha-monina tsy mahasoa velively ny fampitahorana ny hafa ary tsy mahazo vokatsoa amin’izany ihany koa ianao

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizaràna am-pitiavana be 🫶🏽💕

03/12/2023

« La Phobie des dentistes » c’est quoi et pourquoi !?

Address

Antananarivo

Telephone

+261344331117

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when La Page de Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to La Page de Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram