La Page de Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste

  • Home
  • La Page de Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste

La Page de Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste L’esthétique et la fonction sont aussi toutes importantes l’une que l’autre 🦷

13/04/2025

Fantantsika ve fa ny fiborosiana nify alohan’ny hatory no tena tsy tokony atao ambany indrindra amin‘ilay in-3 isanandro ary tena alohan‘ny hatory no hanaovana azy io fa misy miborosy nify avy eo mbola mitsaingotsaingoka indray… 😌

💊💊💊 Fanafody tena mahasitrana ny „ Amoxicilline“ na „Amoxi“ na „Amox“ hoy isika 💊💊💊⚠️ Tsy „guéri tout“ na „150 maladies“...
19/11/2024

💊💊💊 Fanafody tena mahasitrana ny „ Amoxicilline“ na „Amoxi“ na „Amox“ hoy isika 💊💊💊

⚠️ Tsy „guéri tout“ na „150 maladies“ koa anefa izy io, raha azavaina tsotra dia tsy fanafody mahasitrana ny aretina rehetra akory 😌

‼️ Atsaharo ny fihinana azy isak‘izay mahatsiaro re olona fa rehefa sanatria tojo ny aretina tena ilàna azy lasa tsy sitrany intsony hany ka lasa tsy maintsy fanafody maro hafa no asolo azy noho izany :
📌 sady reraka ny voho (reins) amin‘ny fandevonana ireo rehetra ireo (miampy ny fandevonana ny Amox isak‘izay nahatsiaro)
📌 no lany vola ihany koa amin‘ny fitsaboana satria lafo kokoa ny fanafody mahery ho asolo azy no ho maro kokoa ny karazany ilaina

✅ Aleo rehefa omen‘ny mpitsabo ihany vao mihinana azy ary taperina tsara ny fatra voasoratra fa tsy hoe azoazo dia ajanona ny fanafody fa mitovy amin‘ny fihinana azy matetika ihany ny vokatra ho aterany satria tsy afaka hatramin‘ny fakany ny aretina ka mety hiverimberina ny fitsaboana 😊

🎯 Sarobidy ny fahasalamana, aza manao dokotera tena, aza manampoizina ny tenanao na ny manodidina anao 😊
Tahaka ny fatahoranao ny fanafody fampatoriana ihany no tokony atahoranao ny Amoxi satria tena fanafody io ka tsy kilalao akory. Mahatonga hatrany amin‘ny fahafatesana ihany koa ny vokatra ateraky ny fihinana azy tsy ara-dàlana

(Zarao ho hitan‘ny namana sy ny manodidina anao mba hahalalany ka hitandreman‘ny rehetra. Avoty ny hafa, ndao hifanavotra)

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizarana am-pitiavana be 🫶🏽💕

„ 𝙂𝙚𝙢𝙖 " Mifanohitra amin‘ilay voalaza farany, izany hoe ny nify na ny taolana ambany no mandroso mihoatra ny ambony.📌 A...
31/10/2024

„ 𝙂𝙚𝙢𝙖 "

Mifanohitra amin‘ilay voalaza farany, izany hoe ny nify na ny taolana ambany no mandroso mihoatra ny ambony.

📌 Azo sorohana dieny mialoha ihany koa satria dieny anaty fitomboan‘ny zaza dia afaka hita

📌 Azo tsaboina tsara ihany koa anefa ary ny aloha indrindra no tsotra kokoa

⚠️ Amafisiko fa ilaina ny manara-maso ny fahasalaman‘ny nify sy ati-vava eny amin‘ny mpitsabo ary indrindra manaraka ny fitombon‘ny zaza

‼️ Misy fiantraikany ara-psykolojika hoy aho ny tsy fahatomombanan‘ny nify indrindra ny fanimbany endrika 😌

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizarana am-pitiavana be 🫶🏽💕

" 𝘽𝘼𝙏𝙍𝙊𝙉𝙄𝙁𝙔"Ialako tsiny raha diso io voambolana ilazako azy io na ny fanoratro fa tsy hitako anaty raki-bolana malagasy...
24/10/2024

" 𝘽𝘼𝙏𝙍𝙊𝙉𝙄𝙁𝙔"

Ialako tsiny raha diso io voambolana ilazako azy io na ny fanoratro fa tsy hitako anaty raki-bolana malagasy fa dia fiantso andavanandro eny amin‘ny fiaraha-monina

Izany hoe fandrosoan‘ny nify ambony mihoatra ny tokony ho izy ( na ny taolana mandrakotra ny vava ) mihoatra ny ambany, eny 2mm ny elanelana normaly ary ny ambony no mandrakotra ny ambany, raha ny ambany no mandroso na 1mm aza dia efa tsy normaly izay, ny mifanintsy ihany koa tsy normaly

Fantaro anefa fa azo tsaboina tsara ireo rehetra ireo saingy tsara kokoa dieny mbola kely. Afaka sorohana ihany koa, izany hoe arahana ny fitombo eny amin‘ny zaza ka izany indrindra no mahazava-dehibe ny fanantonana ny mpitsabo ny nify sy ati-vava ara-dàlana, tsy voatery misy marary fa anarahana ny fahasalamana ary isorohana indrindra raha misy ny tsifahatomombanana

⚠️ Manantòna ny mpitsabo nify sy ativavanao ara-dàlana, raha manana io tranga io ihany koa ianao dia manantona fa misy ny fitsaboana sahaza izany 😊

‼️ Misy fiantraikany lehibe ara-psykolojika ny fahasimban‘ny endrika ateraky ny tsy fahatomombanan‘ny nify ‼️

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizarana am-pitiavana be 🫶🏽💕

12/10/2024

Zo anao marary feno ny mahafantatra ny fitsaboana atao aminao sy mahazo fanazavana mahakasika izany. Tsy ianao kosa anefa no mibaiko ny mpitsabo fa ianao no manapa-kevitra amin‘izay safidy omeny 😊

Address


Telephone

+261344331117

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when La Page de Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to La Page de Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste:

  • Want your practice to be the top-listed Clinic?

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram