Naturopharma Mandroseza

Naturopharma Mandroseza 👉🏻vokatra natoraly vokarin 'i Zoky Andry Mampifaly🌿 .....samy salama no tsara e🥰❤️

FANTATRAO VE NY ANTONY TSY HIHINANA PATY BETSAKA LOATRA?Araho ary ny fanazavana anaty sary ⬇⬇⬇⬇⬇⬇⬇⬇⬇⬇⛔Mety ho sarotra ia...
07/05/2025

FANTATRAO VE NY ANTONY TSY HIHINANA PATY BETSAKA LOATRA?

Araho ary ny fanazavana anaty sary ⬇⬇⬇⬇⬇⬇⬇⬇⬇⬇

⛔Mety ho sarotra ialana ny paty raha mbola tsy tena marary ianao, ampiaraho amin'ny legioma be fibre rehefa tsy maintsy hihinana azy.

✅Raha efa anaty ady amin'ny aretina kosa ianao dia AJANONY ny paty sy siramamy dia ho hitanao fa hivoatra be ny fahasitrananao.

🫰Zarao anaty commentaire raha efa nahita soa tamin'ny tsy fihinana paty sy siramamy ianao.

Naturopharma - Samy salama no tsara




NERF SCIATIQUE - METY HANJO NY OLONA REHETRANy olan'ny nerfs sciatique dia mety hahazo ny olona rehetra indrindra ireo e...
02/04/2025

NERF SCIATIQUE - METY HANJO NY OLONA REHETRA

Ny olan'ny nerfs sciatique dia mety hahazo ny olona rehetra indrindra ireo efa mahazoazo taona. Mety ho voa azy ity daholo na lehilahy na vehivavy.

FISEHOAN'ARETINA:
- Manaintaina ny lamosina (indraindray mety tsy ho zaka mihitsy)
- Marary be tsy zaka ny valahana, foto-pe, lohalika
- Tsy afaka mihetsika tampoka rehefa miondrika
- Lasa miamandringa rehafa mandeha

Azo tsaboina amin'ny alalan'ny otra anefa izany olan'ny nerf sciatique izany, misy exercice afaka hatoro anao.

Raha tsy voatsabo mantsy ny olan'ny nerf sciatique dia mety hampalemy satria tery ilay nerf mibaiko ilay tongotra hamindra.

0382578010
0344138948
0340683830

Samy salama no tsara

❄️❄️Pack anti-grippe❄️❄️Satria mivadibadika loatra ny toetra ny andro eto amintsika dia betsaka ireo olona voan'ny gripa...
26/03/2025

❄️❄️Pack anti-grippe❄️❄️
Satria mivadibadika loatra ny toetra ny andro eto amintsika dia betsaka ireo olona voan'ny gripa mahery ka izay indrindra no antony hiresahantsika ireto vokatra ireto:

❄️Ny Argent colloidal: mamono ireo bakteria na virus izay mahatonga ny gripa , mampatanjaka ny hery fiarovana, manala ireo jejina amin'ny orona

❄️Ny Maxi zinc : dia ilaina amin'ny fanatanjahana ny hery fiarovana , mamono ny virus mahatonga ny gripa mahery, manome hery ho an'ireo reraka , manampy ireo zaza tsy afa -delo

❄️Ny vitamine C pure dia : mampiakatra ny hery fiarovana, manampy ny vatana hiady amin'ny otrik'aretina maro toy ny gripa , ilain'ny olona marefo na ny ankizy na ny olon-dehibe

Mifameno ny asan'izy telo ireo amin'ny fanasitranana ny gripa .

Hamafiso ny hery fiaronao dia ho salama ny
vatanao.

Contact 0382578010- 0344138948




TE HAHALALA NY TSIAMBARATELO FONOSIN'NY  ? VAKIO HATRAMIN'NY FARANYEfa nalefantsika tamin'ny week end teo fa averintsika...
22/03/2025

TE HAHALALA NY TSIAMBARATELO FONOSIN'NY ? VAKIO HATRAMIN'NY FARANY

Efa nalefantsika tamin'ny week end teo fa averintsika sao misy tsy nahita...
Iza indray no mbola hanoy?

🌿 Nahoana no tokony hanao détox isa-kerinandro ? 🌿

Ny vatantsika dia manangona poizina isan'andro noho ny sakafo, ny adin-tsaina, ary ny loto eny rehetra eny. Ny fanaovana détox isa-kerinandro dia fomba tsara hanadiovana ny vatantsika, hahazoana angovo sy hery vaovao indray, ary hanatsarana ny fahasalamana.

Détox : Ahoana ny fomba hanaovana azy ?

Raha mbola tsy nanao détox mihitsy ianao dia aza manahy, tsy sarotra be akory izany! Ity ny fomba mora arahina raha vao manomboka. Fantaro aloha ireto voambolana manodidina ny detox ireto :

"infusion détox" ?
Ny infusion détox dia rano mangokatra (250ml) nasiana ravina sy zavamaniry (toy ny menthe, sakamalao na citron) izay manampy amin'ny fanadiovana ny vatana sy manatsara ny fandevonan-kanina. Ireo zavamaniry ireo noho ny toetrany dia manampy ny vatana hanadio ho azy ny tenany.

"eau infusée" ?
Ny eau infusée dia rano izay asiana voankazo, legioma na ravina mba hamoahana ny tombontsoa entiny.

Ohatra :
☑️ Rano asiana citron : Ampio tapaka citron kely ao amin'ny rano sotroinao hahatonga azy hanatsara ny fandevonan-kanina.

☑️ Rano asiana menthe : Ampio ravina menthe ny rano fisotro hanatsarana ny fandevonan-kanina sy hisorohana ny rivotra hijanona anaty tsinay.

'Ndao àry hanandrana "Journée Detox" androany

✨ Maraina – Infusion sakamalaho sy citron
✨ Atoandro – Eau infusée menthe sy concombre
✨ Hariva – Lasopy legume maivana (tsy asiana paty)

Ny tombontsoa amin'ny fanaovana détox tsy tapaka :

✨ Hery vaovao : Hahatsapa tanjaka kokoa ianao
✨ Kibo fisaka : Miamiala ny rivotra ary hihatsara ny fandevonan-kanina.
✨ Hoditra hiatsara sy mazava: satria niala ny toxine anaty vatana dia mahazo aina ny hoditra.
✨ Fandevonan-kanina ho tsaratsara kokoa : maivamaivana ny asan'ny vavony sy ny tsinay.

💚 Ary ianao, vonona ve hanadrana detox amin'ity week end ity? Tsotra nefa mahasoa ny fahasalamana anie!
💪 Zarao ao amin'ny commentaire ny hevitrao?
Raha tsapanao fa hahasoa anao ity fomba vaovao iray ity dia zarao amin'ny namanao koa...



📢 FanambaranaMiova ho ireto manaraka ireto ny laharana ahafahana mifandray mivantana:📱Misaotra indrindra amin'ny fahatok...
02/03/2025

📢 Fanambarana
Miova ho ireto manaraka ireto ny laharana ahafahana mifandray mivantana:📱
Misaotra indrindra amin'ny fahatokisana ❤️

ARAHO MASO - TAHAN'NY TESTOSTERONENAHOANA NO TOKONY HARAHA-MASO NY TAHAN'NY TESTOSTEROME ?Ny testostérone dia hormone ir...
25/02/2025

ARAHO MASO - TAHAN'NY TESTOSTERONE

NAHOANA NO TOKONY HARAHA-MASO NY TAHAN'NY TESTOSTEROME ?

Ny testostérone dia hormone iray tena manan-danja amin'ny lehilahy. Fantaro fa manomboka eo amin'ny faha-30 taonan'ny lehilahy iray dia mihena 1 h@ 2 % ny tahan'ny famokarana testostérone. Noho izany, ilaina ny fikolokoloina azy.

⁉️ Fa inona no tena asan'ny testosterone?

Ny fahampian'ny tahan'ny testosterone anaty rà dia misy fiantraikany lehibe eo amin'ny :

ℹ️ Libido sy ny tanjaka mandritry ny firaisana ara-nofo
ℹ️ Hozatra sy ny fitazonana azy
ℹ️ Tanjaky ny taolana
ℹ️ Hery sy angovo
ℹ️ Humeur sy ny fifantohana

❎❎❎ Rehefa mahatsapa ianao fa miamarefo ny vatana, sarotra mahazo nofo (prise de masse), mitombo ny stress ka lasa be kizitina, rera-dava, miamalemy ny taolana dia nihena be izay ny tahan'ny testosterone.❎❎❎

⁉️ Inona no tokony hatao ampiakarana azy indray?

✅ Sakafo voalanjalanja : ahitana proteina, menaka (zavoka, oliva,...), zinc (hena mena, hazan-dranomasina) ary ny vitamina D
✅ Fanantanjahan-tena matetika : musculation
✅ Ahena ny rarintsaina : mitadiava zavatra mahafinatitra na fialamboly ary ataovy matetika
✅ Matory tsara : 7 h@ 9 ora isak'alina
✅ Fadio ny alkaola, sigara ary ny paraky fa manakorontana ny famokarana ny hormone
✅ Esory ny kibo : ny fanalana ny menaka be anaty kibo dia manatsara ny taham-pamokarana testostérone

📌 Manatona mpitsabo, raha misy trangan'aretina matetika, mifandraika amin'ny fihenan'ny tahan'ny testosterone. Miteraka aretina maro sady mampamoy fo ny tsy fahampiana testostérone.

🗨️🗨️ Mention-eo eo amin'ny commentaire ilay bandy tsara mahafantatra an'ity.
Partageo ity raha nahasoa anao mba hahasoa ny hafa koa.

Samy salama no tsara


l

🍂IREO VOKATRA COLLOIDAL?🍂👉Marina hoe efa mety tsy vaovao amintsika intsony ireto vokatra colloidal an'ny Naturopharma ir...
10/02/2025

🍂IREO VOKATRA COLLOIDAL?🍂

👉Marina hoe efa mety tsy vaovao amintsika intsony ireto vokatra colloidal an'ny Naturopharma ireto, fa mbola tianay hatrany ny manentana antsika ampiasa azy ireto.

💐Samy manana ny asany izy ireo:

🍂Argent colloidal: mamono virus sy microbes maro be, manasitraka fery anaty sy ivelany ary koa hoentina hitsaboana karazana aretina maro toy ny allergie, asthme sns

🍂Maxi zinc: ny olan'ny fananahana no anisan'ny tena ampiasana azy io, sady mampatanjaka ny hery fiarovana izy no tena mety ho an'ny zaza somary farofy (mikoaka, voan'ny sery lava tsy dia mitombo vatana loatra...)

🍂Siligram: tena ilaina amin'ny olan'ny taolana sy ny hozatra, ny diabeta, manatsara ny fo sy ny lalan-drà.

🍂Cuivre colloidal: manampy ny tanjaky ny atidoha, manampy betsaka amin'ny fitadidiana, hitsaboana anémie (tsy fahampian-drà), épilepsie...

🍂Magné plus: mamaha ny olan'ny tsy fahampiana torimaso, ny depression, palpitation, migraine, havizanana lava...

💐Manao livraison ihany koa izahay.

Tel: 038 25 78010 / 034 41 389 48 /0340683830



Contact 0340683830 -0344138948
04/12/2024

Contact 0340683830 -0344138948

🌿 PERSIL 🌿Ny persil no tena namanao isan'andro raha te ho salama hatrany ianao 🥰Ny persil anie ka manan-karena :    🍋 Vi...
15/11/2024

🌿 PERSIL 🌿

Ny persil no tena namanao isan'andro raha te ho salama hatrany ianao 🥰

Ny persil anie ka manan-karena :

🍋 Vitamina C : izay manampy amin'ny fanamafisana ny hery fiarovan'ny vatana
🦴 Vitamina K : izay manohana ny fahasalaman'ny taolana
👀 Vitamina A : izay manampy amin'ny fahasalaman'ny maso sy ny fahasalamana ny hoditra

Ireto no antony tokony hihinanao azy isan'andro :

🍃 Anti-inflammatoire : manampy amin'ny fanalefahana ny fivontosana;
💧 Diurétique : manampy amin'ny fanadiovana ny vatana;
💧 Détoxifiant : manampy amin'ny famoahana poizina sy tavy ratsy;
💪 Digestion : manampy amin'ny fanamorana ny fandevonan-kanina

Fomba fihinana azy 🥗 atao amin'ny salady (lasary), lasopy, na atao rony na atao jus;

🍵 Ny tena tsara indrindra dia izy hohanina amin'izao fotsiny ☺️


📢 EFA NAHAZO TAPAKILA VE ? 📢3 andro sisa dia tonga ilay fotoana niandrasantsika fatratra....Conférence Diabeta, Misy fan...
29/10/2024

📢 EFA NAHAZO TAPAKILA VE ? 📢

3 andro sisa dia tonga ilay fotoana niandrasantsika fatratra....

Conférence Diabeta, Misy fanantenana amin'ny 01 Novambra 2024.

Fanomezana be, satria salama no tsara, ✅✅ Izay manjifa vokatra colloïdal ROA (2) dia afaka omenay LAISSER PASSER 1 maimaim-poana, eny maimaim-poana

Alefaso dieny izao aza ny commande-nao, manao livraison izahay ho an'ireo mila izany.


🤲🫧ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY FANASANA TANANA 🤲🫧Tsiahivina rahampitso 15 Oktobra ny andro maneran-tany ho an'ny fanasana...
14/10/2024

🤲🫧ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY FANASANA TANANA 🤲🫧

Tsiahivina rahampitso 15 Oktobra ny andro maneran-tany ho an'ny fanasana tanana.

Matetika fa ny ankizy foana no tena entanina hanasa tànana fa isika lehibe manadinodino 🙃

✅ Fantatrao ve fa manakana ny 80% ny mikraoba mety ho tafiditra any anatintsika any ny fanasana tànana matetika amin'ny rano ny savony na koa ny fampiasana gel hydroalcoolique

🥹 voamarina mantsy fa ny 70% ny gripa sy sera mpahazo ny olona dia azo avy amin'ny fahalotoan'ny tanana avokoa

✅ Rehefa manasa tanana matetika isika dia :

🖐 Voasakana ny fiparitahan'ny gripa sy sera ary kohaka
🖐 Voasoroka ny mety hahavoan'ny fanampozinana ara-tsakafo

⁉ Fa toy ny ahoana ilay hoe "manasa matetika"?

🚿 Rehefa avy nandeha fiara-mpitateram-bahoaka
🚿 Rehefa miditra ny trano (vao tonga avy mianatra na miasa)
🚿 Nandalo toerana maro olona (tsena, sekoly, toeram-piasana)
🚿 Avy nivoaka (nandeha tany @ W.C )
🚿 Alohan'ny sakafo

📣📣 Rahampitso, aza adinoina ny manentana ireo akaiky anao mba hazoto hanasa tànana matetika ❌❌❌ Aza miandry valan'aretina vao hanasa tànana matetika fa ataovy isananandro izany mba hisorohana ny aretina.

Aleo misoroka tokoa toy izay mitsabo.



🛵 LIVRAISON GRATUITE 🛵✅ Izahay anie manao livraison maimaim-poana eto TANA VILLE raha mahatratra 30.000ar ny commande-na...
02/10/2024

🛵 LIVRAISON GRATUITE 🛵

✅ Izahay anie manao livraison maimaim-poana eto TANA VILLE raha mahatratra 30.000ar ny commande-nao e!

🤞 Fa ireto misy fepetra vitsivitsy mba tsara ho fantatrao mpanjifa

✅ Hatramin'ny 12ora ny fandraisana commande
✅ Isaky ny folakandro no fanaovanay livraison
✅ Tsy misy ora fixe fa miankina amin'ny entana aterina sy ny lalana ho alehan'ny livreur

📌 Eo amoron-dalana no toerana tsara indrindra hifanaovana amin'ny livreur.

🥰 Raha misy URGENT anefa dia afaka miantso foana ihany. Hanala ny fahasahiranareo no tena tanjonay

👍 Mino izahay fa "gentils" kely daholo ny mpanjifanay SATRIA efa mianatra ilay poritra te hihomehy foana.

💰 Raha te hanao commande entana àry Dia afaka mandefa MP na miantso n'y 038 25 780 10 na 034 41 389 48





Address

Antananarivo

Telephone

+261340683830

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Naturopharma Mandroseza posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Naturopharma Mandroseza:

Share