19/05/2023
Miarahaba antsika rehetra indray ☺️
Ny" Infection urinaire chez la femme "no resahiko androany.
Marihako fa tsy dia afaka manao vidéos ny tenako izao. Fa efa ho avy☺️
⏺️Ho antsika vehivavy, ny aretina mahazatra indrindra ao amin'ny tatavia dia ny atao hoe "cystite". Matetika mitranga amintsika izy io. Rehefa miakatra any amin'ny voa ny aretina dia antsoina hoe "pyelonephrite*. Amin'ireo tranga roa ireo dia ilaina ny fitsaboana antibiotika.
⏺️" Infection urinaire", ahoana ny fisehony?
➡️Ny fisehon'ny "cystite" dia ny fahatsapana mahamaivay rehefa mi-p**i sy poritra lava ary mi-p**i matetika. Indraindray moa dia misy rà kely ao amin'ny ilay p**i, saingy tsy voatery midika izany fa "grave" be.
➡️Ny fisehon'ny "pyélonéphrite" kosa dia mety hialohavan'ny " cystite" na tsia.Izao avy no mety hita : ny tazo(fièvre) , ny fahatsampana ny tena hoe mangatsiaka, ny fanaintainan'ny vavony, ary ny fanaintainan'ny lamosina. Indraindray misy ohatran'ny aretin-kibo : fivalanana na mandoa.
⏺️ Mifindra ve ny" infection urinaire" ?
Avy amin'ny bakteria ny aretina amin'ny p**i (tatavia na voa).
Ny "cystite" dia matetika vokatry ny bakteria atao hoe "Escherichia Coli" izay matetika hita ao amin'ny tsinay na fivaviana. Eny tokoa, io bakteria io dia afaka miditra amin'ny alalan'ny "méat urinaire" eo akaiky eo (loharano ivoahan'ny urine) ary miakatra mankany amin'ny tatavia.Mihamaro ao izy ka mahatonga "cystite" avy eo.
Ny "cystite" dia dia mahazatra kokoa antsika vehivavy, satria ny urètre antsika(lakandrano avy amin'ny "méat urinaire" mankany amin'ny tatavia) dia fohy kokoa noho ny amin'ny lehilahy. Ny fitondrana vohoka, ny menopause ary ny diabeta dia mety hampiroborobo ny areti-mifindra amin'ny vehivavy.
Rehefa avy eo dia miakatra any amin'ny voa lay bakteria koa lasa misy ny "pyélonéphrite" avy eo.
⏺️Ahoana no hisorohana ny aretina "infection urinaire" amin'ny vehivavy?
🍒 Misotroa rano be 1,5 na 2 litatra isan'andro.
🍒Aza mitazona p**i fa tonga dia mandehana raha poritra .
🍒 Ampitomboy ny fatran'ny fibre (legioma, voankazo, voamaina, sns.) 🍒Mandehana misasa rehefa avy manao firaisana.
🍒Fadio ny slipo synthétiques, en coton no tena tsara.Aza manao slipo tery.
🍒Ny produit anasana ny fivaviana dia mila maivana be, tsy savony mahery.
⏺️Mila antibiotika ve ny fitsaboana " infection urinaire "?
Ny "cystite" dia tsaboina amin'ny antibiotika. Mba hahazoana antoka fa misy tokoa ny otrikaretina bakteria, ny dokotera dia mampanao fitiliana ny p**i. Dia avy eo izy mahita ny antibiotika mety aminao.
Ny "pyelonephrite" koa dia tsaboina amin'ny antibiotika.
⏺️Atahorana hisy fahasarotana raha ohatra ka amin'ny vehivavy bevohoka, antitra, na vehivavy efa voan'ny aretim-pivalanana na voa,
tsy mihatsara na dia efa tsaboina
, miverina ao anatin'ny 2 herinandro.
Amin'ny vehivavy mety ho voan'ny fahasarotana, ny antibiotika ampiasaina amin'ny fitsaboana dia mety mahery kokoa ny antibiotika.
Am-pitiavana be
🍒🍒
Zarazarao ho an'ny hafa
Ity misy sary mahafinaritra mamintina azy.