16/04/2024
Ianareo koa ve efa niaina fahasahiranana, fiasan-doha, fitotototoana, eny nivaro-pananana, nindram-bola tamin'ny havana, namana, ka tsy nahazo ....rehefa sendra narary, niditra hopitaly?
Mandraisa fanapahan-kevitra, manatona rafi-piantohana ara-pahasalamana (mutuelle de santé, na assurance santé...) izay akaiky anao hiatrehanao ny patsa iray tsy omby vava.
Ho maivana ny vesatra ara-bola hatrehanao raha tojo tsy fahasalamana ianao na ny ankohonanao.
Atreho mialoha amin'ny fandoavana latsakemboka amin'ny sarany mirary eny amin’ny rafi-piantohana ara-pahasalamana (mutuelle de sante na assurance sante) izay akaiky anao ny volabe, analiny, anetsiny, antapitrisany aloanao rehefa marary ianao.