01/09/2025
🦷 Areti-nify : mety hampidi-doza ny FANAOVANA DOKOTERA-TENA sy ny fampiasana fanafody manala fanaintainana : AINS.
⚠️ Rehefa miseho ny areti-nify (maintainana), maro ny olona no mampiasa avy hatrany ireo "Anti-Inflammatoires Non Stéroïdiens" (AINS) toy ny : ASPIRINE, NIFLURIL, IBUPROFÈNE, DICLOFÉNAC, na NAPROXÈNE...
👉 Ireo fanafody ireo dia mety hanamaivana haingana ny fanaintainana… saingy ny fampiasana azy tsy misy torohevitra ara-pitsaboana dia mety hampidi-doza.
🚨 Loza mety hitranga amin’ny fampiasana AINS amin’ny tsy tokony ho izy :
• Olana amin'ny fitaovam-pandevonan-kanina : fanaintainan'ny vavony sy ratra izay mety mahazo azy, fandehanan-drà.
• Fahasimban’ny voa : indrindra ho an'ireo efa mahazo taona, tsy ampy rano na marefo.
• Fisehoana tohina mafy (réactions allergiques graves).
• Fifangaroana amin’ny fanafody hafa : toy ireo "anticoagulant, antihypertenseur", sns.
⚡ Ny tena mampidi-doza amin’ny areti-nify :
Ny AINS dia manarona fotsiny ny fanaintainana fa tsy mitsabo ny antony mahatonga azy.
👉 Raha avy amin’ny otrikaretina ny fanaintainana, dia mihombo tsikelikely ao anaty ny aretina.
➡️ Vokany : mety hahazo vahana bebe kokoa ny otrikaretina, sy mety hiparitaka any amin’ny sela manodidina (abcès, cellulite faciale) ary raha mihombo hatrany dia mety hitarika amin’ny "septicémie" na fiparitahana anaty rà ireo otrikaretina, ka mety hampidi-doza.
☝️Inona no tokony hatao raha ny misy fanaintainan'ny nify ?
✅ Mankanesa haingana any amin’ny mpitsabo nify : izy irery ihany no afaka mitsabo ny tena antony (nify : simba, misy otrikaretina, loaka…).
✅ Aza manao dokotera-tena : aza mampiasa AINS raha tsy misy torohevitra ara-pitsaboana.
✅ Mandra-piandry ny fitsaboana : ny Paracétamol, raha ampiasaina araka ny fatra tokony ho izy, dia safidy azo antoka kokoa amin’ny fampihenana ny fanaintainana.
💡 Tsarovy :
Mety hahatsapa ianao hoe mahomby ny fampiasana fanafody manala fanaintainana, saingy tadidio fa mety ho mihalefy izany nefa tsy mahaisotra ny tena antony, hampahery ny otrikaretina fotsiny ihany izany ary mety hampidi-doza mihitsy aza.
👉 Ny tena vahaolana : MANATÒNA MPITSABO NIFY (dentiste), TSY MISY HATAK' ANDRO !
IOSTM