Ny ArtSoa

Ny ArtSoa Utilisation des techniques innovantes pour ameliorer la sante
(1)

Ndriiy!!! elaela izay isika tsy tafahaona tato e! Hifarana, hivalona ny taona 2024. Inoako fa samy nahazo ny anjara maso...
25/12/2024

Ndriiy!!! elaela izay isika tsy tafahaona tato e! Hifarana, hivalona ny taona 2024. Inoako fa samy nahazo ny anjara masoandrony avy ny rehetra. Na izany na tsy izany dia faly foana ny ekipan' ArtSoa bien être mirary ny soa ho anareo. Samy hamarana ity taona ity amin'ny fitoniana, fahasalamana ary Fiadanana anie isika rehetra.
Irariana sahady ihany koa hitondra soa ho antsika io taona ho avy io.
Tsy hadino koa ny miarahaba antsika rehetra noho ity andro tsara indrindra ity izay andro ahatsiarovana ny nahaterahan'ny Mesia. Hitondra Fiadanana ho antsika anie ny finoana ao anatintsika tsirairay avy.
Manaova fety sambatra daholo.

Faly aho (happy) 🤣🤣🤣 fa mbola nomen’Andriamanitra tombony mbola afaka manoratra eto. Tsapanao ve fa fahasoavana lehibe n...
31/12/2023

Faly aho (happy) 🤣🤣🤣 fa mbola nomen’Andriamanitra tombony mbola afaka manoratra eto.

Tsapanao ve fa fahasoavana lehibe ny mbola nanananao tombon’andro? Mbola ahafahana mikolokolo indray ilay Tempoly, Tempolin’ny Fanahy Masina dia ny tenantsika tsirairay izany.

Te hirary soa ny rehetra aho noho ny andro anio.
Ho taona lavitry ny rofy anie ity taona 2024 ity. Mbola hifampizara ny mahasoa sy ny mahasalama eto isika raha sitrapoNY.

Arahabaina nahatratra ny taona daholo

25/12/2023
17/11/2023

Faly miarahaba antsika rehetra indray. Ity page ity moa dia natao indrindra hiresahana momba ny « santé et bien être ».
Mirary koa aho raha mirary fahasalamana tanteraka ho an’ny rehetra.
Misy ny olona manana olana amin’ny hatavezana (eto ilay mbola fahatsapan-tena fotsiny hoe matavy, ngeza loatra). Misy kosa ireo efa manana aretina vokatry ny hatavezana. Amin’ny ankapobeny ( ataoko amin’ny teny frantsay kely hoe en général sao misy tsy mahazo😏) fa tsy izy rehetra akory dia vokatry ny sakafo hanina sy ny fomba fisakafoanana tsy mirindra no mahatonga azy ireny.
Noho izany dia tsara ihany ny mba mahafanta-javatra .
Nahita ity vidéo ity aho dia tiako hifampizarana ka enga anie hitondra soa ho an’ny tsirairay.

Mirary soa💕💕💕

https://www.facebook.com/regimecohen/videos/819512233260431/

Miarahaba antsika indray. Ela be izay e!Fahasalamana moa ny antsika no tanjona an! Maro ireo karazana menaka mitobaka en...
24/07/2023

Miarahaba antsika indray.
Ela be izay e!
Fahasalamana moa ny antsika no tanjona an!

Maro ireo karazana menaka mitobaka eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Vitsy amin’izy ireny anefa no sokajian’ireo mpandinika hoe tsara ho an’ny fahasalamana, dia menaka izay tsy nandalo fanadiovana be (tsy raffinée), na azo avy amin’ny akora tsy nafanaina (pression à froid).

Anisan’izany ny Dobera ( hitako mihitsy Ilay sainao miteny hoe dibera 😂😆😆). Eny e! Ilay Zavatra azo avy amin’ny fanodinana ny ronono-biby ho lasa menaka fanositra amin’ny kimofomofo iny no tiako ho lazaina. Marihiko tsara hoe « rononom-biby» an!

Mety hiteny ianao hoe ka lafobe ireny. Marina izany. Anefa tsarovy an fa i dadabe sy bebe anie efa nanamboatra an’ ireny e!

Dia ahoana tokoa re no nataon-dry zareo e?
Araho fa atoroko anao an-tsary.

Manandrama finaritra!

05/07/2023

Miarahaba antsika rehetra.

Ela izay tsy tafaresaka teto isika . Misy vidéo iray ity mba tiako hifampizarana. Akoatry ny siramamy dia inona koa no manaraka?
Mirary soa sy fahasalamana ho an’ny rehetra.

Mijere finaritra.

http://fb.watch/lA_GUPL3C3/?mibextid=YCRy0i

04/06/2023

Amin'ity andro manokana ity, dia faly izahay miarahaba ny Reny rehetra. Ho tanteraka aminareo anie izay hirin'ny fonareo.

Noho ity fety ity ihany, dia manolotra Foot-Detox maimaimpoana 😮😮😮 oui gratuit😲😲😲 raha tokony 50 000 Ar ny sceance iray ho an'ny Reny izahay.

👉Toy izao ary ny fomba ahafahana misitraka izany: manoratra eo amin'ny commentaire hoe " Reny Aho", miditra MP avy eo handaminana fotoana.👈

Raha hitondra namana vehivavy i Neny dia ataontsika - 50% ny an'ny vehivavy entina. Raha hitondra namana lehilahy kosa i Neny -75% ny an'ny lehilahy entiny.

Aza tara ary fa ny valala tsy indroa mandry am-bavavahady an! Mandray anareo am-pitiavana izahay 💞💞💞

04/05/2023

Misaotra ny Tompo mbola nomeny fotoana ahafahana mifampizara! Faly manonona Fiadanana ho an'ny tsirairay.

Voka-dratsin'ny siramamy eo amin'ny vatantsika no hifampizarana androany. Maro izy ireny fa santionany ihany ireto.

1) ho an'ny Atidoha:
✅ mahatonga fiankinan-doha izy ( effet addictif), izaho izao taloha tsy tia zavoka raha tsy hasiana siramamy be...🙈
✅ miteraka haretin'andoha
✅ mahatonga ny fanadinodinoana
✅ mampitombo ny fintaintainana sy ny tebiteby

2) eo amin'ny Vatana
Mampatavy ny siramamy ary mety hahatonga diabeta karazany faharoa.

3) ho an'ny Hoditra
Manafaingana ny fahanterana

4) Tsinay
✅ manakorontana ny "flore Intestinale"
✅ mampihena ny hery fiarovana

5) Fo💟💔
Mitarika ny fiakaran'ny tahan'ny menaka ratsy anaty ra, mahatonga ny tosi-dra avo.

6) Nify🦷🦷🦷
Mahatonga ny olimanara

7) Aty
Mahatonga ny aty matavy

8)Voa
Mandreraka ny voa ny siramamy ka mitarika ny atao hoe" Insuffisance renale".

Santionana ihany ireo an! Andeha ary isika mba samy hiezaka hanena ny fihinanana siramamy e! Raha mahavita mifady moa vao maika tena tsara

Mirary soa, amin'ny manaraka indray.

17/04/2023

Faly foana mizara izay kely fantatra aminareo.

Hamaramparana ny momba ny SIRAMAMY isika. Ilain'ny vatana ary ve ny fihinanana io SIRAMAMY io? Tsy nataoko hoe SUCRE intsony izy eto fa SIRAMAMY. Izany hoe ilay vatokely vidiantsika eny antsena iny.

‼️‼️TSIA avy hatrany ny valiny.‼️⁉️
Nahoana⁉️

Ny vatan'ny olombelona dia efa nomen'Andriamanintra tombony manokana hahay manodina ireo singa avy amin'ny sakafo isan-karazany ho solika hiveloman'ny Sela ao anatiny.

Haka ohatra isika. Ny vary izay foto-tsakafontsika Malagasy. Vary fotsy no resaka eto.
Ny vary 100g dia misy singa maromaro ao anatiny fa ireto no mahalina antsika:
➡️ glucide 28g
➡️ sucre 0,1g
(Source: USDA)
Izany hoe ao amin'ny vary fotsy 100g dia misy Sucre 28,1g.
Mahalany vary firy grama isan'andro ianao?
Kajy tsotsotra
1️⃣ maraina: vary sosoa 100g
2️⃣ atoandro: vary maina 250g
3️⃣ hariva: vary be 250g
Totaliny: 600g
Ny sucre laninao ao anaton'ny andro iray izany dia 28,1×6=168,6g😬
Koa raha mbola ampiana ilay laoka ovy sy patsa, na paty saosy?🤭🤔🤔 mbola miampy akondro 3😬😬😬

FEHINY
Ireo sakafo natoraly hanintsika isan'andro dia tokony ho ampy ny Sela raha miasa tsara avokoa ny taova ao anatinao.

Izay indray ary aloha fa dia mirary herinandro sambatra hoa antsika rehetra.
Amin'ny manaraka ny voka-dratsy entin'ilay vatokely.

❤mirary soa indrindra❤

Faly miarahaba antsika rehatra indray. Mino aho fa nitondra fitsanganana teo amin'ny fiainan'ny tsirairay iny P***a nola...
12/04/2023

Faly miarahaba antsika rehatra indray. Mino aho fa nitondra fitsanganana teo amin'ny fiainan'ny tsirairay iny P***a nolalovantsika iny. Mino ihany koa aho fa samy nanao fety araka izay fitahiana nomen'Andriamanitra azy ny tsirairay. Misaotra Azy.

Rehefa vita fety toy izao dia tsara ny manao JI mba hanovozana hery sy hanomezana ny fialan-tsasatra ny vatana ( ny taova rehetra) . Mandritra io JI no miezaka manadio ireo "toxines " rehetra nampidirintsika nandritra ny fety ny vatana. Asa na miala sasatra no filaza izany!!!?😀😀😀

Raha misy mbola tsy mahalala ny JI na ny fomba fanaovana azy dia nasiako lien ihany io ambany io. Raha sanatria ka tsy mandeha anefa io dia mba jereo ao amin'ny "à la une" ny pejy ao fa efa nataoko ao.😉

Izay ary aloha fa mirary tontolo andro finaritra ho antsika rehetra.

https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=115810657933521&id=105180518996535&mibextid=Nif5oz

Ampifaliana indray no hiarahabanay anareo.
DETOX eto ilay resaka!!!
Mamakia finaritra!
Mety hiteny ianao hoe izaho tsy manam-bola😥 tsy olana izany
Mety hiteny ianao hoe izaho tsy misy fotoana , tsy sakana izany😀
Inona ary no hatao? Tsotra😁 mifady hanina! 🤔🤔🤔 inonaaaa⁉Fa angaha tsy hoe detox? ➡ eny o! Anisan'ireo detox mety indrindra ny fifadian-kanina ( na jeûne na fasting hoy ianareo vazaha)
Misy karazany maro izy io fa misy vitsivitsy ireto hohazavaiko.( Miala tsiny fa hataoko amin'ny teny Frantsay ny fiantso azy fa ny antsika Malagasy mantsy dia fifadiana ihany.)
Ny tena fiantso azy aloha dia "jeûne intermittant"(JI).
✅ misy ny atao hoe" jeûne altérnatif": eto dia mifady mandritra ny 24ora. Iray na adro maromaro mandritra ny herinandro, tsy andro mifanaraka izany fa elanelanina izay no maha altérnatif azy.
✅ ny jeûne modifié indray na JI 5:2 na 4:3 dia entina hilazana ny hoe 4na 5 andro mihinana ohatry ny mahazatra anao fa ny andro sisa dia tsy mihinana mihoatra 25°/° ny kaloria fihinanao.
✅ ny jeûne permissif ( JI 16:8 na 20:4)kosa dia fizarana ny 24 ora ho fotoana hifadiana sy fotoana hihinanana. Ny 16:8 izao dia midika hoe 16 ora mifady ary 8ora mihinana. Tandremo sao mandray antendrony eo koa hoe 8ora hihinana tsy hijanona😮! Maty voky eo lozzaaaaa!
Toy izao ny fikajy azy: raha amin'ny 7ora ny sakafo hariva + 16 ora= amin'ny 11ora izany vao tokony hihinana indray.
Dia hoy indray ianao hoe amin'ny firy izany ny sakafo atoandro?
Ito no soso-kevitro:
➖sakafo maraina am 10 ora
➖sakafo atoandro am 1ora
➖sakafo hariva am 6ora
10ora-6ora io ilay adiny 8.
Dia toy izay hatrany ny fikajy azy raha hanao JI 20:4aza.
Inona ary ny SOA hoenton'ity fampahoriam-batana ity😂😂😂
➡ mampidina ny tahan' ny siramamy (taux d'insuline)
➡ mampihena ny tahan'ny menaka ratsy anatin'ny ra ( taux de mauvais cholesterol dans le sang)
➡ manadio ny taova
➡ mampihena ny lanja
FANAMARIHNA
Raha sambany ianao vao hifady hanina na ianao ilay olona miteny foana hoe " izaho tsy mahazaka noana", dia amboary aloha ny saina. Io ilay nolazaiko hoe mila finiavana. Teneno, reseo lahatra ny vatanao hoe vitanao io, misy tanjona tratrarina isika...
Atomboka tsikelikely ary aloha e, aza tampohana ny vatana sao torana eo😉
Ka: ✔arosoy ny sakafo hariva
✔ahemory ny sakafo maraina
Tohizana tsikelikely
Alefa💪💪
Vitanao io👊👊👊
Izay indray aloha fa na ianao mamaky aza efa mety monamonaina. Amin'ny manaraka indray hifampizarana ny DETOX sotroina na hohanina isika.

Mirary ny soa sy ny tsara indrindra ary e!
Indro sary indrana atao fehiny

08/04/2023

Mbola faly miarahaba antsika rehetra. Faly foana izahay mifampizara izay kely fantatra amintsika.
Sucre ary ve ny Glucides? Ny Glucides ve sucre?
Hihihi, Kotozafy ve Lekisisy?😆😆😆

Tany ampiandohana aho dia nilaza fa ny siramamy no solika mampandeha ny vatana. Raha ny marimarina kokoa dia ny "Glucides" no tiana hambara eto. Misy karazany roa izy io ary tena ilain'ny vatan'ny olombelona.

1) misy ireo tsotsotra (simple) sy manana tsiro mamy ary mora sintonin'ny vatana. Mety ho fitambaran-javatra izy. Ny tena ahitana azy dia ireo zavatra nasiana siramamy na/sy voankazo🍌🍉🥝. Ireny no antsointsika matetika hoe "Sucre" fa raha ny marimarina kokoa dia "SACCHAROSOSE" .

2) misy kosa ireo sarotsarotra ( complexe). Hita matetika any amin'ireny antsoina hoe "Feculents" ireny. Izany hoe ny " amidon, fibres et glucogènes"🥔🍞🥬🥦. Tsy manana tsiro mamy izy ireny saingy ny singa ao anatiny dia fitohitohizana "sucre" ( longue chaine de sucre) izay mila fotoana elaela ny fitrohan'ny vatana azy.

Izay indray aloha no azo natolotra androany fa mirary fety sambatra ho an'ny tsirairay.
Samy hahita ny Fitsanganan'ny Tompo eo amin'ny fiainany. 💕💕💕PASKA SAMBATRA💕💕💕

Alatsinainy ny andro! Andro vaovao, fanombohana herinandro vaovao. Andro hitondra TSIKY ho an'ny rehetra.😀😀😀Hitohy amin'...
27/03/2023

Alatsinainy ny andro! Andro vaovao, fanombohana herinandro vaovao. Andro hitondra TSIKY ho an'ny rehetra.😀😀😀

Hitohy amin'ny fizarana ny momba ny SUCRE indray ary isika e! Ireto tanisaina manaraka ireto dia sucre avokoa. 😮🤔🤔 tsy nampoiziko!!!

✅ ireo nahazatra anao, sy fahita eny amin'ny mpivarotra mahazatra anao dia ny: siramamy (brut ou rafiné), sucre en poudre, sucre de betterave, sucre de canne, sucre cassonade, sucre brun, ....

✅ ireo izay mitondra ny anarana miafara amin'ny -OSE rehetra. Oh: saccharose (ilay siramamy ito), fructose ( ao anaty voankazo itony), glucose (ireny féculents ireny), lactose (ao amin'ny ronono), dextrose, maltose...

✅ ireo jus jus rehetra na dia jus de fruit sans sucre ajouté aza no iantsoan'ny mpanamboatra azy.

✅ farany, ireny izay lazaintsika hoe "naturel" ireny, indrisy fa sucre ihany izy ireny. Oh: tantely, sucre de coco, sirop d'érable, sirop d'agave...

❇Mbola mitantara karazany fotsiny aho eto fa tsy milaza ny haavon'ny fiatraikany amin'ny vatan'ny olombelona an.❇

Mety ho fantatrao ary ve fatran'ny siramamy laninao isan'andro? Misy sary nalaiko tamina boky iray ity hanaovanao fampitahana kely amin'ny tontolo andronao.

Eny e! Ho anao milaza hoe izahay angaha mihinana an'ireo! Ho zaraiko amin'ny manaraka ny fikajiana azy rehefa vary beu sy laoka beu foana no hanina maraina, atoandro, hariva.

Izay ary aloha fa mirary ny soa sy ny tsara indrindra!😍😍😍😍

Address

Andohaniato, Ambohipo
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny ArtSoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share