Cabinet Medical Traditionnel Mitsinjo aina

Cabinet Medical Traditionnel Mitsinjo aina Medecine et santé

🧘‍♀️ Atsangano miankina amin’ny rindrina ny tongotrao mandritra ny 10 minitra isan’andro, dia ho hitanao fa lalina kokoa...
28/01/2026

🧘‍♀️ Atsangano miankina amin’ny rindrina ny tongotrao mandritra ny 10 minitra isan’andro, dia ho hitanao fa lalina kokoa noho ny eritreretinao ny vokany hoazonao✨

🤔 Inona no mitranga rehefa asandratra ny tongotra?

1️⃣ Manala haingana ny fitohanana amin’ny tongotra 🦵
Mandritra ny andro, ny rà sy ny rano ao anaty ra (lymphatique) dia miangona any amin’ny tongotra
Mora miverina any amin’ny fo ny rà ❤️⬆️
Mihatsara ny fivezivezen’ny rà 🔄
Mihena ny fahatsapana mavesatra sy fivontosana amin'ny tongotra 🪶
Mihena ny fanaintainana sy harerahana amin’ny hariva

2️⃣ Miova “mode” ny rafitra fifehezan’ny saina 🧠✨

Vokany:
Mihena ny fitempon’ny fo 💓
Miala sasatra tsikelikely ny hozatra 💆‍♀️
Mihena ny adin-tsaina sy tebiteby 🍃

3️⃣ Manamaivana ny lamosina ambany sy manatsara ny fifohana rivotra 🌬️
Mihena ny tsindry amin’ny hazondamosina ambany 🦴
Mihena ny fanaintainan’ny lamosina
Mifoka rivotra mora sy lalina kokoa 😮‍💨
Mampitombo ny oxygene ao amin’ny vatana izany ary mampitony tanteraka ny saina ☁️

4️⃣ Manampy ny fanadiovana anatiny sy ny fivezivezen’ny rà madinika 💧

Mora mivoaka ny loto sy poizina 🧹, ary mahazo otrikaina sy oxygene bebe kokoa ny sela 🌱

🛏️ Ahoana no fanaovana azy tsara?
Ampiakaro amin’ny rindrina na ondana mafy ny tongotra
Mandria mitsotra, akaiky araka izay azo atao amin’ny rindrina ny valahana
Aza terena ny lohalika
Avelao hiala sasatra ny tanana, mitodika miakatra ny felatanana 🤲
Mifoka rivotra miadana sy lalina, dia avoahy miadana kokoa 🌬️

⏱️ 10 minitra dia efa mahatsapa vokany
⏱️ 15 minitra vao mainka tsara koko
Aza adino mi-abonné ny page an

Indramintsika ito pub n'i rasazy itoNY LOHA MALEMY NY ZAZAZAKELY 👇👇👇🔔Mino za fa maro amintsika no mahatsikaritra Ilay fa...
03/09/2025

Indramintsika ito pub n'i rasazy ito
NY LOHA MALEMY NY ZAZAZAKELY 👇👇👇

🔔Mino za fa maro amintsika no mahatsikaritra Ilay faritra somary malemilemy amin'ny Lohan-janatsika iny. Iny no atao hoe loha MALEMY ,misy EO aloha Dia misy aorina

🔔INONA NO ILANA ILAY LOHA MALEMY 👇 ?

🌿Ny loha MALEMY Dia manampy amin'ny fitomboan'ny loha ny Zaza mandritra ny roa taona voalohany iainany .

🌿Anisan'ny manamora ny Fiterahana KOa izy noho Ireo taolan-doha miatery rehefa mandalo am col .

🛑REHEFA AHOANA NO TOKONY ATAHORANA 👇

🌿Lasa milentika be Ilay loha MALEMY :manambara izany fa TSy ampy rano Ilay rano Ilay Zaza(déshydraté)ka Mila manantona tobimpahasalamana farak'izay malaky

🌿Lasa mibontsina Ilay loha MALEMY :manambara izany fa misy aretina toy ny méningite,ny hydrocéphalie ,......

🌿Mihidy aloha loatra(aloha 6bolana) na Tara lotra(mihoatra 30 volana)

❌TANDREMO❌

🛑Tsy azo horina Ilay loha MALEMY satria mety aharatsy Ilay endriny izany lasa mideforme .

🛑Raha misy tranga hafahafa hitanao manantona avy hatrany tobimpahasalamana na pediatrie

Izay fa Dia tsara ity talata ity Dia mirary tontolo andro mafinaritra ho antsika rehetra 😉

-fy manoro hevitra Ara -pahasalamana ho an'ny reny sy ny Zaza

Tsy mifidy sarangan'olona ity recette ity fa Tonga dia raiso ny stylo sy cahier fa in-dray tsy miverina ny fizarana eto ...
03/09/2025

Tsy mifidy sarangan'olona ity recette ity fa Tonga dia raiso ny stylo sy cahier fa in-dray tsy miverina ny fizarana eto @ pejy oh 🤭🤭🤭

Tia azy? Ndao hianatra azy ary♥️Ampianariko karazany maro ianareo anio

♥️GLACE♥️

1️⃣Crème glacée (vanille)
👉Akora ilaina :

-500 ml crème liquide (be manify)
-250 ml ronono be tavy
-150 g siramamy
-Tamenak'atody 5
-1 bâton vanille na 2 sotro kely extrait vanille

👉Fikarakarana :

Hafanaina ny ronono + crème + vanille mandra-piboiboika kely.

Kapohina miaraka ny jaune d’œuf sy ny siramamy.

Araraka miadana ny ronono mafana ao anaty atody kapohina Ary afangaro.

Averina ao anaty lapoaly amin’ny afo malefaka mandra-pahazoana crème anglaise (miraikitra amin’ny sotro).

Avela hangatsiaka, avy eo atao ao anaty sorbetière na ao anaty vata fampangatsiahana, afangaro isaky ny 30 mn mandra-pahazahoana Zavatra mitambatra si malefaka.

2️⃣. Glace au lait (maivana kokoa)

👉Akora ilaina :
-750 ml ronono
-150 g siramamy
-2 sotro fihinanana maïzena
-1 sotro kely vanille na kakao

👉Fikarakarana :

Afangaro ny ronono + siramamy + maïzena.

Hafanaina mandra-pihamafy kely Ary Ampiana ny vanille na kakao.

Avela hangatsiaka, avy eo atao ao anaty vata fampangatsiahana, afangaro isaky ny 30 mn mba tsy ho lasa cristal be.

3️⃣. Sorbet (manga ohatra)

👉Akora ilaina :

-500 g manga voatetika
-150 g siramamy
-200 ml rano
-Ranom-boasary makirana 1

👉Fikarakarana :

Atao sirop ny rano + siramamy, avela hangatsiaka.

Potserina miaraka ny manga sy ranom-boasary makirana.ary afangaro izany

Atao ao anaty sorbetière na ao anaty vata fampangatsiahana, afangaro isaky ny 30 mn.

4️⃣. Frozen yogurt (yaourt mangatsiaka)

👉Akora ilaina :

-500 g yaourt naturel
-120 g siramamy vovony (sucre glace)
-1 sotro kely vanille
-Voankazo vaovao na coulis (tsy voatery)

Fikarakarana :

Afangaro ny yaourt + siramamy vovony + vanille. Ny coulis ihany koa Raha hampiasa izany🙂

Atao ao anaty sorbetière na ao anaty vata fampangatsiahana, afangaro isa

🟨 INONA MAHATONGA NY FAHAFATESANA TAMPOKA AMIN'NY ALINA ? Hoan'izay mifoha amin'ny alina mihainohaino trano na mifoha hi...
13/07/2025

🟨 INONA MAHATONGA NY FAHAFATESANA TAMPOKA AMIN'NY ALINA ?

Hoan'izay mifoha amin'ny alina mihainohaino trano na mifoha hipipy.. ny olona tsirairay avy dia tokony hitadidy lalandava ny hasarobidin' ny "3 minitra sy sasany" alohan'ny tena ifohazana.

Satria tokoa matetika mitranga ny toa izao, olona mbola salama tsara no maty amin'ny alina..matetika isika no mandre ny tantaran'ny olona manao hoe: vao omaly aho niresaka taminy, salama tsara izy, fa nahoana ary izy no maty tampoka?

NY anton'izany dia satria rehefa ilay poritra iny ilay olona ny alina dia tsy manisy lanja ilay 3 minitra sy sasany voalaza tetsy ambony fa avy hatrany dia mitsangana...nefa izay fitsanganana tampoka izay dia mampisy olana ny amin'ny fikorinan'ny rà izay tsy mbola tonga tsara any amin'ny atidoha.

Nahoana no zava-dehibe ny"telo minitra sy sasany"?

Raha mifoha tampoka dia hisy tsy fahampian-drà any amin'ny atidoha ka miteraka aretim-po.. noho izany dia tsara ny mampihatra ilay " 3mn sy sasany" izay:

🟢 1-Rehefa mifoha ianao ny alina dia mijanona eo am-pandriana mandritry ny 1mn sy sasany.

🟢 2- Mipetraha eo am-pandriana mandritry ny 1mn.

🟢 3-Ampidino ny tongotra ary mipetraha eo amin'ny sisin'ny fandriana mandritry ny 1mn manaraka.

Rehefa vita tsara ireo 3 mn sasany ireo dia tsy ho voan'ny " anémie" intsony ny atidohanao ary ho salama ny fonao ka mampihena ny mety ho fianjerana sy fahafatesana tampoka.

Aleo samy mitandrina avokoa fa tsy mifidy taona izay tranga iray izay...mirary soa ho antsika rehetra

Arakaraka ny hizaranao an'ity pub ity no hamonjenao olona.Tsy anenenanao izany ary tsy andanianao vola. Ny tsy fahafantarana ihany no mahafaty olona

ALEFA...PARTAGEO MAXIMUM FA NY FAHALALANA AFAKA MANAVOTRA AIN'OLONA MARO

Indrana,

Zavatra roa samy hafa mihitsy ireto :   🛑 Infections urinaires    🛑 Angatra / solopiso ( gonocoque) 😌 Angatra aretina no...
13/07/2025

Zavatra roa samy hafa mihitsy ireto :

🛑 Infections urinaires
🛑 Angatra / solopiso ( gonocoque)

😌 Angatra aretina no resahako eto fa tsy totom na ilay mampatahotra anao isakin'ny alina a .

🧏‍♀️ Fa ny angatra no hazavaiko aminareo . Samy mety ho voan'izy aretina ity daholo na lahy na vavy.

🦟 Ny angatra dia aretina azo avy aminy firaisana ara-nofo , fisolosolona olona niarahana . Sinon hoe ianao no nitifitra tany an-kafa dia avy eo nitifitra ny vadinao na sipanao dia voa koa izy .

🛑 Fisehony aminy lehilahy :

🦟 Mandeha tsiranoka
🦟 Mandeha nana na misy nana mivoaka ny filahilana
🦟 Marary rehefa mipipy
🦟 Marary rehefa manao firaisana ara-nofo
🦟 Tsy mihenjana tsara ny filahina
🦟 Misy tsiranoka mandeha foana
🦟 Mangididy anaty filahina
🦟 Mangididy ny filahina

🛑 Fisehony aminy vehivavy :
🦟 Lasa misy perte sady misy fofona
🦟 Mangididy lava ny fivavina
🦟 Marary rehefa manao firaisana ara-nofo
🦟 Misy nana mandeha ny fivavina
💉 Marary rehefa mipipy
💉 Te hipipy lava ,sns ....

🛑 Effet secondaire :

🥺 Tsy mety velona ny filahina
🥺 Lasa misy perte sady mangididy no misy fofona
🥺 Kamo manao firaisana ara-nofo
🥺 Cancer prostate
🥺 Cancer du col de l'utérus
🥺 Marary isakin'ny hanao firaisana ara-nofo
🥺 Tsy afaka fofona ny fananahana
🥺 Lasa misy fofona ny spermatozoïdes, sns ...

🥰 Solution omeko anao :

👅 Manaja n'y olona miaraka aminao
👅 Dia mampiasa kapoty....

😌 Dia aza miheno vavan'olona fa aretina tsy misangy aminao, mandehana Docteur 🩺

Tsy misy hoe aza alefa any de hoe tsy mahazo lay aretina , tandremo tandremo fa zava-doza ....

Ireto ny famantarana mahazatra fa mety tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST na Infections Sexuelle...
13/07/2025

Ireto ny famantarana mahazatra fa mety tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST na Infections Sexuellement Transmissibles):

1. Famantarana amin’ny lehilahy:
• Marary na maharary rehefa mi-pipi.
• Fanaintainana na fahasosorana eo amin’ny faritra ara-nofo.
• Tsiranoka tsy mahazatra mivoaka amin’ny filahiana (fotsy, mavo, na maitso).
• Ratra, fivontosana, na pentina eo amin’ny filahiana na faritra manodidina.
• Fanaintainana rehefa manao firaisana ara-nofo.

2. Famantarana amin’ny vehivavy:
• Tsiranoka tsy mahazatra avy amin’ny fivaviana (fotsy, mavo, na misy fofona ratsy).
• Fanaintainana na maharary rehefa mi-pipi.
• Marary rehefa manao firaisana ara-nofo.
• Ratram-pivaviana na fivontosana.
• Fanaintainana amin’ny kibony ambany.

3. Famantarana ankapobeny ho an’ny lehilahy sy vehivavy:
• Tazo na fahatsapana reraka.
• Fivontosana amin’ny lamosina ambany na kibony.
• Pentina, ratra, na fivontosana amin’ny vava, orona, na lavaka fivalanana.
• Nohalavan’ny aretina ka misy fiantraikany amin’ny taova hafa (oh: fo, atidoha).

Ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo dia mety tsy hisy famantarana miharihary amin’ny voalohany, ka zava-dehibe ny manao fitiliana tsy tapaka raha manana firaisana tsy voaaro na manana mpiara-miasa maro.

🔴 𝙎𝘼𝙆𝘼𝙁𝙊 𝙢𝙖𝙢𝙥𝙞𝙝𝙚𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙂𝙊𝙐𝙏𝙏𝙀 ⚠️ | ny Gouty dia aretina mandoza azo avy amin’ny fiangonan’ny acide urique ao anaty vanint...
05/07/2025

🔴 𝙎𝘼𝙆𝘼𝙁𝙊 𝙢𝙖𝙢𝙥𝙞𝙝𝙚𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙂𝙊𝙐𝙏𝙏𝙀 ⚠️ | ny Gouty dia aretina mandoza azo avy amin’ny fiangonan’ny acide urique ao anaty vanintaolana. Ny fivontosan’ny cheville sy ny akihibe tongotra no fomba fisehony matetika, ka manaintaina tsy laitra. Mety hahatonga hatramin’ny Insuffisance Rénale raha tsy voatsabo tsara.

❌ Ny fihinanana be loatra ireto sakafo manaraka ireto no antony mampihetsika ny gouty. Na izany aza dia tsara fantatra fa manaranaka ny gouty. Noho izany dia lanjalanjao ny fihinanana ireto sakafo ireto :
🍺 𝘼𝙇𝘾𝙊𝙊𝙇 : indrindra fa ny 𝙇𝘼𝘽𝙄𝙀𝙍𝘼
🥩 𝙃𝙀𝙉𝘼 𝙈𝙀𝙉𝘼 : omby, ondry
🍖 𝙏𝘼𝙊𝙑𝘼𝙆𝙀𝙉𝘼 : atiny, vaoniny, fony, atidoha
🐟 𝙏𝙍𝙊𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙈𝘼𝙏𝘼𝙑𝙔 : sardines, saumon, truite
🦀 𝙁𝙍𝙐𝙄𝙏𝙎 𝘿𝙀 𝙈𝙀𝙍 : crevettes, foza, homards
🥤𝙕𝘼𝙑𝘼-𝙋𝙄𝙎𝙊𝙏𝙍𝙊 𝙈𝘼𝙈𝙔 𝙇𝙊𝘼𝙏𝙍𝘼 : soda, sirops, jus
🥫 𝙎𝘼𝙐𝘾𝙀𝙎 𝙈𝘼𝙏𝙎𝙄𝙍𝙊 𝙍𝙀𝙃𝙀𝙏𝙍𝘼 : indrindra ny fampiasàna ireny « cubes » mampatsiro sakafo ireny
✅ 𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗞𝗢𝗡𝗬 𝗛𝗔𝗧𝗔𝗢 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗜𝗦𝗢𝗥𝗢𝗛𝗔𝗡𝗔 :

💧 Misotroa RANO 2 litatra isanandro
🥃 Ahenao ny fisotroana TOAKA indrindra ny LABIERA
🥩 Tandremo ny fihinanana HENA MENA
🥓 Tandremo ny fihinanana CHARCUTERIE
🦞 Tandremo ny fihinanana FRUITS DE MER
🫕 Manaova fanenam-batana
❌ Lanjalanjao ny TSAKY sy ny PI 😉
🔥 𝙎𝘼𝙈𝙄𝘼 𝙈𝙄𝙕𝘼𝙍𝘼
___
Dr. Rakotonoel, Cardiologue ❤️

🎓 Te hianatra informatique maimaim-poana ve ianao ?Ireto misy 10 site internet afaka manampy anao hianatra informatika G...
29/06/2025

🎓 Te hianatra informatique maimaim-poana ve ianao ?

Ireto misy 10 site internet afaka manampy anao hianatra informatika GRATUITEMENT, na manomboka ianao, na te hanamafy ny fahaizanao :

💻 www.codecademy.com – Mianara programmation (HTML, CSS, Python, sns.) mora sy tsikelikely.

📘 www.khanacademy.org – Misy lesona informatika sy algorithmie ho an’ny vao manomboka.

📚 www.coursera.org – Misy cours avy amin’ny oniversite manerantany (afaka misafidy cours gratuits).

🧠 www.edx.org – Mitovy amin’i Coursera, afaka mahazo certificat koa rehefa vita.

🎥 www.youtube.com – Misy tutoriel amin’ny fiteny maro, ahitana informatique de base sy avancé.

💡 www.sololearn.com – Mianatra programmation amin’ny finday na ordinateur.

🌐 www.openclassrooms.com – Misy cours informatique amin’ny fiteny frantsay.

👨‍🏫 www.freecodecamp.org – Fampianarana mifantoka amin’ny coding sy développement web.

🖱️ www.gcflearnfree.org – Mianatra Word, Excel, PowerPoint sy internet de base.

🧰 www.w3schools.com – Loharanon-kevitra tsara amin’ny HTML, CSS, JavaScript, SQL, sns.

💡 Raha te hianatra fa tsy manana vola aloha, dia ireo site ireo no manampy anao hivelatra sy ho matihanina amin’ny solosaina.

➡️ Zarao amin’ny namana mety mila an’izao fanampiana izao !

🇲🇬❤️FANAFODY NATORALY AMIN'NY FITSABOANA NY ARETINA CYSTIE CERCOSE NA KANKANA ANATY ATI-DOHA :Matetika vokatry ny fihina...
23/06/2025

🇲🇬❤️FANAFODY NATORALY AMIN'NY FITSABOANA NY
ARETINA CYSTIE CERCOSE NA KANKANA ANATY ATI-DOHA :

Matetika vokatry ny fihinanana hena kisoa tsy masaka tsara sy ny anan-drano ihany koa, no tena antony mahatonga ireny aretina kankana any amin'ny ati-doha ireny. Ka tena mila mitandrina isika rehetra ary mila misoroka ihany koa.

ZAVATRA ILAINA
Misy zavatra roa azo hisafidianana ireto, ary izay hitanao fa mety aminao no atao:

• Ravi-saonjo
• Ravitoto manta

FOMBA FAMPIASANA AZY
Ravi-saonjo : Hatao laoka isan'andro ka tsy afangaro ninon'inona mihitsy, raha tsy sira sy rano ihany.
Ravitoto : Totoina hatao mivoaka ranony, ka sotroina in-droa sotro fihinanam-bary ny maraina sy ny hariva alohan'ny hatory.

FAHARETANY
Mandritra ny 3 herinandro ny traitement an'ilay ravi-saonjo na ravitoto, ka maty tanteraka ireo kankana anaty ati-doha.

FANAMARIHANA
Na ianao mampiasa ravi-saonjo, na ianao mampiasa ravitoto. Tandremo ihany koa ny fihinana hena tsy mazaka, na legioma tsy voasasa sy tsy masaka tsara.

Mba ho fanampiana ireo namana, dia zarao sao mahasoa ity fanafody natoraly ity, satria betsaka ireo olona mijaly. Aza adino ny manaraka ny pejy isan'andro.

Mirary soa hatrany dia mba zarazazarao maximum fa mahasoa anao sy ny hafa merci 🙏🤗🇲🇬

Aza hadino hatrany manaraka ny page-tsika raha tehahazo zavatra mahasoa sy mahaliana isanadro ianao

🍒 FOMBA VOAJANAHARY HANASITRANA FO SY ARETINA MARO AMIN’NY FARYZava-pisotro tsotra sy mahery vaika hanampy amin’ny fanar...
22/06/2025

🍒 FOMBA VOAJANAHARY HANASITRANA FO SY ARETINA MARO AMIN’NY FARY

Zava-pisotro tsotra sy mahery vaika hanampy amin’ny fanarenana sy fanasitranana ny fo, ary mahasoa amin’ny aretina maro hafa!

Ny fary dia manana otrikaina maro sy toetra manasitrana, indrindra raha ampifangaroina amin’ny fomba fanao nentim-paharazana. Ity fanafody ity dia tena efficace amin’ny aretin’ny fo ary azo ampiasaina ho rano fisotro mandritra ny andro.

🍒
🟢 Fary fotsy 2 vaniny (ilay eo amin’ny lohany, matsatro)
🟢 Fary mamy 2 vaniny
🟢 Rano 4 litatra

🍒

🟢 Dingana 1:
Potipotirina madinika tsara ny fary fotsy sy fary mamy.

🟢 Dingana 2:
Asiana rano 4 litatra ireo fary notapatapahina.

🟢 Dingana 3:
Ampandevezina (ahetsehina amin’ny afo antonony) mandritra ny 30 minitra – 30mn no fotoana andeviana (magotraka).

🟢 Dingana 4:
Rehefa avy mandevy dia ho mihena ho 3 litatra eo ho eo ilay fangaro.

🟢 Dingana 5:
Avela hangatsiaka kely, dia raisina ho rano fisotro 1 litatra isan’andro, mandritra ny 3 andro misesy.

🍒
🟢 Mahasitrana sy manamafy ny fo
🟢 Manadio ny ra sy ny atiny
🟢 Manatsara ny fivezivezen’ny rà
🟢 Mety amin’ny aretina maro hafa koa

➡️ Zava-pisotro tsotra nefa manampy be dia be! Ataovy an-trano, zarao amin’ny hafa, mety hahasoa olona tsy ampoizinao!
Hita ary zaraina

CATARACTE Soritr'aretina 1- Manjavona ny maso 2- Tsy mahita am alina 3- Tsy mahita loko 4- Anakiroa rehefa mijery zavatr...
22/06/2025

CATARACTE
Soritr'aretina
1- Manjavona ny maso
2- Tsy mahita am alina
3- Tsy mahita loko
4- Anakiroa rehefa mijery zavatra iray
Antony mahatonga azy
1- Fifohana zavamahadomelina ( sigara sn...)
2- Ultra violet avy am masoandro
3- Taona
4- Diabete
5- Fisotroana alcool
6- Tavy
7- Tosi-dra ambony
8- Manaranaka
9- Fihinanana fanafody maharitra
10- Trauma
Akoatran'ny fandidina dia ireto misy zavatra tokony atao
1- Manao the voninkazo Calendula ( tsy misy azy any Mada )
2-Afaka manao the ( rano mangotraka 1 verre asina poivre noir tapakin sotro kely , girofle 6 ) afaka asina tantely avy eo dia sotroina rehefa matimaty
3- Mihinana sakafo be vitamine B1( saumon, sardine , tuna, hena , atody , voatavo , vary mena , fotsy , cereal , voana tanamasoandro, produits laitiers )
4- Manao regime alimentaire am diabete na tosi-dra ambony
5- Asina colyre NAC isan andro ny maso raha misy
ORGANIC FOOD PAGE ❤

HODITR'AKONDRO ENTINA HANAFAHANA TSY FAHATOMOMBANANA EO AMIN'NY FAHASALAMANA.    Efa nisy fotoana izahay niresaka mahaka...
11/06/2025

HODITR'AKONDRO ENTINA HANAFAHANA TSY FAHATOMOMBANANA EO AMIN'NY FAHASALAMANA.
Efa nisy fotoana izahay niresaka mahakasika ny hoditr'akondro natao "décoction" entina hikarakarana aretina maro. Androany indray izahay Dia hizara fomba hafa hikarakarana ny hoditr'akondro hanafahana tsy fahatombanana eo amin'ny fahasalamana.
Ny hoditr'akondro Dia tena manankarena otrikaina maro tokoa, toy ny mineraly, antioxydants, vitamines maro karazany, oligo-éléments ary fibres ka tena manana fahafahana hikarakarana olana maro eo amin'ny fahasalamana. Ity fomba iray hozarainay manaraka ity dia entina hanafahana ny mycose sy ny infections vaginales na génitales, eczéma, psoriasis, manatsara ny fahasalaman'ny taovam-pandevonan-kanina no sady manatsara ny fandevonan-kanina, entina hanatsarana ny fahasalaman'ny hozatra, entina hanafahana ny infection sy ny firehetana ateraky ny "angines", ary koa "antibactérien" miady amin'ny bactéries mahatonga izany, entina handevonana ny kambon-tenda.
FOMBA FIKARAKARANA SY FISOTROANA AZY: maka hoditra Akondro lehibe iray (1) dia dorana anaty fatana misy vainafo, rehefa may tsara Dia esorina ao, totoina halemy tsara, tatavanina mba azahoana Ilay poudre malemy. Maka rano mahamay vao avy nangotraka 200 ml (1vera), araraka ao Ilay poudre hoditr'akondro nokarakaraina teo ary arohina tsara dia sotroina 5 minitra alohan'ny hisakafo maraina na atoandro na ny hariva, izany hoe indray misotro Io fatra Io Ary indray misotro ihany amin'ny izay fotoana ahafahanao mihinana azy amin'ireo fotoana voatondro etsy ambony. Hoan'ny "angines" sy ny fandevonana ny kambon-tenda manonkana kosa dia atao gararaka isaky ny avy misakafo Io fangaro voakarakara Io fa asiana sira 3 tsongo fotsiny ho fanampiny. Atao izany mandrapahafaka tanteraka ny tsy fahatombanana eo amin'ny fahasalamana, izany hoe atao traitement systematique (isanandro) arakaraky ny dingan'ny aretina.

Address

Andavamamba
Antananarivo
101

Telephone

+261326511717

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Cabinet Medical Traditionnel Mitsinjo aina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram