19/02/2026
🚨 BRONCHIOLITE – Tandremo ny zaza !🚨
📍Aretina mahazo indrindra ny zaza latsaky ny 2 taona ny bronchiolite👶. Matetika dia manomboka amin’ny sery🤧 tsotra fa avy eo lasa sahirana miaina ilay zaza
🔎 Ireo famantarana mampanahy:
☑️Miaina haingana na misy feo ny tratra🌬️
☑️Miainga be ny tratrany rehefa miaina🫁
☑️Tsy mety misotro ronono na misakafo🍼
☑️ Reraka be tsy toy ny mahazatra
☑️Misy tazo🌡️
⚠️ Raha sahirana miaina ny zaza → ENTO HAINGANA ANY AMIN’NY MPITSABO👩⚕️👨⚕️🏥⚠️
🏠 Inona no azo atao ao an-trano ?
✔️ Manadio orona amin’ny sérum physiologique matetika👃
✔️ Zaraina ho kely fa matetika ny sakafo/ronono
✔️ Atao misotro rano tsara ny zaza💦
✔️ Sokafana tsara ny trano hivezivezen'ny ny rivotra 🏠
✔️ Alaviro ny setroka ny zaza (sigara, setroka charbon…)🚭
❌ Aza manome fanafody tsy nahazoana torohevitra ara-pahasalamana azo antoka❌
❌ Aza manome sirop kohaka raha tsy misy toromarika ara-pitsaboana❌
🛡️ Fisorohana:
☑️Manasa tanana matetika🧼
☑️Ferana ny fitsidihana zaza vao teraka👶
☑️Tsy atao mifanerasera amin'ny olona voan'ny sery ny Zaza❌🤧
☑️Mampiasa "spray assainissant" mba hanadiovana ny efitrano🧴
☑️Mampiasa masque raha toa ka voan'ny sery nefa tsy maintsy mifanerasera amin'ny zaza😷
📍"Sarobidy ny aina, harena ny fahasalamana."
📍Arovy ny menaky ny aintsika.