23/01/2026
MPOX (nendran-drajako)Aretina mpahazo ny biby avy @ virus Monkeypox (Orthopoxvirus).Nifindra t@ olona na @ samy olona
1-FISEHONY:
-Herinandro eo ho eo:
- miakatra ny hafanana,
- marary an-doha
- reraka be
- mitsakotsako ny vanin-taolana sy ny lamosina
- marikoditra
Mampiavaka azy @ nendram-boalavo:
* misy atody tarimo mibontsina sady marary na eny @ tenda,na ambany helika,na elakela-pe
*ny nendram-boalavo dia matetika ny ankizy no voa na misy voa vitsy aza ny lehibe fa eto dia mety daholo na ny ankizy na ny lehibe
2-KIBONTSONA
-kibontsina mipoitra manaraka na aorian’ny fanaviana
Tasy menamena
mibontsina avy eo,mipoa-drano
mivadika toy ny nana nefa koa mey ho rano somary madio
Maina ,somary mamovoka ary mihintsana.
* Miantoboka eo @ tarehy @ ankapobeny avy eo mamonjy ny fela-tanana sy faladia ary ny ati-vava dia mahazo ny vatana manontolo
*mahazo ny ati-vava,taovam-pananahana...
* marary sy/na mangidihidy ireo kibontsina ireo ary avy eo maina.
2 hatramin’ny 4 herinandro @ ankapobeny ary sitrana ny ankamaroany
3- FAHASAROTANY:
*manonitra,mamory nana ny fery ary mampanavy sy mandreraka ny marary.
*simba ny maso ka mety ho jamba
*fahaseporana
*fahavoazan’ny ati-doha
Ireo olona tsy ampy hery fiarovana no matetika ahitana ireo endrika fahasarotana
4-FIFINDRANY :
* Mifindra @ fifampikasohana mivantana,
*mifindra @ piti-drora sy rehoka sy lelo,
*ny fikasohana ireo zavatra na fitafian’ny marary
*mifindra @ firaisana ara-nofo
5-FISOROHANA:
*Atokana efitrano mandra-pahasitranany ny marary :rehefa maina tanteraka ny kibontsina ary tsy mamovoka intsony vao sitrana
*tsy kasihana na vakiana ireo kibontsina
*manao aro-vava- orona
*Manasa tanana matetika @ rano sy savony na gel hydroalcoolique
*fiainana ara-pahasalamana hampatanjaka ny hery fiarovana:
1-sakafo maro karazana indrindra voankazo,sakafo hanina manta(crudité)
2-mila ampy tori-maso sy mampiasa vatana hampatanjaka ny hery fiarovana
Ndao hifampizara fa miainga avy amintsika tsirairay ny fiarovana ny tenatsika sy ny hafa