Maatsilo officiel

Maatsilo officiel Distributeur officiel de la farine nutritive Maatsilo
Enfin la santé a bon goût
(1)

💪💪🏃‍♀️MAMPATANJAKA no 🧠MAMPATSILO SAINA ny KoBA MAATSILO.🇲🇬VITANTSIKA MALAGASY sady 100% Natoraly.🤩🤩SAdy efa Mamy no  Ma...
29/07/2025

💪💪🏃‍♀️MAMPATANJAKA no 🧠MAMPATSILO SAINA ny KoBA MAATSILO.
🇲🇬VITANTSIKA MALAGASY sady 100% Natoraly.

🤩🤩SAdy efa Mamy no Matsiro eryyyy!!! Azo ato petit déjeuner, goûter !!!

🤩EFA mahery ny 20 VITAMINES sy SELS MINERAUX ny ao anatin'ny KOBA MAATSILO.
👉BE PROTEINES SY CALCIUM.
🗣Ho anao izay Mpanao fanatanjahan-tena, Mpianatra mampiasa saina mba ho "Tafita", olona vizabizaka sy reradreraka lalan-dava!!!🧠💪👩‍🏭👩‍💼

👉Vonona Hatrany izahay hanao livraison🧑‍⚕️ fa aza misalasala mandray an-tanana ny FAhasalamanao!
́

✊Ny Maatsilo dia mirary anao fahombiazana tanteraka amin'ny fanalana ny fanadinana BACCALAURÉAT.Ireto ara hono misy toro...
20/07/2025

✊Ny Maatsilo dia mirary anao fahombiazana tanteraka amin'ny fanalana ny fanadinana BACCALAURÉAT.
Ireto ara hono misy torohevitra mety hahasoa anao , ra hanala Bacc rahampitso. ✨👇

✅TOROHEVITRA vitsivitsy TENA ILAIN'IREO MPANALA FANADINANA 🔥BACCALAUREAT🔥.
Roa taona izay no nanarahako akaiky Mpianatra collège , lycée sy université mba hafahan'izy ireo mahomby amin'ny tanjony.
(cela fait 2 ans que j'accompagne Collégiens, lycéens et étudiants dans leurs parcours en tant que tuteur ).

✅Zaraiko eto torohevitra vitsivitsy (12 isa ) mila fantarin'ireo ankizy hanala fanadinana.
------------------------------------------------------------------------------
1- Aza adino ny convocation sy ireo taratasy rehetra hialina toy CIN sy carte d'étudiant (ataovy vonona foana mba tsy ho sarotra tadiavina mandritra ny fotoana hanalanao fanadinana)

2- Tandremo ny manadino ny manoratra anarana sy numéro matricule amin'ny feuille d'examen.
Vao tonga ny feuille, dia izay no atao voalohany fa betsaka no efa tsy afaka BACC satria nanadino ny nanoratra anarana na dia nahay aza.

3- Jereo hatrany aoriana ny Sujet mba tsy hisy question adino ny mamaly azy.
Ataovy mazava tsara ny soratra.

4- Izay mora valiana no hatomboka aloha (Fahazona point eto ny resaka ary voafetra ny fotoana), aza lany andro amin'izay sarotra mety tsy ho voavalinao.

5- Mahaiza mifantoka, banjino ny tanjonao aza manaiky rebireben'ny hafa be tabataba sy fihetsiketsehana.

6- Miandrasa hatramin'ny faran'ny lera vao manatitra feuille , ary mba ianao saropiaro amin'ny izay mety hiafaran'ny feuille -nao.

7- Avy dia modia rehefa vita ny épreuve fa aza lany andro mirenireny. Mila mifantoka amin'ny matière hafa.

8- Mitondrà Stylo "Manga" maromaro ary aza miandry "dernier moment" vo hividy. Ataovy vonona tsara ny fitaovana, (gomme crayon, stylo ,bleu machine, règle graduée compas, plan compta , table trigo sns). Tadidio fa vitsy ny olona mety hampindrana anao.

9- Tsara kokoa ny miainga aloha any an-trano mba tsy ho tratry ny embouteillages sao dia ho idiran-doza eo!

10-Mila manana toe-tsaina tony ny manala fanadinana, esory an-tsaina daholo ireo mety mahasorena.

11-Mila matoky tena ary TSY MIANKINA amin'ny FRAUDE ! Ny tsy fahatokisan-tena no isan'ny mahatonga ny fanaovana fraude na eo ihany aza ny tsy fahaizana.

12-Mila manana Finoana, état d'esprit positif ary matoky an'Andriamanitra. Ilaina tanteraka ny mivavaka mandrakariva na mpianatra mahay aza ianao, tsy misy mahalala avoakan' ny ampitso.

📩Ity ny teny Masina izay tsy afaka an-tsaiko ary averimberiko foana rehefa hanala fanadinana aho.
👉ISAIA 41:10 :"Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho."

📩Voici le verset que je repasse en boucle dans ma tête avant de passer chaque examen.
👉ESAÏE 41:10 :"Ne crains rien, car je suis avec toi; Ne promène pas des regards inquiets, car je suis ton Dieu; Je te fortifie, je viens à ton secours, Je te soutiens de ma droite triomphante."

👉❤Olona tia sady manome lanja ny fianarana sy ny fanabeazana aho , niakina tamina traikefa matanjaka hatrizay indrindra rehefa manala fanadinana.❤

✅Averiko ihany fa TSY TANJONA NY FAHAZONA BACCALAUREAT, be ny mbola miandry aoriana ,Saingy DINGANA manan-danja ary fanalahidin'ny fidiranao eny amin'ny anjery manontolo!

Dia ho samy tahian'ny Tompo avokoa! 👉👉Vitanao io!!!

🌲🌲Maatsilo dia Mirary Krismasy Sambatra ho antsika rehetra!!!🔥Fahasalamana , Tanjaka ary Saina  Matsilo hatrany hatrany🫶...
25/12/2024

🌲🌲Maatsilo dia Mirary Krismasy Sambatra ho antsika rehetra!!!
🔥Fahasalamana , Tanjaka ary Saina Matsilo hatrany hatrany🫶✨Miaraka amin'ny Koba Maatsilo ,zato isan-jato natoraly🫶🫶


******Vonona hatrany izahay manao livraison ho anao! 😻Mirary Zoma mahafinaritra sy feno Tanjaka sy Fahasalamana miaraka ...
04/08/2023

******Vonona hatrany izahay manao livraison ho anao!
😻Mirary Zoma mahafinaritra sy feno Tanjaka sy Fahasalamana miaraka amin'ny Maatsilo 😋🥣
Miammmm





Tsenabe Bypass - Officiel Ny Maatsilo partenaire ny hetsika .Ahitanao ny produits Maatsilo, tongava maro fa mbola 4jours...
20/07/2023

Tsenabe Bypass - Officiel Ny Maatsilo partenaire ny hetsika .
Ahitanao ny produits Maatsilo, tongava maro fa mbola 4jours be izao ny hetsika

Manohana ny Hetsika TsenabeBypass ny Koba Maatsilo, Tongava maro hanalazy vita Bacc e!
08/07/2023

Manohana ny Hetsika TsenabeBypass ny Koba Maatsilo, Tongava maro hanalazy vita Bacc e!

Maatsilo natao ho any rehetra !!!
30/06/2023

Maatsilo natao ho any rehetra !!!

Miam miam😋😋.Iza no mbola tsy nanandrana ny koba Maatsilo ? Tongava haingana ao anaty mp😉Mandray ny commande nareo hatran...
06/06/2023

Miam miam😋😋.Iza no mbola tsy nanandrana ny koba Maatsilo ? Tongava haingana ao anaty mp😉
Mandray ny commande nareo hatrany izahay.🙌
0344009853




MAATSILO !!!! MATSIRO NY FAHASALAMANA 100% natoraly😍 VITA MALAGASYVokariny PLATEFORME HARICOT DU VAKINANKARATRA ihanySak...
07/11/2022

MAATSILO !!!!
MATSIRO NY FAHASALAMANA 100% natoraly😍 VITA MALAGASY
Vokariny PLATEFORME HARICOT DU VAKINANKARATRA ihany

Sakafo (KOBA) MAMPATANJAKA, MAHASALAMA, MAMPATSILO SAINA, MANOME HERY
----- Mety aminao
----- Zazakely sy Ankizy mitombo
----- Mpanao fanatanjahan-tena
----- Vehivavy bevohoka sy mampinono
----- Ray aman-dreny

Fangarony: tsaramaso,soja,katsaka,vary,varim-bazaha,sésame
Miaro anao am aretina maro

Mandray commande maro
MANASA ANAO HITSIDIKA NY PEJY NA HANDEFA MP RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
+261 38 06 006 36

Afaka manao commande.
Manao livraison
🥰Manao Prix de Gros (raha grossiste na Detaillant)

Salama daholo o,Iresaka ireo zava- tsoa atolitry ny Tsaramaso Mena  isika amin'ity erinandro ity.**** Ny tsaramaso Mena,...
07/11/2022

Salama daholo o,
Iresaka ireo zava- tsoa atolitry ny Tsaramaso Mena isika amin'ity erinandro ity.

**** Ny tsaramaso Mena, dia:
Ahitana
❤️Protéines🛑 : mahavory saina ary mampatanjaka indrindra ho an'ny ozatra.

❤️Calcium sy Magnésium🛑: izay mampasalama ny nify sy ny taolana ary ny ozatra, mampatanjaka, ary mampitombo ny concentration.

❤️Vitamine B9🛑: manampy amin'ny renouvellement cellulaire , ary ilain'ny zaza ampitombo azy, eny na vao ao ambohoka aza.

❤️Phosphore, potassium sy Fer🛑: mampiena ny avizanana, miaro ny membrane cellulaire, mampitombo ny globules rouges ( ialana anémie), mahatsara ny système immunitaire ( tsy mora andairana aretina).

❤️Fibres🛑: mahatsara ny transit intestinal indrindra

💁Hitanao amin'ireo fa betsaka ny zavatra tsara azo avy amin'ny Tsaramaso mena , etsy andaniny mahatsara ny fasalamana , etsy ankilany matsiro ihany koa🤤😛❤️

3eme jour de foire!!!Mandeha be ny vente sady tsara be ny retour avy aminy clientsMankasitraka ny clients rehetra!!!Ny m...
24/09/2022

3eme jour de foire!!!
Mandeha be ny vente sady tsara be ny retour avy aminy clients
Mankasitraka ny clients rehetra!!!

Ny maatsilo moa dia farine nutritive 100% naturelle vita malagasy
Manampy ny vatana hiady aminy aretina noho ny otrikaina betsaka ao anatiny
Manampy ihany koa ny mémoire ny ireo mianatra mafy

Contact : 0380600636

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261380600636

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Maatsilo officiel posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram