02/11/2025
Ireto àry ny sakafo tsara sy azo hanina isan’andro ho an’ny olona voan'ny diabeta diabeta 👇
🥦 1. Legioma (Légumes)
➡️ tsara satria ambany “glucose” sy manankarena “fibres” :
Anana maitso : épinard, anandrano, petsay, ravitoto..
Concombre, haricot vert, poivron, brocoli, chou-fleur
Voatabia, courgette, carotte amin’ny fatra antonony
🟩 Tombony: manampy fitazonana ny “glycémie” ho marin-toerana, ary manampy “vitamines” sy “minéraux”.
🍚 2. Afaka mihinana Sakafo "féculents" (amin’ny fatra voafetra)
Vary mena,vary mainty, vary votsy (fatra kely)
Katsaka🌽🌽🌽
Vomanga sy mangazo kamin’ny fatra kely dia kely.
Pain complet na riz complet
⚠️ Aza atao be loatra ny vary fotsy, Tandremo ny Ovy, indrindra izy endasina, satria mampiakatra ny tahan'ny “siramamy”Haingana be
🍗 3. Hena sy protéine
Akoho tsy matavy, trondro, atody, hen’omby tsy misy tavy
Voanjo, soja, tsaramaso sy ireo voamaina isan-karazany(protéine végétale tsara)
🟦 Tombony: manampy ny “énergie” nefa tsy mampiakatra “glycémie”.
🍎 4. Voankazo (amin’ny fatra voafehy)
➡️ Voankazo ambany “index glycémique”:
Paoma, voasary , poira, citron, papaye, goavy.
Zavoka (tena tsara be ho an’ny olona misy diabeta)
⚠️ Aza misotro ranom-boankazo be loatra, satria mampiakatra haingana ny tahan'ny “siramamy ”.
🥛 5. Sakafo fanampiny mahasoa
Yaourt nature (tsy misy siramamy)
Graines de chia, avoine, sésame, voanjo, noix de cajou..
💦 (misotro rano be dia be isan’andro)
Tantely : fatra kely dia kely.
❌ Sakafo tokony hialana:
Sakafo mamy (bonbon, biscuit, gâteau, soda, jus en bouteille)
Sakafo endasina amin’ny menaka be
Vary be loatra.
Zava-pisotro misy Alikaola sy ireo zava-pisotro mamy loatra.
🍽️ Hevitra tsara fanampiny:
-Ataovy mifandanja: anana + hena + féculent kely + voankazo kely.
-Manaova fanatanjahan-tena malefaka toy ny mandeha 30 minitra isan’andro.
-Ataovy maivana ny Sakafo hariva.
-Aza miari-tory matetika
-Aza manao voky be loatra rehefa misakafo.