21/12/2024
SANTE SEXUELLE
(Conseils Diététiques)
MOMBA NY IMPUISSANCE eo amin’ny lehilahy na FRIGIDITE eo amin’ny vehivavy
FANAZAVANA :
• Ny atao hoe « impuissance » dia tsy fahampiana na tsy fisian’ny fihenjanana mihintsy eo amin’ny filahiana
• Ny frigidité dia mitovy amin’izay ihany fa vehivavy tsy mety manana faniriana te hanao firaisana ara-nofo mihintsy (RS)
• Arao tsara ireto fanazavana ireto raha toa ka manana fotoana hamakiana azy ianao, fa ny fialàna amin’izay mahatonga azy ihany dia efa vahaolana avy hatrany.
• Ary misy hitovizana maro ny an’ny lehilahy sy vehivavy na dia misy maha-samihafa azy aza
NY MAHATONGA AZY :
• Voalohany : na avy amin’ny saina mihintsy (impuissance d’origine psychologique) na
• Faharoa : avy amin’ny toe-batana (impuissances physiologiques)
ANTONY :
A - RAHA EO AMIN’NY PSYCHO :
1. Non attirance de sexe opposé :
• Tsy voasinton’ny filàna mihintsy ny sainy amin’ny olona tokony ho tsiriritiny. Ohatra : ny lehilahy homosexuel, dia tsy mitsiriritra vehivavy mihintsy fa lehilahy ihany no mba mety aminy, na misy vehivavy tsy mety hitsiriritra lehilahy, fa vehivavy mitovy sexe aminy no tsiriritiny. Izay olana izay dia olana avy amin’ny perturbations psychologiques na fikorotanan’ny saina na fikorotanan’ny glandes endocriniennes na ny tsiranoka vokatra eo amin’ny vatan’ilay olona mihintsy. Mety ihany koa voadona ny sain’ilay lehilahy eo amin’ilay vehivavy (dominé) ka na dia matanjaka aza ny vatany dia tsy mahavita na inona na inona ilay lehilahy. Voa ilay sainy. Sns…
2. Vokatry ny fihetsem-po (par émotivité) :
• Complexe vokatry ny fahatairana eo anatrehan’ny vehivavy izay heveriny fa tsara lavitra noho izy, na mbola vaovao aminy, indrindra fa mety misy fihetsika maneso na maha ambany azy eo anatrehan’ilay vehivavy.
3. Tahotra (par peur de manguer l’acte) :
• Matahotra izy sao tsy hahavita firaisana amin’ilay vehivavy, indrindra fa efa nisy fotoana teo aloha tsy nahavita tokoa izy noho ny antony hafa na harerahana, kanjo lasa impuissant izy amin’izay fotoana izay.
4. Tahotra sao manota :
• Vokatry ny fampianarana na fanabeazana niainana, izay mametraka fa fahadisoana na fahotana ny fanaovana firaisana ara-nofo, ka na dia amin’ny fotoana tokony hanaovany izany aza toy ny vadiny, dia voadona ny sainy ka tonga ny ‘impuissance’
5. Fahadisoam-panantenana (déception répétée) :
• Mety nisy fandavana tsy hanao firaisana matetika nataon’ny vehivavy taminy ka mbola izay ihany no ao an-tsainy amin’izay vehivavy manoloana azy.
6. Tsy fifantohan’ny saina (dérivation de la pensée) :
• Vokatry ny olana iainana, ny fisafotofoton’ny fisatofoton’ny fiainana, ny havizanana sns… ary io farany io no tena zava-doza indrindra miteraka fahasimban’ny taova mpamokatra ny tsiranoka amin’ny taovam-pananahana (neuro-endocriniens)
B – IMPUISSANCE PHYSIOLOGIQUE :
• Vokatry ny fanaovana ma********on nandritry ny fotoana naharitra.
• Efa zatra kitihana tanana na nosafosafoana foana ny pénis.
• Fahavizanan’ny tena sy ny saina (épuisement nerveux), ohatra toy ny fanaovana sport tafahoatra, fianarana be loatra, fiasan-tsaina be loatra,
• Tsy fahampian’ny fialan-tsasatra, indrindra ny torimaso, izay miteraka havizanana tafahoatra.
• Ny fahavizanan’ny lamosina, izay tena mi-commande ny érecion na ny fahadangirana.
• Vokatry ny diabète, izay miteraka fikorontanan’ny lalàn-dra sy ny mpamokatra ny tsiranoka rehetra.
• Vokatry ny suralimentation. Ny fampiasana na fampidirana ireo sakafo na fomba tsy ara-pahasalamana mety hanimba ny herin’ny hozatra tsy hahavita ny filàna ara-nofo na mampi-pararetra. Ohatra : ny café, ny paraky, ny sigara, ny divay, sns…
• Ny tsy fahampiana vitamina ao amin’ny vatana, indrindra ny vitamina E sy ny complèxe B
• Ny fikorontanana ara-tsakafo mifanandrify amin’izay tokony ilaina eo amin’ny fananahana sy firaisana ara-nofo….
• Fantaro fa ny fanarahana régimes fanenan-tena dia miteraka ny impuissance avokoa.
• Ny fampidirana produits chimiques matetika miverimberina na be loatra, indrindra fa ny fampiasana ireny aphrodisiaques mety tsy hifanaraka amin’ny toe-batanao akory
• Tsy ny produits chimiques ihany fa ny fihinanana voankazo be loatra any amin’ny tany mangatsiaka na amin’ny andro mangatsiaka dia mampihena ny filàna sady mahatonga ny impuissance, ho an’ny sokajin’olona rehetra mihintsy izany.
FANAMARIHANA :
• Azo heverina ho produits naturels daholo ny fanafody rehetra ampiasaina na dia paracétamol saingy tsy zato isan-jato. Fa ny tena hoe produits naturels 100% dia ireo produits tsy nandalo usines akory (matières premiers).
VAHAOLANA :
• Tsy mila mitady vahaolana lavitra ianao fa ezaho ny hialana amin’ireo nahatonga ny olana rehetra voalaza ireo dia milamina ianao.
• Atao izay hiverenan’ny toe-batana ho toy ny tanjaka tany aloha (remise en forme version ETN)
• Mila manao cure de sommeil mandritry ny telo andro sy alina. Amin’izay fihetsika iray izay anefa dia tsy azo soratana eto akory satria raha tsy maintsy voaaraka tsara ny toromarika ara-pihetsika, ny rano sotroina, ny fomba fiaina, ny sakafo ohanina, ny fandaminana ny situations rehetra, ka tsy azo hialana ny conseils Diététiques. Raha tsy mitandrina dia mety hampitera-doza koa dia tandremo sao hanaonao foana.
• Noho izany dia aza manao dokotera tenany amin’izay vahaolana farany izay, fa na dia ny tosi-drà an’ilay olona aza mila fantarina tsara sy ny toe-batany, ny toe-pahasalamany.
• Raha izay no vita sy voaaraka tsara, dia na ireo olona lehibe efa tsy mahavita firaisana ara-nofo intsony aza dia hiverina toy ny tamin’ny fahatanorany eo amin’ny hery ara-pananahana.
• Massages de remise en forme version ETN 10 séance minimum.
• FANAMPIM-PANAZAVANA : Page facebook : https://web.facebook.com/etn.mpanotra/?ref=pages_you_manage na na Groupe facebook :