
02/05/2025
Andao ho faranantsika androany ny resaka pertes eo @ vehivavy😊
Ho an'ireo izay tsy naharaka kosa dia azonareo jerena ao @ publication teo aloha izany.
Amin'ny ankapobeany dia isika vehivavy no tena taitra rehefa misy an'io pertes io noho ireo signes maro samihafa izay tena manelingelina.
Eo amin'ny lehilahy kosa etsy andaniny dia tsy tena mahataitra azy ireo loatra rehefa misy an'io ny vehivavy miaraka aminy, ny antony ve?
👉🏻 Satria tsy tahaka ny fisehony eo @ vehivavy loatra ny signes ivelany; indraindray aza tena tsy misy mihitsy. Izany anefa tsy midika fa tsy mitondra ilay infection koa izy ( na koa hoe porteur Sain ).
Eny na dia misy aza dia zara raha manaitra azy ireo ary raha toa ka misy aza ny signes ivelany dia efa midika fa efa noentiny ela be teny ilay IST.
🔷Ireto misy ohatra vitsy @ ireo signes mety ho hita :
➡ Misy vay eo @ filahiana na eo @ manodidina
➡Misy tsiranoka mivoaka
➡Mavaivay ireo testicules
➡Rehefa mipipy dia mety ho mavaivay, mafana,...
Hamafisiko hatrany anefa fa tena anisan'ireo antony mampiverimberina ny pertes izy io na dia nahazo fitsaboana foana aza ny vehivavy SATRIA raha mandeha mitsabo sy mahazo fanafody aza kanefa ilay lehilahy tsy nahazo fitsaboana ( kanefa porteur sain ) dia mety mbola hamindra @ ilay vehivavy ihany izy.
Mba ho fisorohana ny fiverenan'ireo fambara ireo na eo @ vehivavy na eo @ lehilahy
Dia :
👉🏻Manentana hatrany hoe tsara raha miaraka manantona mpitsabo ianareo roa ary miaraka manao Traitement.
👉🏻Manentana ihany koa mba olona iray ihany no iarahana.
Mirary soa daholo ary e🥰