
20/05/2025
Salama daholo e 🥰
Amerina fampahafantarana sy fahalalana indray isika
Inona no atao hoe condylomes???
👉Ny condylomes dia tsy inona fa aretina izy io. Anisan’ireo karazan’areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo na MST izy ity.
❎Ny fomba ahafantarana azy dia misy toy ny hoe hodipotsy matevina be na toy ireny eczema ireny eo amin’ny fivaviana na eo amin’ny maha-lehilahy sy ny manodidina azy. Izany dia vokatry ny virus iray antsoina hoe « papillomavirus humains ».
❎Anisan’ny antony mitarika ho amin’ny homamiadan’ny lava-body ihany koa ity virus ity.
❎Mety hiseho amin’ny endrika mamotsifotsy na koa fivontosana kely tahaka ny lagaly, vay, angadrano, eczema, hodipotsy izy ity ary mety ho maromaro, eo amin’ny faritry ny fitaovam-pananahana. Ary mijanona eo aman-bolana maromaro. Miha-mihena kosa ny fipoitrany arakaraky ny taona.
✅Azo tsaboina ny condylomes fa arahana traitement lava sy mitohy. Rehefa tratrany kosa anefa dia mamindra ilay aretina na amin’ny firaisanan ara-nofo izany na amin’ny sendra fifampikasohana anaty rano (piscine, sauna, jacuzzi,sns.). Rehefa mihena ihany koa ny hery fiarovana dia mora ny hiverenan’ny aretina.
✅Ny fisorohana azy dia ny fanaovana fiarovana mandritry ny firaisana.