04/11/2025
HAFATRA HO AN'NY MPAMPIANATRA SY NY MINISITRIN'NY FANABEZANA.
Ry Mpampianatra Hajaina, Namana, Zoky, Ray aman-dreny,
Tsapa, re ary iainana tokoa ny fahorianareo isan'andro. Ianareo ilay Miaramila Mahery Fo manao ny aina tsy ho zavatra amin'ny fanabeazana anay, ny zandrinay, ary ny zanakay. Ny fototra iorenan'ny firenena no iandraiketanareo, saingy mampalahelo fa tsy nojerena akaiky hatramin'izay ny momba anareo.
Fandraisana ho Mpiasam-panjakana raikitra : Fepetra tokony ho laharam-pahamehana ho an'ny maro.
Lafiny sosialy: izay tsy ampy sy tsizarizary.
Karama: Ny Valin-kasasaranareo no lasa asa Varimasaka.
💸 Zo feno ho anareo ny misitraka karama mendrika sy mahavelona mifanaraka amin'ny an'ireo mpiasam-panjakana sasany. Raha ho ahy manokana, ny karaman'ny mpampianatra no tokony ho ambony indrindra.
Aiza marina moa isika raha tsy teo ianareo?
Nisy ve ireny Manampahaizana, Mpitsara, Économiste, Mpitantana ambony amin'ny fanjakana na ny tsy miankina ireny raha tsy teo ny Mpampianatra?
Ianareo no namboly ny voa ka mendrika ny hijinja izay mifanaraka amin'izany.
🙏Aoka re mba tsy hatao sorona amin'izay fitakiana atao ny ho avin'ny firenena - ireo zandrintsika mpianatra!
Jereo akaiky izy ireo! Mampahonena ny fihainana ny fianarana miato sy ny fiantraikany.
Tsy ho zakan'ny firenentsika ny hahita "Génération Sacrifiée" indray.
Aoka isika hiady ho an'ny zon'ny mpampianatra nefa hiaro ny zon'ny mpianatra ihany koa.
Ho an'i Ramatoa Minisitry ny Fanabeazana vaovao sy ny Ekipan'ny Minisitera manontolo:
Iangaviana manokana mba hijery akaiky ny olan'ny mpampianatra. Efa ela loatra ny fijaliana momba ny karama, "indemnité," sy ny tombontsoa hafa, izay zara raha mahavita ny faran'ny volana.
Mendrika ny Karama Mahavelona izy ireo: Olombelona tahaka anao sy ireo mpiasa ao amin'ny kabinetra iany izy ireo, ka mendrika ny hanana fiainana mendrika manoloana ny vanim-potoana sarotra iainantsika izao.
Aza avela hikatso ny Fampianarana. Aoka tsy ny Minisitera no ho antony mahatonga ny fampianarana ho lasa voazimbazimba ka anamavo ny mpanabe sy ny zana-bahoaka.
Maro no mbola azo lazaina, saingy aleo ajanona eo, mba tsy ho avy amin'ilay ohabolana hoe: "Raha lava ny teny, very ny soa."
Atsipazo ihany ity teny ity eo imason'izay mahita sy manantsaina, manana fo hijery ary te-hanova.
Mankasitraka indrindra.