
03/05/2023
Héroïne: smack/brown sugar/héro/cheval/blanche/came/poudre/ rôrô ...
Somary lavalava izy ity fa dia zaraiko iany !
⁉️Inona no atao hoe héroïne?
Ny héroïne dia zava-mahadomelina mampiankin-doha, Manana toetra manala fanaintainana izy io, azo avy amin'ny
morphine (zava-maniry voajanahary, toy ny o***m aziatika.)
Ny héroïne pure dia toy ny vovoka fotsy, raha toa kosa ka toy ny volontsôkôlà ny héroïne an-dalambe matetika (Noho izy mitapoka (dilué na coupé) amin'ny zavatra hafa).
🚨Inona no fomba fanjifana?
Matetika ny héroïne no atsindrona, fa
misy koa ny mifoka, mihevoka, mitroka amin'ny o***a SNS....
☣️☢️ Inona no vokatry ny fihinanana azy?
Mety hiteraka euphoria (sambatsambatra hoy ry zareo izay) tampoka sy mahery ny héroïne , izay mety miaraka amin'ny
fahatsapana hafanana, fialan-tsasatra lafatra sy tsy fahatsapana ny fijaliana ara-tsaina fa indrindra ny ara-batana ( tsy mahatsapa fanaintainana sy tebiteby).
🚧⚡Inona avy ireo "risque" mifandraiky amin'ny fihinanana héroïne ?
Vokany eo amin'ny fotoana fohy : maso midirodiry, maloiloy, mandoa, rendremana, tsy fahampian'ny fifantohana sy tsy firaharahiana tsotra izao.
Ankoatra izany, ny héroïne dia tena mampiankin-doha ary malaky mitondra ho amin'ny "tolerance".
Ary ny tena loza ☣️☢️🚨 dia miteraka fiankinan-doha ara-batana sy ara-tsaina tanteraka eo amin'ilay drogue sy ilay mpampiasa azy.
Amin'ny fotoana maharitra : ny fampiasana héroïne dia manana fiantraikany ara-pahasalamana lehibe isan-karazany, anisan'izany : fihenan-danja, tsy fahampian-tsakafo, fahasimban'ny lalan-dra sy aretin'ny aty sy ny sarakaty.
Mety hitarika fikorotanana eo @ fadimbolana ho an'ny vehivavy, ary mety hiafara amin'ny tsy firarahiana lavareny ( aphatie chronique)
Ny fialana tampoka amin'ny héroïne dia mety miteraka soritr'aretina izay midika tsy fahampiana amin'ny ampahany na tanteraka (noho ilay vatana efa niantehatra tanteraka taminy. ETO DIA TENA ILAINA NY MANANTONA MPITSABO