27/04/2026
Ny fiainana tsy voatery hoe milamina bé, mirindra be foana
Fa miankina amiko sy aminao hoe ahoana ny fomba, fietsempo, ny toetra hoentina hiatrehany izany 🥹
Afaka mifaly ianao na anaty olana aza
Afaka ny hanana fahalemem-panahy sy faharipo na anaty etraketraky ny hafa aza
Afaka ny maneho ny Fahatsarana any anatinao foana ianao na ratsy aza no manodidina anao
Aza avela ny toetran'ny olona, ny tranga ratsy miseho no hanova anao ho ratsy ihany koa fa tazomy foana Ilay FAHATSARANA sy FIFALIANA any aminao🥰❤️
".....fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo." Nehemia 8 : 10f
Bonne journée dia ho herinandro feno fifaliana ho anao ity herinandro ity❤️🥰