25/04/2026
MANAO BASY RANO !
Inona tokoa moa izany? Fa ahoana no anaovana izany? Ny rehetra ve atao an'izany daholo? Ohaviana no manao izany? 🤔
Fomba fanadiovana sofina tokoa ary malaza mihitsy satria manao daholo ny ankamoaran'ny toeram-pitsaboana.
Asiana rano ny seringue dia tifirina amin'iny avy eo anaty sofina, ary izao, na any an-trano aza hono afaka manao irery. Marina ve izany? 🙄
Tsy misy taonany koa hono io fa na mbola ankizy aza dia efa afaka atao.
Rehefa mahatsapa hoe mihena ny fahenoana na mavesabesatra ao anaty sofina ao dia mangataka basy rano. 😓
Koa raha tsy misy na inona na inona akory mivoaka ao dia ahoana? Koa raha efa vaky ny ampongatsofinao nefa tsy fantatrao dia ahoana? sns. ?
Aleo foana re manatona toeram-pitsaboana ohatranay, na mety hoe tsy niofana tamin'izay aza raha tsy misy any amin'ny tanana misy anao, fa ny fahenoana nge rehefa midina tsy hiverina hihatsara intsony eh.
Mino izahay fa efa betsaka no nanao azy io, nisy nahita voka-tsoa nisy nifanohitra tamin'izay, eto izahay hanampy.