
16/05/2025
🌱 Fantaro ny "Arivo Andro Voalohany" – Fotoana manan-danja ho an’ny reny sy ny zaza!
Fantatrao ve fa manomboka amin’ny fitondrana vohoka ka hatramin’ny fahafenoan’ny zaza 2 taona (24 volana) no tena manan-danja indrindra amin’ny fahasalaman’ny zaza sy ny hoaviny?
Io no antsoina hoe “Approche 1000 jours” na “Arivo Andro Voalohany”.
💡 Inona no tanjona?
Hanatsara ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza
Hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny aretina
Hanampy ny zaza amin'ny fivelarana ara-batana sy ara-tsaina
📌 Manomboka amin’ny:
Fitondrana vohoka: reny mihinana sakafo feno sy ara-pahasalamana, mandeha misafo eny amin'ny mpiasan'ny fahasalamana
Fiterahana: miteraka any amin’ny tobim-pahasalamana,
Zaza latsaky ny 2 taona:
Nonondreny ihany mandritra ny 6 volana
Sakafo fanampiny manomboka amin’ny 6 volana ka hatramin’ny 2 taona
Fanaraha-maso ara-pahasalamana tsy tapaka ho an"ny zaza
fanaovana vaksiny ho an'ny zaza
✅ Maninona no zava-dehibe?
Misoroka ny tsy fanjarian-tsakafo
Manampy ny zaza hahay sy hanana fahaizana tsara
Miteraka fianakaviana salama sy matanjaka
👉 Andao hifampitaiza sy hifampitaiza – ny hoavin’ny zanatsika dia miankina amin’ny Arivo Andro Voalohany!