23/01/2024
PARENTS TOXIQUES
➕ Tena zavadehibe ao @ ''approche systémique familiale'' ny ahalalana ny mombamomba ny singa tsirairay, mandrafitra ny ao anivon'ny fianakaviana, raha hitsabo ny olana ao, na ''thérapie familiale''. 📌
❌ Ho raisintsika tsirairay ao @ Zara manaraka ny ''RAY MANAMPOIZINA na PÈRE TOXIQUE'' avy eo ny ''RENY MANAMPOIZINA na MÈRE TOXIQUE'', fa mialohan'izany, aleo resahintsika ny iombonan'izy ireo. 😏
➕ Tena misy toetra iraisan'ireo Ray amandreny manampoizina aloha :
🌀 Tsy maneho fihetsika miabo fa miiba lava
🌀 Tsy hay fehezina ny fihetsepony asehony
🌀 Mahazatra azy ireo ny manasarotra tranga na olana iray, na dia zavatra bitika aza
🌀 Matetika izy ireo karazan'olona tezidava, mahay vava sy manao teny manimba sy mamotika
🌀 Tsy ahita - tsitraka izany fa mahita ho kihanina foana sy zatra manao tombana miiba
Ohatra :
👉 Tsara ianao mba nanao an'io androany, saingy ratsy velona ity izy....
🌀 Ohatrany mahafinaritra azy ny manembaka ilay zanany imason'olona, na dia tsy manana tanjona hanimba aza
Ohatra :
👉 Ny anay io tsy mieritreritra ny hivoatra izany ...
🌀 Tia midikiditra @ fiainan'ny zanany sy mijambaka @ tsy fampiseho sy manokana ho an'ny tena izy.
Ohatra :
👉 Iny vadin'ialahy iny ve lehitia, dia mba ho voafehin'ialahy, ny hiray ara - nofo aminy ?
🌀 Tsy tsapany velively hoe manempotra sy manelingelina izy, na ''se sentir jamais de trop''.
🌀 Tsy alehan'ny sainy mihitsy hoe 'io zanany io anie ka manana ny heviny manokana sy/na tokony hanontaniana ny heviny, fa ny azy ihany no marina sy mitombona ary hainy izao rehetra izao, ka tokony sy tsy maintsy arahina.
🌀 Tsy hainy mihitsy izany hoe haneho fipetrahana eo @ fihetsepon'ilay zanany izany, na ''empathie''
❌ Raha tsorina dia Ray amandreny tsy manana fitokisana velively ny zanany ireo.
➕ Raha fehezina, ireo Ray amandreny manampoizina dia :
🔎 Mpandidy na ''dominateur''
🔎 Mpanao kihina na ''critique''
🔎 Mpanao hevitra maizimaizina na ''manipulateur''
🔎 Mpanambaty sy mpanembaka na ''méprisant''
🔎 Olona tsy afaka hanome ho an - janany tohana na dia kely fotsiny aza na ''incapable d'offrir le moindre soutien à son enfant''
🔎 Olona miala @ andraikiny maha - Ray amandreny Mpanabe na ''démissionnaire''
➕❌➕ ZAVA - DOZA IO TRANGA IO ARY TENA HAMOTIKA ILAY ZANANY SY NY HO AVINY IRAY MANONTOLO.
➕❌➕ SAROTRA NY MANARINA NY ZAZA NA OLONA IRAY NIAINA NIARAKA T@ RAY AMANDRENY MANAMPOIZINA NA ''PARENTS TOXIQUES'' ARY TENA MAHALOZA AZY DIA IO ZAZA IO REHEFA LEHIBE DIA HAMERINA IZAY NIAINANY INDRAY @ TARANANY
👉 Io ilay mpiteny hoe : ''Izany no nanabeazana ahy sy naha - toa izao ahy, ka hampiariko aminjanako !!!
Source: Malagasy K.