Dokotera mizaha marary à Domicile

Dokotera mizaha marary à Domicile Vonona anome ny tsara kokoa.

Eee oooo ô!!!!, aza alefa any, aza alefa any oa faaaaaa, .................................................▶️▶️▶️...........
30/04/2026

Eee oooo ô!!!!, aza alefa any, aza alefa any oa faaaaaa, .................................................

▶️▶️▶️.........., fa aty ny maso ôh.






Dokotera mizaha marary à Domicile

🎈🎈Hernie discale 🎈🎈✔️✔️ Mivoaka ny "disque" amin'ny hazon-damosina.Simba ny fingotry ny hazon-damosina.✔️✔️Fisehon'ny ar...
29/04/2026

🎈🎈Hernie discale 🎈🎈

✔️✔️ Mivoaka ny "disque" amin'ny hazon-damosina.
Simba ny fingotry ny hazon-damosina.

✔️✔️Fisehon'ny aretina (Symptômes)

🔻Marary be ny lamosina.

🔻Maritra na tsy de mahetsika firy ny tongotra (souvent lié à la sciatique).

🔻Tsy misy hery ny tongotra.

✔️✔️Torohevitra:

🔻Miala sasatra. (Repos)

🔻Tsy mibata mavesatra.

🔻Manatona mpitsabo. ( médecin)

🚫🚫🚫Fahamehana (Urgence)🚫🚫🚫

Raha misy fahalemena tampoka ny tongotra na tsy fahaizana mitazona pipy na ny maloto (incontinence), dia tsy maintsy manatona hopitaly haingana dia haingana.
Dokotera mizaha marary à Domicile

29/04/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Andrisoa Nathanaël, Njakatiana Aurelio Rakotoarisoa, Prisca Harimalala, Ra Tsinjo

🎈🎈Ireo fahasarotana (na complications) aterakin'ny "Diabète"🎈🎈✔️Ireo fahasarotana maharitra (Chroniques)Miseho izy ireto...
28/04/2026

🎈🎈Ireo fahasarotana (na complications) aterakin'ny "Diabète"🎈🎈

✔️Ireo fahasarotana maharitra (Chroniques)
Miseho izy ireto rehefa tsy voafehy tsara ny siramamy mandritra ny taona maro:

🔻Ny fahasimban'ny lalan-dra madinika

▶️Maso (Rétinopathie): Mety hampahajamba na hampihena ny fahitana.

▶️Voa (Néphropathie): Mety hiteraka tsy fahampian'ny fiasan'ny voa (insuffisance rénale).

▶️Nerf(Neuropathie): Very fahatsapana, misy manindrontindrona, indrindra ny any amin’ny tongotra.

🔻Ny fahasimban'ny lalan-dra lehibe

▶️Fo: Mitombo ny risika fahatapahan'ny lalan-dra amin'ny fo (infarctus).

▶️Atidoha: Mitombo ny risika fahatapahan'ny lalan-dra any amin'ny atidoha (AVC).

▶️Tongotra: Ratsy ny fikorianan'ny ra, mety hiteraka ratra sarotra sitranina ka tonga hatramin'ny fanapahana tongotra (amputation).

✔️Ireo fahasarotana tampoka (Aiguës)

🔻Mila fandraisana an-tanana haingana:

▶️Hypoglycémie: Milatsaka loatra ny tahan'ny siramamy (misy fanina, tsemboka, reraka be).

▶️Hyperglycémie: Miakatra loatra ny siramamy (mangetaheta be, miisa matetika).

▶️Acidocétose: Poizina miforona ao amin'ny vatana rehefa tsy ampy insuline tanteraka.

✔️Fahasarotana hafa

🔻Areti-nify sy hihy: Mora marary ny hihy sy ny nify.

🔻Ela fery: Tsy mora sitrana ny fery, indrindra amin'ny faladia.

🔻Olana ara-pananahana: Ho an'ny lehilahy, mety hisy ny fahalemen'ny filahiana.

Dokotera mizaha marary à Domicile

Ataovy fona ny  .Dokotera mizaha marary à Domicile
28/04/2026

Ataovy fona ny .

Dokotera mizaha marary à Domicile

Misotroa rano (💦💦) fa tsy zavatra hafa (🥂🥂🍺🍺), satria nahoana??Dokotera mizaha marary à Domicile
27/04/2026

Misotroa rano (💦💦) fa tsy zavatra hafa (🥂🥂🍺🍺), satria nahoana??

Dokotera mizaha marary à Domicile

🪶 𝗠𝗔𝗛𝗘𝗟𝗔 : 𝗧𝗢𝗩𝗢𝗟𝗔𝗛𝗬 𝟮𝟮 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔, 𝗡𝗔𝗧𝗔𝗢 𝗗𝗜𝗗𝗜𝗠-𝗣𝗢𝗜𝗧𝗥𝗔 Tovolahy iray 22 taona antsoina hoe Romeo no natao didim-poitra ny zoma...
25/04/2026

🪶 𝗠𝗔𝗛𝗘𝗟𝗔 : 𝗧𝗢𝗩𝗢𝗟𝗔𝗛𝗬 𝟮𝟮 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔, 𝗡𝗔𝗧𝗔𝗢 𝗗𝗜𝗗𝗜𝗠-𝗣𝗢𝗜𝗧𝗥𝗔

Tovolahy iray 22 taona antsoina hoe Romeo no natao didim-poitra ny zoma lasa teo tao amin'ny kaominina Mahela, distrikan’i Mananjary.

🎉 Taorian’ny fahavitan’ny fomba dia natsingorin’ny olona an-tsoroka izy, tahaka ny fanaon’ny fiarahamonina amin’ny ankizy, ho mariky ny hafaliana sy fankalazana.

💪 Nahavariana fa tsy nitomany i Romeo nandritra izany, fa vao mainka aza naneho hafaliana satria, araka ny filazany, dia efa “tafajoro ho lehilahy” izy.

👀 Nampitolagaga ny maro, indrindra ireo vehivavy sy tovovavy tao an-toerana, ity tranga ity noho ny maha-lehibe ny taonany vao nanaovana ny didim-poitra.

Source:
📸 Sary : Jhota Francky Hadira
Dokotera mizaha mararyà Domicile

 Dokotera mizaha marary à Domicile
25/04/2026


Dokotera mizaha marary à Domicile

24/04/2026

Mention spéciale à mes nouveaux fans montants ! Randrianasoavina Françis, Perline Rasoamampionona

24/04/2026
🎈🎈craniosténose🎈🎈(fikatony alohan'ny fotoana ny taolana karandoha)✔️Famaritana🔻Ny craniosténose dia tsy fahatomombanana ...
23/04/2026

🎈🎈craniosténose🎈🎈
(fikatony alohan'ny fotoana ny taolana karandoha)

✔️Famaritana
🔻Ny craniosténose dia tsy fahatomombanana eo amin'ny fiforonan'ny karandohan'ny zaza vao teraka. Izany dia vokatry ny fikatonan’ny iray na maromaro amin’ireo "sutures" (zaitra mampitohy ny taolana karandoha) alohan’ny faha roa taona izay tokony hikatonany.

🔻Ny zava-mitranga:
Tsy afaka mivelatra ara-dalàna ny karandoha, nefa ny atidoha mbola mitombo haingana.

🔻Ny vokany:
Miova endrika ny lohan’ny zaza satria any amin’ny faritra mbola misokatra no mitombo be ny taolana mba hanome toerana ny atidoha.

✔️Ireo karazany fahita matetika
Miankina amin’ny zaitra (suture) mikatona ny endriky ny loha:

🔻Scaphocéphalie (matetika indrindra): Ny zaitra eo an-tampon-doha no mikatona. Lasa lavalava sy tery ny loha.

🔻Trigonocéphalie:
Ny zaitra eo amin’ny handrina no mikatona. Lasa maranitra toy ny loha-sambo ny handrina.

🔻Plagiocéphalie synostosique:
Ny zaitra amin’ny ilany iray (miankavia na miankavanana) no mikatona. Lasa mitongilana na mivandana ny handrina sy ny maso.

✔️Ny fitiliana (Diagnostic)

🔻Natokana hoan'ny Dokotera ( Médecin) irery ihany.

✔️Ny fahasarotana mety hitranga (Complications)
Raha tsy voatsabo ara-potoana ny zaza, dia mety hisy ireto:

🔻Fisondrotan’ny tsindry ao anaty loha (HTIC): Tsy ampy toerana intsony ny atidoha ka voatsindry.

🔻Olana amin’ny fahitana: Mety ho simba ny kofehin-tsaina mampitohy ny maso sy ny atidoha.

🔻Fahasahiranana amin’ny fitomboana: Fahatarana amin’ny fahaizana mianatra na amin’ny fihetsika (psychomoteur).

Dokotera mizaha marary à Domicile

22/04/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Rotsy Laurianah Randriambololona, Ranaivosoa Naivo, Da Car Nantan, Lanto Fiderana, Miah Miangaly, Thÿ Fanïa, Saÿms Jïady, Liantsoa Grace, Nantenaina RF

Address

Quelques Part
Antananarivo
101

Telephone

+261326209806

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dokotera mizaha marary à Domicile posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share