16/11/2025
NY FISAFIDIANANA KILALAO HO AN’I ANKIZY
Amin’izao fety izao no fampifaliana ny ankizy amin’ny fanomezana killao azy.
Ny kilalao dia tsy natao ho fialamboly fotsiny ho an’ireo zaza, fa natao ihany koa hivelaran’ny sainy sy ny vatany araka ny tokony ho izy, izany hoe manaraka ny taonany sy ny habeany.
Tsy azo tsinitsiniavina izany satria miantoka ny fitomboany sy ny fahasalamany.
Izany no antony ilana ny fahaizana misafidy tsara ny kilalao ho an’i ankizy.
Tsara ho fantatra fa: ho an’I zaza kely dia ny kilalao lalaovina no mamolavola ny imagination sy ny creativité, ny emotion. Izany no antony hitandrovana ny fisafidianana ny kilalao ho an’i zaza.
Inona no kilalao mety ho an’ny zaza?
- 1 mois à 4 mois
Amin’io fotoana io ny zaza no mahita ny loko sy mahare ny feo.
Tsara raha kilalao miloko sy maneno, ilay mihantona amin’ny bercau no atao ampivelana ny sainy ho mailo.
Tsara raha vita amin’ny akora azo sasana izany hitandrovana ny fahadiovana.
Tsy mety ny peluches à poils longs na ireny antsoin-tsika hoe nounours ireny, satria mitahiry loto sy vovoka ka mety hampikohoka azy.
Tandremana hatrany ny allergie raha misy izany.
- 4 mois à 8 mois
Eto ny zaza no manomboka mampiasa ny tanany: mitsapa, mandrangotra, misintona, mitehana, mamotsitra. Izany hoe afaka manao fihetsika sahady.
Ny kilalao mety aminy eto, dia ilay kilalao caoutchouc ilay maneno ireny rehefa potserina.
Amin’io fotoana io koa ny zaza no miezaka hiarina sy hipetraka, ka tsara raha kilalao miloko, ilay azo ahantona ireny no vidina mba hanairana izany, hapatanjaka azy.
Tsara ny manana ireny boite à musique ireny, satria manampy azy ahitany tory.
- 8 à 18 mois
Afaka apetraka anaty parc an-jaza kely ireny ny zaza ary omena kilalao maromaro mahavariana azy ao:
Animaux en caoutchouc, cube en plastique, poupées en tissu, jeu de perles et des spirales, anneaux, jeu de construction tsotra kely ireny, kilalao maneno rehefa raisina sy ahetsika.
Rehefa ampandroana izy dia omeo an’ilay ganagana kely le maneno ireny.
Manomboka erin-taona ny zaza dia tsara koa ny kilalao misy kodiarana satria rehefa manosika sy mampikisaka an’iny ilay zaza dia mahatsapa sahady hoe afaka mihetsika sy mampihetsika izy.
Amin’io fotoana io no ampianarana azy mihinana irery ka omena sotro kely sy lovia kely plastika izy hanairana izany fahaiza manao izany.
Rehefa mampandro azy dia tsara omena recipients kely izy hilalaovany rano anaty koveta ampandroana azy.
- 18mois à 2ans
Efa tena lehibe ny zaza eo, mikitika ny rehetra, miazakazaka eran’io, mitabataba.
Omeo cheval à roulettes izy, na train en bois ho tarisiny eraky ny trano.
Zava baovao aminy ny mandeha sy mivezivezy ka aleo araraotina ampiasaina izany hampivelarana ny sainy sy vatany hapatanjaka azy.
Tomobile kely ilay mahazaka tainganany sy atosika ireny.
Puzzles en bois ilay lehibe ireny
Trieur de forme
Tia mikapokapoka izy amin’io fotoana io ka izay kilalao mety kapokapoana dia mety aminy avoakoa toa ny xylophone.
Manomboka amin’ny 18 mois koa ny zaza dia efa azo hitantarana tantara fohy (histoire courte) ary misy boky natokana ho an’izany.
- 2 à 3 ans
Hatramin’io taona io dia azo ampitoviana foana ny kilalao ho an’ny lahy kely sy ny vavy kely,
Fa manomboka telo taona eo dia aleo ny saribakoly ho an’i vavy kely, ary tomobile kely ho an’ny lahy kely. Raha ny mifanohitra amin’izay no tin’ny zaza, dia tsy misy antony anakana izany loatra.
Manomboka amin’io taona io ny zaza no maka tahaka ny ataon’ny lehibe ao an-trano toy ny mitelephone, mitondra fiara, miantsena, manao ny rara ao atrano.
Afaka omena feutres, crayon de couleur, pâte à modeler anamboarany izay zavatra tiany.
Amin’io fotoana io koa izy no tia tricycle, cheval à bascule, livre d’images…
- Après 3 ans
C’est l’âge de l’imagination…
Maro ny kilalao azo hisafidianana:
Princesse, pirate.
Manao dokotera dokotera
Mijery sary
Mamorona tantara kely
Jeux de construction, puzzles, coloriage,….