Voilàvoilà Magazine#Santé

Voilàvoilà Magazine#Santé Actu Santé

25/06/2025

Havako oh!
Tandremo ny sakafo an: Ny mayonnaise, ny charcuterie, sy ireo sakafo tsy fantatra mazava ny nitahirizana azy
Aleo sakafo frais no hoanina re mba hisoroana ny Loza.
Mirary fety sambatra oh!

🚨ANTSO AVO ‼️Manao mbola tsara eh.HO ANAREO IZAY MANAO COPIE COLLER DIA APETAHO NY ANARAN’ILAY PEJY FA AZA DINGANINA NY ...
21/06/2025

🚨ANTSO AVO ‼️

Manao mbola tsara eh.
HO ANAREO IZAY MANAO COPIE COLLER DIA APETAHO NY ANARAN’ILAY PEJY FA AZA DINGANINA NY DROIT D’AUTEUR.
ASA B IO TOMPOKO KA SAROTINY IZAHAY AMIN’NY ASANAY.

Nanangana Ity plateforme na Magazine ity izahay efa ho telo taona lasa izay.
Enregistré ao amin’ny OMAPI sy Registre du commerce et société ao Madagasikara ny voilà voilà.

Manao interview izay, manao fikaroana, mamoaka article maromaro, miantso manam pahaizana vao mamoaka ny publication.
Fa tsy ekeko ilay manao kopi kole D dinganina ny anaran’ilay nangalana azy.

Ny principe nay dia ny fizarana fa tsara raha manaraka ny tokony ho izy.
(Misy page D maka D mandika D mandingana ilay anarana D mi publier D tranquille tsara izy ohatran’ny hoe tsisy olana fa alailaina fotsiny D milamina.
TSY FAHALALAM-POMBA IZANY TOMPOKO OH!)

Disodiso kely tsy maha maoro hono fa ahitsio izay adisonareo any fa hitanay nareo.

Voilàvoilà Magazine

Misy norme iraisam pirenena tokony ho fantatry ny maro ny lakozia fandrahoana sakafo ho an’olona maro ary ny fikarakaran...
17/06/2025

Misy norme iraisam pirenena tokony ho fantatry ny maro ny lakozia fandrahoana sakafo ho an’olona maro ary ny fikarakarana izany.

Toy ny ao an trano fisakafoanana, toeram-pisakafoanana an-tsekoly, toeram-pisakafoanana eny amin’ny hopitaly, sns.) dia fepetra ara-pahasalamana sy teknika takiana amin’ny toerana, fitaovana, ary fomba fandrahoana mba hiantohana ny fahadiovana sy ny fiarovana ara-tsakafo. Ireto avy no fototra sy fitsipika lehibe tokony harahina:



🏗️ 1. Rafitra sy fanamboarana ny lakozia
• Tokony ho mazava tsara ny fizaràna:
• Fandraisana sy fitahirizana sakafo manta
• Fanomanana (fanapahana, fikarakarana)
• Fandrahoana sy fandraisana hafanana
• Fizarana sy famoahana
• Fikorontanana tsy azo ekena: Tsy tokony hifangaro ny lalan’ny sakafo manta sy efa masaka.
• Fidiovana mora: Tokony ho mora diovina ny tafo, rindrina, gorodona (tsy misy lavaka na porofo), manohitra harafesina.



🧼 2. Fahadiovana sy ny fanasan-damba
• Fanadiovana fitaovana sy fitaovana (couteaux, planches, vilany): Tokony hanana rafitra fanasan-javatra amin’ny rano mafana sy savony + fanasana amin’ny rano madio.
• Fanadiovana tanana: Mahazatra ny toerana misy ranomadio misy savony, fanafody famono otrikaretina, ary servieta azo ariana ho an’ny mpiasan’ny lakozia.
• Fanadiovana ankapobeny: Tokony hatao in-droa isan’andro farafahakeliny ny fanadiovana ny lakozia.



🍲 3. Fomba fandrahoana sy fitantanana sakafo
• Fikajiana hafanana:
• Sakafo masaka: Tokony haroso amin’ny >63°C.
• Sakafo mangatsiaka: Tokony hotehirizina amin’ny

FIZARANA SY FAMPAFAHANTARANA NY BOTULISME :Botulisme dia aretina mahery vaika , vokatry ny poizina vokarin’ny bakteria  ...
16/06/2025

FIZARANA SY FAMPAFAHANTARANA NY BOTULISME :

Botulisme dia aretina mahery vaika , vokatry ny poizina vokarin’ny bakteria antsoina hoe: Clostridium botulinum. Izy io dia iray amin’ireo poizina mahafaty indrindra fantatra amin’ny olombelona.



🦠 Inona no mahatonga ny botulisme?

Ny Clostridium botulinum dia bakteria afaka mamokatra toxine neurotoxique (poizina manimba ny taova sy ny atidoha) rehefa ao anatin’ny tontolo tsy misy oksizena (anaeroba), toy ny:
• Sakafo voahidy tsy amin’ny fomba ara-pahasalamana (ohatra: ny confiture, paté, fromazy, sns).
• voankazo sy legioma tsy masaka tsara na ratsy tahiry.
• Akora ara-tsakafo nokarakaraina tamin’ny fomba fanodinana tsy azo antoka.

Ny Botulisme dia mety ho azo avy amin’ny:
• Fihinanana sakafo misy toxine (botulisme alimentaire)
• Fiditra amin’ny ratra (botulisme des plaies).
• Fisorohana tsy ara-dalàna amin’ny zaza kely (infant botulism, toy ny fihinanan-tantely amin’ny zazakely latsaky ny 1 taona).



⚠️ Sora-pahitana (symptômes):

Adin’ny 6 hatramin’ny 36 ora aorian’ny fihinanana sakafo voapoizina.

Soritr’aretina voalohany:
• trouble de la déglutition : fahasarotana rehefa mitelin-kanina na mitelin-drora.
• trouble de la vision: ptosis, vision double.
• Fahalemena sy fivontosana amin’ny hozatra.
• Fanina sy mihena herim-batana.

Voilàvoilà Magazine

16/06/2025

Mankasitraka an'i Professeur ANDRIANASOLO Radonirina, amin'ity resaka momban'ny ity.
Fety ny andro ka matetim-pitranga ity aretina ity, ka ho fisorohana izany no hizarana amintsika ny fampahafantarana ny aretina sy ireo tokony ho atao.

INONA ILAY HOE « TOXIINFECTION ALIMENTAIRE » ?
Aretina avy amin’ny sakafo, afaka zaraina roa fa matetika miaraka
- intoxication alimentaire: vokatry ny fisian’ny tsiranoka izay mamparary (poizina) vokarin’ny zava-maniry fihinanana (indrindra ny holatra/champignons) na biby mihinana ireo zava-maniry ireo (hazan-drano)
- infection alimentaire: vokatry ny fihinanana sakafo na fisotroana rano misy an’ireo mikraoba (bactéries, virus, parasites et champignons) izay mety mamokatra ihany koa poizina (toy ny mikraoba Staphylocoques, Clostridium botulinum)

INONA NO ANTONY METY MAHATONGA AN’NY OLONA HO VOAN’IO ARETINA IO?
Ireto no antony:
1- Fisotroana rano tsy azo antoka
2- Fihinanana sakafo (indrindra ireo sakafo proteinika: ny hena,ny zavatra vita amin’ny atody toy ny mayonnaise, ny ronono sy ireo zavatra vita avy aminy toy ny yaourt, crème fraiche)
- tsy ara-dalàna ara-pahadiovana (na ny fikarakarana ilay sakafo, ny fitehirizana azy na koa ny mpikarakara azy)
- tsy masaka tsara (amin’ny ankapobeny tokony hampangotrahina ny sakafo mandritra ny minitra maromaro)
- tsy voatahiry araka ny tokony ho izy (indrindra ireo sakafo tokony hatao anaty vata fampangatsiahana)
- efa lany daty
Amin’ny fotoana mafana sy mandomando (fotoanan’ny orana) no tena mampirongatra ny toxiinfection alimentaire satria feno ireo fepetra manamora ny fitombon’ireo zava-maniry na mikraoba mahatonga toxiinfection alimentaire

MANAO AHOANA NY FISEHON’NY SORITR’ARETINA NA TRANGAN’ARETINA?
- satria moa any amin’ny taova fandevonan-kanina no misy ilay fahavoazana; ny tena trangan’aretina fahita izany dia ireto manaraka ireto: te handoa na mandoa matetika, fenofeno na mavesatra na marary ny vavony, manotika ny kibo, mivalana. Mety hisy fanaviana na tsia
- ireo tranga ireo dia hiseho fotoana vitsy (minitra na ora vitsy) aorian’ny fihinana ilay sakafo tsy ara-dalàna
- matetika dia olona maromaro no mampiseho an’ireo tranga ireo (iray trano, niaraka namonjy lanonana)

AHOANA NY FISOROHANA IZANY ?
- rano sy sakafo azo antoka ary ara-pahasalamana no tokony ho hanina: avy nangotraka na voadio araka ny tokony ho izy
- mila madio koa ny mpikarakara: fahadiovana ara-batana indrindra ny tanana, toy izany koa ny akanjo, asiana pansement na manao gants, manao aro-vava orona raha voan’ny sery
- mila madio sy voakojakoja tsara ny vata fampagantsiahana sakafo
- mila mailo tsara sao lany daty ny sakafo ho hanina
- tandremana tsara ny fitahirizana sakafo: tsy azon’ny vovoka, ny sakafo décongélé tsy tokony haverina ao anaty congélateur, hajaina tsara ny hatsiaka tokony hitehirizana ny sakafo (araka ny toro-marika voasoratra ami’ny fonon’ilay sakafo)
- tandremo fa ny fahatapahan’ny herin’aratra dia mety tsy hahatomombana ny fitehirizana sakafo anaty vata fampangatsiahana

INONA NO TOKONY HATAO ?
- na dia matetika tsy atahorana ny ho fihombon’ny aretina, misy ireo karazana toxiinfection alimentaire mety hahafaty na hampitondra takaitra. Ao koa ireo lazaina hoe marefo ka mety hampihitatra ny aretina toy ny vehivavy bevohoka, ny ankizy, ny antitra ary ireo manana aretina mitaiza
- mila misotro rano (tsy latsaky ny 1,5l/j, sotroina tsikelikely) satria ny tsy fahampiandrano (déshydratation) no tena anisan’ny atahorana rehefa mafana, mandoa sy mivalana
- raha vao misy tranga mampiahiahy dia tsy misalasala mamonjy mpitsabo na tobim-pahasalamana
- tsy hadino ireo fisorohana voalaza etsy ambony mba tsy hahatonga ny toxiinfection alimentaire


Professeur ANDRIANASOLO Radonirina
Infectiologue

FANTATRAO VE FA FAMBARA ANA ARETIN-TSAINA NY FANAOVANA « ACHAT COMPULSIF »Ny “achat compulsif” dia midika hoe fividianan...
12/06/2025

FANTATRAO VE FA FAMBARA ANA ARETIN-TSAINA NY FANAOVANA « ACHAT COMPULSIF »

Ny “achat compulsif” dia midika hoe fividianana an-tsitrapo tsy voafehy, na hoe fividianana amin’ny fihetseham-po tafahoatra. Izy io dia karazana fihetsika ara-bola izay anaovana fividianana zavatra tsy ilaina na tsy voalahatra, matetika vokatry ny fikorontanan-tsaina, fahakiviana, fahasorenana, na koa fialam-boly fotsiny.

12/06/2025

Iza ilay interne promotion anareo le B mpahalala B : le tsy misy tsy mahalala azy na hatramin’ny tsy promotion ny aza.
Identifieo ato hoe izy saod D mba fantatray koa.

Intelligence artificielle IA Ny intelligence artificielle dia concept iray efa nisy hatramin’ny taona 70, ireo expert na...
09/06/2025

Intelligence artificielle IA

Ny intelligence artificielle dia concept iray efa nisy hatramin’ny taona 70, ireo expert na matematisianina ihany no nahafantatra sy nivohy azy tamin’izany . Algorithme mathématique izy io, ka nentina hanamaivanana na hifacilitena ny andavana’andro piainanan’ny tsirairay. Algorithme izay mitraiter ny fahalalana rehetra misy ho donnée, ka mamoaka izany anaty fotoana fohy (resoudre un problème ou excécuter une tache).

« L’homme et la machine » sa « l’homme contre la machine »?
Mampiasa ny fahalalana rehetra ho donnée ny IA ; ka ny ordinateur (processeur) no mitraité ilay donnée ho information indray. Noho izany dia tsy manana « conscience » izy fa paquet ana information na données no alahatra, fantenina ary avoaka arak’ilay algorithme de base.
Ny « conscience » tsika olombelona dia mbola tsy misy nahavita nanao kisarisary hoe halaina tahaka na ho adika atao algorithme de base. Ka amiko l’homme et la machine no fehezan-teny mitombina kokoa.

Hitodika manokana amin’ny resaka fistaboana sy IA aho,
IA sy ny Médecine.
Ny donnée eto dia ireo signe Clinique na paraclinique tamin’ny sémiologie; antsoina hoe “biomarqueur” io. Ireo biomarqueur ireo no traiten’ny IA ka hanomezany ny diagnostic.
Raha ny biomarqueur dia efa betsaka no mety azahoana izany satria teknolojia maro no ampiasaina atao capteur (camera, bracelet connecté, micro, smartphone,..). Ireo capateur ireo no manao ny examen physique sy ny examen paraclinique. Raha fehezina dia ny capteur no manome biomarqueur. Ny qualité an’ny capteur ampiasaina no miassuré ny precision an’I diagnostic.
Tsy natao hifaninana, na hanolo ny dokotera mihintsy ny IA, fa natao hanampy. Tsiaivina eto fa efa nampiditra ny technologie toy ny analyse biologique sy ny imagerie ny fitsaboana; ary io mbola ampiasaina hatramin’izao azahoana diagnostic. Tsy ny diagnostic ihany no modernisena manaraka ny découverte fao ireo traitement koa : ny radiiothérapie izay nampiasaina ireo radiation hitsaboana ny cancer, ny magnetisme, ny imagerie interventionnelle, ireo robot manao ny chirurgie.
Mbola maro ny ho avy satria tsy mitsahatra ny miperfectionner ireo capteur ny mpikaroka hazahoana biomarqueur misimisy kokoa hanamafisana sy hitadiavana precision ho an’ny diagnostic sy traitement futuriste.
Hita arak’izany fa tsy mitsahatra mivoatra ny siansa, ka kiondalana iray mankany amin’ny médecine moderne ny fampiasana ny IA.
Amiko afaka sokajiana ho anisan’ny examen paraclinique ny IA. Satria manampy amin’ny diagnostic, ary manome traitement.
Miverina amin’ilay fijery foana hoe l’homme et la machine fa tsy sanatria hoe l’homme contre la machine.
Ilay indro kely manoloana IA sy ny medicine dia :
- ireo technologie ampiasaina ho capteur. Ny precision sy ny sensibilité ananany.
- Ireo étude hanamarinana ny efficacité sur le plan thérapeutique mbola tsy ampy ka vitsy no mbola mireconnaitre sy manome doute ( tsy maintsy dokotera sy ny academie an’i Dokotera no mivalidé azy)

Atahorana ve ?
Efa noresahako teo aloha teo hoe tsy manana conscience ny IA, ary tsy manana sens morale . mbola tsy voafehy ny complexité ny zava bitan’ny atidohantsika. Mety hoe mahavita mitraité donnée BDB ny IA fa tsy mahavita ny connerie vitantsika. Atreto aloha dia mbola hoe : « l’homme et la machine ».

Randriaritsara Stephan

Diagnostic ?
15/05/2025

Diagnostic ?

07/05/2025

Rentable Ve ny asa fitsaboana ?
( Dokotera, Mpanotra, Paramedy, Mpitsabo amin’ny fomba nentipaharazana, Charlatan,…sns)

30/04/2025



Ho an’ny mpianatra ho mpitsabo ao amin’ny hopitaly (internes), dia nanomboka ny 28 avrily 2025 no nanomboka ny fitokonana nasionaly tsy voafetra, tarihin’ny InterSyndicale Nationale des Internes (ISNI), ho fanoherana ny tolo-dalàna Garot izay mikendry ny hanakantsakana ny fahalalahan’ny dokotera hisafidy ny toerana hanorenany toeram-pitsaboana. Tafiditra ao anatin’ity hetsika ity ny fihetsiketsehana natao tamin’ny 29 avrily 2025. Na izany aza, tsy misy fanamarihana mazava milaza fa mandray anjara mavitrika amin’izany ny mpianatra ho dokotera ao La Réunion.

PROPOSITION DU LOI GAROT
Tolo-dalàna Garot (2025): Fanaraha-maso ny fametrahana toeram-piasan’ny dokotera

Natao tamin’ny 2022 ity tolo-dalàna ity, notanterahin’i Guillaume Garot ary tohanan’ny depiote maherin’ny 250 avy amin’ny antoko politika isan-karazany (avy amin’ny LR hatrany amin’ny LFI). Mikendry ny hiadiana amin’ny tsy fisian’ny mpitsabo amin’ny faritra sasany izy io amin’ny alalan’ny fandrindrana ny toerana ahafahan’ny dokotera miasa. Nahazo fanoherana mafy tao La Réunion izy io, satria heverin’ny dokotera any an-toerana fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy amin’ny nosy ilay lalàna.

Andininy lehibe amin’ilay lalàna:
• Andininy 1 (nankatoavina tamin’ny 2 avrily 2025): Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny Agence Régionale de Santé (ARS) ny dokotera (anisan’izany ny ankapobeny, manampahaizana manokana, na amin’ny sehatra tsy miankina na an’ny fanjakana) vao afaka miasa amin’ny toerana iray. Ilaina koa ny hevitry ny Filankevitra Departementaly amin’ny Filaminan’ny Mpitsabo. Raha amin’ny faritra vitsy mpitsabo dia omena ho azy ilay fahazoan-dalana, fa amin’ny faritra be mpitsabo dia voafetra.
• Tanjon’ny lalàna: Hanitsiana ny tsy fitovian’ny fanomezan-toky ara-pahasalamana amin’ny fanosehana ny dokotera hiasa amin’ny faritra tsy ampy tolotra ara-pitsaboana (Frantsay 8 tapitrisa no monina amin’ny faritra tsy misy mpitsabo, 6 tapitrisa no tsy manana dokotera manokana, araka ny filazan’i Garot).
• Fepetra hafa (eo am-pitsarana):
• Fanesorana ny fanampin-karama ho an’ny marary tsy manana dokotera manokana.
• Famoronana fianarana fitsaboana taona voalohany isaky ny departemanta.
• Famerenana ny adidy amin’ny fanatrehana fitsaboana amin’ny fotoana rehetra (garde).
• Dingana manaraka: Hodinihina ny andininy hafa amin’ny 6 sy 7 mey 2025 ao amin’ny Antenimieram-pirenena, ary raha ekena dia ho alefa any amin’ny Antenimiera Ambony (Sénat).

Toe-javatra sy fanoherana ao La Réunion:
• Hetra ataon’ny dokotera: Niantso fitokonana tsy voafetra nanomboka ny 28 avrily 2025 sy fihetsiketsehana ny 29 avrily tao Saint-Denis ny Syndicat des Internes de l’Océan Indien (SIOI), ho fanoherana ilay tolo-dalàna Garot. Heverin’izy ireo fa manimba ny rafitra ara-pahasalamana amin’ny nosy ilay fanovana.
• Antony enti-manoherana:
• Toetoetry ny nosy: Na dia manana faritra vitsy mpitsabo aza i La Réunion, dia efa miatrika tsy fahampian’ny mpitsabo. Raha ampiharina ny fandrindrana dia mety hiteraka fandavana hanorina toeram-pitsaboana ka hanimba bebe kokoa ny fidirana amin’ny fitsaboana.
• Fahafahan’ny mpitsabo mandao ny nosy: Matahotra ny mpitsabo fa hifindra amin’ny faritra tsy misy fepetra toy izany ireo tanora vao vita fianarana.
• Tsy nifampidinihana: Heverina ho tsy mifanaraka amin’ny zava-misy amin’ny nosy, toy ny lafo vidy sy ny fanavahana ara-jeografia.
• Fanohanana ny lalàna: France Assos Santé dia manohana ilay lalàna, satria milaza fa 86% amin’ny vahoaka (araka ny fanadihadiana tamin’ny 2025) dia manohana ny fandrindrana mba hanatsarana ny fidirana amin’ny fitsaboana. Nanohana an-tsindrimandry ihany koa ny Praiminisitra François Bayrou, milaza fa mila fivoahana amin’ny “fifampifikirana tsy misy vokany.”
• Fanoherana avy amin’ny governemanta: Nanohitra ilay lalàna ny Minisitry ny Fahasalamana Yannick Neuder, nilaza fa tsy mahomby ilay rafitra. Misy depiote hafa koa toy i Nathalie Colin-Oesterlé (Horizons) sy Christophe Bentz (RN) nilaza fa “tsy mahomby” na “hevitra ratsy fotsiny.”

Toe-draharaha manokana ao La Réunion:
• Miatrika olana amin’ny tsy fisian’ny mpitsabo amin’ny faritra ambanivohitra sy manodidina ny tanàna i La Réunion, mihamafy noho ny fitomboan’ny mponina sy ny fanerena amin’ny rafitra ara-pahasalamana (ohatra: valanaretina chikungunya tamin’ny 2025).
• Manolotra vahaolana hafa ireo mpitsabo any an-toerana, toy ny:
• Fanomezana zava-manosika ara-bola,
• Fanatsarana ny fepetra iasana (ohatra: fanamora ny raharaha ara-pitantanana),
• Fanofanana sy fanakarama olona avy ao an-toerana mba hijanona maharitra any.
• Maneho ny fitomboan’ny tsy fahafaliana ny fitokonana sy fihetsiketsehana amin’ny faran’ny volana avrily 2025, ary mety hihamafy raha ekena ilay lalàna nefa tsy misy fanitsiana.

Loharanombaovao :

- Zinfos974 : Mobilisation des médecins réunionnais
- Le Figaro : Adoption de l’article 1
- Le Monde : Contexte des déserts médicaux
- LCP : Débats à l’Assemblée
- France Assos Santé : Soutien à la PPL

Voilàvoilà Magazine

29/04/2025

Ho zaraina amintsika eto anio ny resaka momban'ny na ny tsy fahatomombanan'ny fitsanganan'ny filahiana.

Mankasitraka an'i Professeur RAKOTOTIANA Auberlin nizara sy nampahafantatra antsika mikasika izany.

TSY FAHATOMOMBANAN’NY FITSANGANAN’NY FILAHIANA

« Ny filahiana dia tsy mankatoa ny baikon'ny tompony, izay miezaka ny hanana fitsanganana amin'ny baiko, fa mitsangana malalaka mandritra ny torimason'ny tompony. Toa manana ny atidohany izy... »
Leonard de Vinci

FAMARITANA
Maro ireo teny fiantsoana azy toy ny hoe « impuissance », tsy fahafahana, na tsy fananan’ny lehilahy hery entina manao firaisana. Misy tombony kokoa ny fampiasana ny teny hoe « insuffisance érectile » na « tsy fahampian’ny fihenjanana »
Raha ny famaritana azy dia ny tsy fahafahana mitazona ny fihenjanan’ny filahiana ampy ho an’ny firaisana ara nofo mahafa-po, izany hoe : tsy fahampian’ny fitsanganan’ny filahiana.
Matetika dia ilay olona anaovan’ ilay lehilahy firaisana mihintsy no mahatsapa izany.
Lazaina fa voan’izany aretina izany ny lehilahy iray rehefa nahatsapa sy niaina izany nandritry ny telo volana.
Tsy azo afangaro amin’ny fikorontanan’ny filàna na ny libido, ny fikorontanan’ny fivoahan’ny tsirin’aina sy ny orgasme,eo koa ny tsy fahatomombanan’ny fitsanganan’ny filahiana.

FA MANINONA NO RESAHINA ?
Olana mateti-pitranga io, indrindra any amin'ny lehilahy lehibe ,ary mahamenatra satria :
• 1 amin'ny lehilahy 2 aorian'ny 50 taona
• 1 amin'ny lehilahy 3 aorian'ny 40 taona
Maharitra 4 taona eo ho eo ilay lehilahy voan’io aretina io vao maka hevitra matetika
Fambara io fa mety marary ny fo, na misy fahavoazana amin’ny lalan-drà satria ny fitsanganan’ny filahiana dia marikin’ny fahasalaman’ny lalandrà. Araky ny fikarohana (Curkendall sy Glasser, 2001) dia 18% no nahitana fiakaran'ny tosidrà
Taratry ny fahasalaman’ny lehilahy io

FIANTRAIKANY
Fiantraikany ara-tsaina amin'ny marary :
- mandà na manamaivana ilay olana
- mandà tsy hanao firaisana ara-nofo
- mihena ny tambitamby
- malahelo, kizitina, tsy mahazo aina, tsy mahatsapa-tena ho toy ny olon-drehetra
- mihena ny kalitaon’ny fiainana
- mihena ny fifandraisan’ny amin’ny mpiara-belona, mitokatokana

IREO ANTONY:

ireo antony ara tsaina
• raritsaina
• fitaintainana
• asa-saina momban’ny fahefana hiray: tsy velona ny filahiana (mba ho vitako ve izany?)

ireo antony avy amin’ny ati doha
• fandidiana sy fahavoazan’ny tsokandamosina sy ny loha
• diabeta
• fisotroan-toaka
• Sclerose en plaque
• Ratran’ny hazon-damosina

Anto,ny avy amin’ny lalan dra
• fahatsetseman’ny lalandrà
• tosidrà avo
• radiothérapie
• ody tosidrà avo (diurétique, B bloquants)

antony ara hormonaly
• Hypogonadisme central ou périphérique
• Déficit en testosterone (Fahanterana)
• Hypothyroïdie
• Hémochromatose

Antony avy amin’ny fihinana fanafody

Jerena tsara ny toromarika an’ireo fanafody hoanin’ny marary

NY FITSABOANA IZANY
Ny tanjon’ny fitsaboana izay hatolotra ny marary dia ny hananany filahiana mihenjana ahafahany manao firaisana ara-nofo mahafapo azy sy ny vadiny na izay olona miaraka aminy
Mitsabo ireo aretina izay azo tsaboina mety nahatonga ilay fahalemena ara-pilahiana

- Mitady fitsaboina ve aloha ilay marary ? Raha eny dia ireto ny tolotra azo atao:
- Fanamboaran-tsaina
- Hajanona ny toaka sy sigara: fomba fiainana madio
- Manantona Dokotera
- Fanamaivanana ilay olana, omena ny vahaolana
- Tsaboina ilay aretina mahatonga ilay olana
- Jerena na soloina ilay fanafody mety mahatonga koa ilay fahalemena
- Fifampiresahana amin’izy mivady

Address

Antananarivo

Telephone

+261345103939

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Voilàvoilà Magazine#Santé posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Voilàvoilà Magazine#Santé:

Share