28/04/2026
𝐅𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐢𝐳𝐚-𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐫𝐚𝐢𝐤𝐞𝐟𝐚 𝐦𝐢𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧à𝐧𝐚 𝐧𝐲 "𝐀𝐂𝐂𝐈𝐃𝐄𝐍𝐓𝐒 𝐕𝐀𝐒𝐂𝐔𝐋𝐀𝐈𝐑𝐄𝐒 𝐂𝐄𝐑𝐄𝐁𝐑𝐀𝐔𝐗 (𝐀𝐕𝐂)" 𝐧𝐚 𝐤𝐨𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐚𝐩𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐞𝐧𝐭𝐬𝐞𝐦𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧-𝐝𝐫à
📍27 sy 28 Aprily 2026, Amparibe
Fiofanana sy fizarana traikefa ho an’ireo Mpiasan’ny fahasalamana miandraikitra ny fitsaboana ny AVC ("Kinésithérapeute", "Neurologue", "Anesthésiste réanimateur" , "Orthophoniste", "Ergothérapeute", sns.) , eny anivon'ireo Hopitaly lehibe toy ny:
👉🏽 CHUJRB • CHUJRA •CENHOSOA • CHUAM
✅ Fanamafisana fahaiza-manao
✅ Fizarana traikefa
✅ Fidinana ifotony teny anivon’ireo sampana voakasika ao amin'ny Hopitaly, miainga amin’ny sampana vonjy taitra ka hatramin’ny sampana fanarenana sy ny fanaraha-maso maharitra
🎯 : fanatsarana ny fandraisana an-tanàna ny "AVC", famantarana ireo fambara mialohan'ny "AVC", fanamafisana ny fandraisana andraikitra haingana ary ny fampihenana ny voka-dratsin’ny "AVC".
Manohy hatrany ireo ezaka fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra fahasalamama omena ny vahoaka ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny alalan'ny Fitaleavana Jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamana ( DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins). Manatsara ny fisorohana fa indrindra indrindra ny fitsaboana.
Fiaraha-miasa amin'ny ONG Doctors for Madagascar | Ärzte für Madagaskar amin'ny alalan'ny tetikasa "MAFY" - Manatsara ny Fisorohana-Manatsara ny Fitsaboana.