
25/01/2025
TSATOKA NA ODY RATSY
Ny Tsatoka dia herin-tsy hita maso, ody ratsy (mosavy) izay ataon’olona tsy tia mba hampijaly na hanakana ny fahombiazana sy ny fiadanana amin’ny lafim-piainana samihafa.
Izy io dia miteraka sakana ara-pitiavana, ara-bola, ara-piainana, ary ara-pitadiavana, ka mahatonga ilay olona voa tsy hahita fandrosoana na vokatsoa mihintsy amin'ny fiainana.
IREO VOKA-DRATSY ATERAKY NY TSATOKA
Aram-pitiavana:
Mora mandao ilay olona miaraka aminao na dia tsy misy ady aza (ohatra: misy fifandraisana efa tsara toerana, saingy tampoka dia tapaka tsy ampoizina).Tsy mahita fifantohana amin’izay miaraka aminao ianao, ka sarotra ny mitazona fifandraisana maharitra izay eo aminao (ohatra: mety hiteraka tsy fifankazahoana sy fikorontanana tsy misy antony mazava).
Aram-bola sy arak’asa:
Na dia miasa mafy aza, tsy ahitana vokatra mazava ny ezaka natao (ohatra: mikaroka asa mafy nefa toa tsy misy manatsinjo ny asa na ny tolo-kevitra).
Tsy mitombo ny harena, ary mety ho voatery miantehitra amin’ny trosa foana (ohatra: manangona vola, saingy matetika dia misy fandaniana tampoka mampikorosy fahana).
Tsy mahavita mandroso eo amin’ny sehatry ny asa na dia efa ela niasana aza (ohatra: na dia efa niandry fisondrotana ela aza, toa misy sakana tsy azo anoharana).
Aram-piainana:
Mbola miatrika fahasarotana eo amin’ny fiainana andavanandro na dia miezaka mafy aza (ohatra: misy ny fiatoana tampoka amin’ny tetikasa efa nandroso tsara).
Mety hanimba na handrava tokatrano ny tsatoka (ohatra: fifandirana tsy misy antony mazava eo amin’ny fianakaviana).
Rehefa olona iray no tratry ny atao hoe tsatoka dia tena hatsatony tokoa ka bloqué daholo izay fahasoavana rehetra tokony hiditra aminy! Izany dia mety hahatonga azy hiaina fiainana feno tolona, fahadisoam-panantenana, ary fahakiviana. Mety hahatsapa izy fa na dia manao izay fara heriny aza, dia tsy mety mahazo valiny mahafa-po.
Tsy vitan’izay, fa ny tsatoka koa dia afaka manakana ny olona hahazo fitiavana na fiaraha-monina mirindra, ka mahatonga azy ho irery sy mifanalavitra amin’ny hafa.
Ho an’izay mahatsapa fa misy an’izany eo amin’ny fiainany dia aza misalasala ny miditra hafatra amiko na manoratra MP avy hatrany.
Mitombo hasina hatrany!