Ferme de Manazary

Ferme de Manazary Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ferme de Manazary, Antananarivo.

Tohano tsara ny akoho mba tsy harary amin'izao orana tsy miato izao.✅️ Mampikohaka akoho ny hamandoana be loatra ka aleo...
31/01/2026

Tohano tsara ny akoho mba tsy harary amin'izao orana tsy miato izao.

✅️ Mampikohaka akoho ny hamandoana be loatra ka aleo hidiana anaty toerana azo antoka.
✅️ Atao ampy tsara foana ny fivezivezen'ny rivotra anaty tranon'akoho.
✅️ Diovy tsara ny tranon'akoho.
✅️ Mampiakatra ny hery fiarovana azy ireo ny fanomezana sakafo toy ny : sakamalao, tongolo, tantely, ananambo,...

Ankoatr'izay dia misy hatrany ny atody race kuroiler azo akotrika izay mila manomboka ny Alatsinainy izao, rehefa lasa

Nisy naheno horohorontany ve androany t@ 11:30 ? 🕦✅️Mety misy fifandraisany ve ny horohorontany sy ny atodin'akoho akotr...
24/01/2026

Nisy naheno horohorontany ve androany t@ 11:30 ? 🕦

✅️Mety misy fifandraisany ve ny horohorontany sy ny atodin'akoho akotrika ? Valiny Tsia.
✅️Misy milaza fa mila avadika ny atody rehefa andalovan'ny horohorontany. Valiny, tsy ilaina avadika akory.
✅️Betsaka ny tranga mety mampihovitrovitra ny tranon'akoho. Maro ihany koa ireo atodim- borona ambony hazo izay mihovitra matetika noho ny rivotra fa foy ihany.

🥚🥚🥚Misy hatrany ny atody kuroiler pure azo akotrika. MP.🥚🥚🥚

🥚Misy hatrany ny atody akoho azo akotrika na fecondé, kuroiler pure. 🥚Akoho be nofo, haingam-pitombo sy manatody lava 🍗 ...
17/01/2026

🥚Misy hatrany ny atody akoho azo akotrika na fecondé, kuroiler pure.
🥚Akoho be nofo, haingam-pitombo sy manatody lava
🍗 Toy ny atody akoho gasy sy henan'akoho gasy.

Efa nahazo gadoany daholo izay naka tato hatrizay hatrizay 🥚🥚🥚🥚

🐔 𝗔𝗻𝘁𝗼𝗻𝘆 𝟭𝟬 𝗛𝗶𝗼𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘆 𝗞𝘂𝗿𝗼𝗶𝗹𝗲𝗿 𝗥𝗮𝗰𝗲 𝗣𝘂𝗿𝗲🐔1️⃣ Manome vokatra 2 mitambatra satria sady be hena no be atody 🎯2️⃣ Mitombo h...
11/01/2026

🐔 𝗔𝗻𝘁𝗼𝗻𝘆 𝟭𝟬 𝗛𝗶𝗼𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘆 𝗞𝘂𝗿𝗼𝗶𝗹𝗲𝗿 𝗥𝗮𝗰𝗲 𝗣𝘂𝗿𝗲🐔

1️⃣ Manome vokatra 2 mitambatra satria sady be hena no be atody 🎯
2️⃣ Mitombo haingana raha oharina amin’ny akoho nentim-paharazana 🚀
3️⃣ Afaka mamokatra mandritra ny 3–4 taona 🥚
4️⃣ Mahazaka na Mahatohitra aretina tsara kokoa ☀️
5️⃣ Mifanaraka amin’ny karazana fiompiana rehetra (Toerana tery na malalaka, andrenivohitra na ambanivohitra, toerana mafana/mangatsiaka) 🌾
6️⃣ Akoho tena tsara tarehy sy manintona ✨
7️⃣ Tsy mitaky sakafo lafo; afaka mampiasa sakafo tsotra sy sisan-dakozia 🌽
8️⃣ Hena tsara kalitao sy matsiro, toy ny henan’akoho gasy ihany, ary toy izany koa ny loko sy tsiron’atody 😋
9️⃣ Afaka akotrika ny atody (raha misy lahy) 🐣
🔟 Sokajiana ho vola haingam-piodina indrindra raha mahazo ray sy reniakoho tsy mitapoka sy efa manatody ⚡🐥

Ireto @ sary ny santionany.

Ireo ary misy kuroiler pure vao foy. Tena mora taizana amin'izao andro mafana izao. 8 sisa. Ireo amin'ny sary ny parents...
08/01/2026

Ireo ary misy kuroiler pure vao foy. Tena mora taizana amin'izao andro mafana izao. 8 sisa. Ireo amin'ny sary ny parents-ny. 8000ar ny 1 raha manambatra azy rehetra.
Toerana : Manazary Ilafy (10mn Ambatobe). Afaka manao livraison ihany koa.
Misy foana koa ny atody azo akotrika.

21 andro ihany dia foy ny Kuroiler, toy ny akoho rehetra, saingy izy malaky mitombo be noho ny akoho gasy
03/01/2026

21 andro ihany dia foy ny Kuroiler, toy ny akoho rehetra, saingy izy malaky mitombo be noho ny akoho gasy

Disponibe foana ny Atody Kuroiler Fecondé. Azo akotrika tsara.🥚3000ar ny 1. Toerana : Manazary Ilafy (Antsinanan'Ambatob...
02/01/2026

Disponibe foana ny Atody Kuroiler Fecondé. Azo akotrika tsara.

🥚3000ar ny 1. Toerana : Manazary Ilafy (Antsinanan'Ambatobe)
🥚Manao livraison (sarany arakaraky ny toerana)

Misy akoho vatony ihany koa.

MP na 0347675888

Mirary taom-baovao mahafinaritra ho antsika mpiompy sy mpanjifa rehetra. 🎉🎯🍗 Misokatra hatrany ny fiaraha-miasa aminareo...
01/01/2026

Mirary taom-baovao mahafinaritra ho antsika mpiompy sy mpanjifa rehetra. 🎉

🎯🍗 Misokatra hatrany ny fiaraha-miasa aminareo mpamokatra akoho kely, mpanakotrika atody maro, ianareo mpanao sakafo tsy tia vokatra misy antibiotika... misy ny akoho sy atody. Bio ny antsika.
🥚🥚 Misy foana ny atody azo akotrika ato amintsika.

MP

31/12/2025
Akoho lahy Kuroiler maromaro amidy. ✅ ️3,5 volana. 45 000ar✅ 4 volana. 50 000ar✅ 4,5 volana. 60 000ar ✅️ Efa manomboka m...
28/12/2025

Akoho lahy Kuroiler maromaro amidy.

✅ ️3,5 volana. 45 000ar
✅ 4 volana. 50 000ar
✅ 4,5 volana. 60 000ar
✅️ Efa manomboka manaraka tsikelikely.
✅ ️Mety atao fondation na laoka
✅️ Toerana : Manazary Ilafy.

Misy vavy ihany koa

Akoho lahy Kuroiler amidy. ✅ ️4 volana.✅️ Efa manomboka manaraka tsikelikely.✅ ️65 000ar. Milatsaka kely raha manambatra...
14/12/2025

Akoho lahy Kuroiler amidy.

✅ ️4 volana.
✅️ Efa manomboka manaraka tsikelikely.
✅ ️65 000ar. Milatsaka kely raha manambatra azy 3.
✅️ Toerana : Manazary Ilafy.

Afaka taizana tsara, tsy mifidy sakafo (katsaka, zava-maitso, provandy...) Matavy tsara koa raha atao lôka

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ferme de Manazary posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram