Dr Tahiry - Sport et Santé

Dr Tahiry - Sport et Santé Médecin, passionné de sport, ensemble on partagera les bienfaits de la pratique sportive �

💦 Nombreux sont ceux qui préfèrent prendre du plaisir en utilisant du savon, mais… c’est une très mauvaise idée !Oui, ça...
14/01/2026

💦 Nombreux sont ceux qui préfèrent prendre du plaisir en utilisant du savon, mais… c’est une très mauvaise idée !
Oui, ça glisse… mais ça brûle aussi ! 😅

Le savon assèche et irrite la peau, que tu sois homme ou femme, et peut provoquer rougeurs, démangeaisons ou micro-coupures.
Il dérègle le pH naturel, fragile surtout chez la femme, mais même chez l’homme ça peut favoriser des irritations ou infections cutanées.
Le combo savon + frottement rend la peau plus fragile → micro-blessures garanties. Pas très sexy, n’est-ce pas ?

✅ Astuce : préfère l’eau tiède ou un lubrifiant à base d’eau. Doux pour ton corps, zéro risque et plaisir garanti !
💡 Ton plaisir peut être intense… sans te faire de mal !

08/01/2026

Nanamarika ahy manokana ity fihetsiky ny mpiandry tsatokazon’ny FC Barcelona ity tamin’ny lalao nifandonan’izy ireo tamin’ny RCD Espanyol de Barcelona ny asabotsy lasa teo 🙏🏽🙌🏽
Rehefa hitany fa tsy ahavita hiazakazaka malaky hanakana ilay mpandaka baolina ny vodilaharany, dia natosiny hanakana ilay daka nataon’ny mpifanandrina 👏🏽
Manaporofo ny toy izao fa tena ilana faharanita-tsaina ny kitra!

🥳🎉 Mirary vola sy fahasalamana ooh! 🎉🥳Tsy haiko aloha ianareo fa izaho manokana, tena tapa-kevitra fa ity 2026 ity: TSY ...
05/01/2026

🥳🎉 Mirary vola sy fahasalamana ooh! 🎉🥳

Tsy haiko aloha ianareo fa izaho manokana, tena tapa-kevitra fa ity 2026 ity: TSY MAINTSY HO ATAOKO Aina Cook 🙊😘

31/12/2025

☣️VARIOLE DU SINGE☣️
Tafiditra eto Madagasikara ny aretina ⚠️
‘Ndeha hiara-hamantatra ny rehetra momba izany ato amin’ny vidéo 🎬

✅Misakafoana tsara
✅Ataovy ampy ny torimaso
✅Mietseha
✅Ahenao ny « Stress »
✅Arovy ireo marefo

Zarao ny vidéo hanampiantsika ireo tapaka sy namana, sy hisorohantsika ny firongatry ny aretina !

‼️‼️ Raha ny ady mivady niainan'ny tsirairay amintsika tato ho ato izay no nahazoana vola an !➡️ Nahavoavidy inona ianao...
29/12/2025

‼️‼️ Raha ny ady mivady niainan'ny tsirairay amintsika tato ho ato izay no nahazoana vola an !
➡️ Nahavoavidy inona ianao ??

🎉Amin’ny maha Mpitsabo ahy, tsy ho isan’ireo handrara anareo tsy hisotro sy ihinana aho mandritra ny fety😁🥳Zava-dehibe, ...
25/12/2025

🎉Amin’ny maha Mpitsabo ahy, tsy ho isan’ireo handrara anareo tsy hisotro sy ihinana aho mandritra ny fety😁🥳
Zava-dehibe, indrindra ho an’ny fahasalamana ara-tsaina ireo fotoana ifampizaràna amin’ireo olona maminao sy akaiky anao🍻

👉 Ny fihinanana sy fisotroana amin’ny antonony sy indraindray dia tsy tokony hampidi-doza.

⛔️Ny tafahoatra sy miverina matetika, miaraka amin’ny tsy fampiasana vatana, no hisy voka-dratsy eo amin’ny fahasalamana⛔️

✅Ankafizo ny lanonana🥳
✅Hainoy ny vatanao (aza manao tafahoatra😉)
✅Mihetseha sy mandihiza 💃

➡️Rehefa vita ny fety, averina tsikelikely amin’ny « rythme » mahazatra ny fiainana sy ny fanatanjahantena💪

✨ Mirary Noely sy fetin’ny faran’ny taona sambatra ho anareo, ankafizo ny fotoana miaraka amin’ny olon-tianareo🎄❤️

🚨 INTOXICATION ALIMENTAIRE : MANAOVA FETY LAVITRY NY ARETIN-KIBO! 🍽️🦠 Inona no atao hoe intoxication alimentaire ?➡️Aret...
24/12/2025

🚨 INTOXICATION ALIMENTAIRE : MANAOVA FETY LAVITRY NY ARETIN-KIBO! 🍽️

🦠 Inona no atao hoe intoxication alimentaire ?
➡️Aretina azo avy amin’ny sakafo na rano tsy madio nohon’ny fisian’ny « microbes »🤢

⚠️ Famantarana : maloiloy 🤢, mivalana 💩, manavy 🤒, marary kibo, … 💥

✅ Fisorohana :
- Manasa tanana ✋
- Andrahoana tsara ny sakafo 🍗
- Tehirizo ao amin’ny vata fampangatsiahana ny sakafo tokony ho ao🧊
- Rano madio ihany no sotroina 💦 (ampangotray aloha)💧
- Mitandrema amin’ny mayonnaise amboarina (menaka, atody 🥚,…)

⛔️Na dia mbola tsara aza ny fahitanao ilay sakafo, na tsy misy fofona aza, dia mety misy microbes tsy hita maso izany, ka tena MITANDREMA! ⚠️

🩺 Raha marary ianao :
- Misotroa rano betsaka 💧
- Mihinàna sakafo maivana
-Manantonà toeram-pitsaboana 🏥

💬 Ianao koa ve efa naharary kibo nandritran’ny fety?? Tantarao anaty commentaire.

📌 Zarao hiarovana ny fianakaviana 💙

🦶🏽👶🏽 INFO sa INTOX ?👉🏽 « Rehefa mandeha tsy manao kiraro ny zaza dia idiran’ny rivotra sy marary kibo »❌ INTOXIdiran’ny ...
20/12/2025

🦶🏽👶🏽 INFO sa INTOX ?

👉🏽 « Rehefa mandeha tsy manao kiraro ny zaza dia idiran’ny rivotra sy marary kibo »

❌ INTOX

Idiran’ny rivotra ny zaza iray rehefa :
🔹 mitelina rivotra izy (rehefa misakafo haingana, mitomany ela, mitsentsitra tétine)
🔹 misy sakafo lasa mamoaka rivotra rehefa tonga any @ tsinainy.

👉🏽 Tsy misy ifandraisany mihitsy :
❌ ny faladia tongotra
❌ sy ny vavony na tsinay

Noho izany, ny mandeha tsy manao kiraro na kapa :
❌ tsy miteraka rivotra
❌ tsy miteraka aretin-kibo

🟢 Ny fanaovana kiraro dia :
✔️ hiarovana amin’ny ratra sy ny zava-maranitra
✔️ hisorohana otrikaretina sy “parasites”

🚫 Fa tsy hiadiana amin’ny aretin-kibo.

🧠 Hafatra kely ho an’ny ray aman-dreny
Raha marary kibo ny zanakao dia misy antony ara-pahasalamana ao, fa tsy avy amin’ny faladia tongotra.

💬 INFO sa INTOX ?
Efa notenenina izany koa ve ianao t@ mbola kely dia nampiditra kapa haingana satria tsy te harary kibo?👇🏽
Commenteo!

17/12/2025

Ampianaro anay ilay fika ahafantarana azy hoe ity be vôniny na kely vôniny ry sipa aah!!

⭐ Hanavotra aina ny fanampianao ⭐️➡️ Eto amin’ity pejy ity isika miresaka fahasalamana, fisorohana aretina, fanatanjahan...
13/12/2025

⭐ Hanavotra aina ny fanampianao ⭐️

➡️ Eto amin’ity pejy ity isika miresaka fahasalamana, fisorohana aretina, fanatanjahantena. Any ho any anefa misy olona tena miaina izany aretina izany, miady mafy ho an’ny fahasalamany, ady izay tsy hita maso nefa tena sarotra.

➡️ Anisan’izany i Volatiana Elsa, Malagasy mbola tanora izay miady amin’ny homamiadana efa taona maro. Nisy fotoana nihatsara ny fahasalamany, saingy niverina indray ilay aretina, ary mila fitsaboana any Inde izy ankehitriny.

🙏🏽🙏🏽 Koa misy cagnotte nosokafana anampiana azy amin’ny :
• fandefasana azy ho any Inde,
• fitsaboana sy fandraisana an-tanana eny amin’ny hopitaly

Amin’izao fotoana izao izy dia tsy mbola mazaka sidina alavitra, ary tsy mbola ampy koa ilay vola voaangona.

🙏🏽🙏🏽 Ka eto dia mangataka fanampiana aminareo mpanaraka ny pejy aho : na 1 000 Ar, na fizarana ato amin’ny Facebook, dia efa fanampiana lehibe azy.

💛 Misaotra indrindra ireo rehetra efa nanampy. Mankasitraka mialoha ireo hanohana sy hizara ity publication ity. Ny fitiavana kely avy amintsika dia mety hitondra fahasalamana lehibe ho azy 💛

🔗 Ity ny rohy ho an’ilay cagnotte : https://www.leetchi.com/fr/c/urgence-soins-en-inde-pour-volatiana-elsa-6251327?utm_source=copylink&utm_medium=social_sharing

📞Orange money: 0324158706
📞Mvola: 0383833130
Nirina Arivony Volatiana Elsa

Participez à la cagnotte "Urgence : soins en Inde pour Volatiana Elsa". Leetchi cagnotte en ligne sécurisée ✔️ Création gratuite ✔️

🚨 FANAOVAM-BAKSINY FAOBE – Hisorohana ny Homamiadan’ny Vozon’ny tranonjaza 🚨👩🏽 Ho an’ny zatovovavy 9 hatramin’ny 14 taon...
11/12/2025

🚨 FANAOVAM-BAKSINY FAOBE – Hisorohana ny Homamiadan’ny Vozon’ny tranonjaza 🚨

👩🏽 Ho an’ny zatovovavy 9 hatramin’ny 14 taona – Azo antoka ary MAIMAIM-POANA

❗️Ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza dia mbola mahazo vehivavy maro eto Madagasikara. Tena mampalahelo fa matetika efa grave vao tonga any amin’ny hopitaly ny marary — efa tena mijaly, efa tara loatra 😔😔
❗️Kanefa misy fomba azo antoka azo isorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza : ny fanaovana vaksiny.

➡️ Tsy vaksiny vaovao izy ity — efa ampiasaina maneran-tany, ankatoavin’ny OMS, ary azo antoka tanteraka ho an’ny ankizivavy. Tsindrona iray dia efa miaro azy 💉

📅 Daty : 08, 09, 10, 11, 12 Desambra 2025

📍 Toerana : Eny amin’ny CSB sy eny amin’ny sekoly

🤝🏾 Ry ray aman-dreny sy mpampianatra ary mpiandraikitra : andao hiara-hientana
Aoka isika hanohana sy hitondra ny ankizivavy hanao vaksiny.
Arovy dieny izao ny hoaviny.

10/12/2025

🚨ACCIDENT GRAVE NITRANGA NANDRITRA NY MATCH RUGBY🚨

Tantaraiko amin'ity vidéo ity ny zava-nitranga.

🙏🏽🙏🏽 Mila ny fanampiantsika i Mongo, 'ndeha samy hanampy azy.
📞 Laharana finday ahafahana mandefa ny tolo-tanana : 038 75 780 61 (RASAMIMANANA ELLY W***Y)

🙏🏽🙏🏽 Isaorana manokana ireo rehetra nandray anjara mivantana, na tsia, tamin'ny fitsaboana azy :
➡️ Ny equipe medicale Rugby niasa tamin'io alahady io
➡️ Ny federation : Malagasy Rugby
➡️ Ny Ambulance SARO Madagascar
➡️ Ny U.S Ankadifotsy Rugby
➡️ Ny equipe Urgence CHU HJRA
➡️ Ny Institut Médical de Madagascar
➡️ Ny equipe neurochirurgie HJRA
➡️ Ny equipe neurochirurgie HOMI...

🙏🏽🙏🏽MISAOTRA antsika sahady ny amin'ny fanampiana ho ataontsika, sy ny fizarana ity antso ity 🙏🏽🙏🏽

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dr Tahiry - Sport et Santé posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram