15/04/2021
❗❗❗tena mitandrema ry zareo @ ity aretina ity a🚫🚫🚫
Tena ao anatin'ny fotoana fohy dia fohy dia miombo ary mamely mafy ity areti-mandoza ity ka samia mitandrina
⭕ Raha toa ka mahatsapa tena ianao fa hoe mbola salama tsara dia ampiakaro hatrany ny tahan'ny hery fiarovana ao anatinao fa aza dia mitopi-teny fatratra hoe tsy ampaninona ahy io aretina io
♨️ 1/ araho hatrany ny ''geste barrière'' rehetra, raha sendra misy manakaiky loatra dia teneno fa tsy mety izany fa hajao ny elanelana❗
♨️ 2/ anaovy tanteraka iny aro-tava sy orona iny satria sady miaro anao iny tsy ho voan'ilay aretina no miaro ny hafa ianao tsy hanaparitaka azy❗
♨️ 3/ sasao matetika @ Rano sy savony matetika ny tanana, misalasala fa sasao matetika, aza tia mikitikitika sy mandrairay fa ampirimo tsara iny tanana iny, ary aza ampiasaina raha tsy zavatra tena ilaina❗
♨️ 4/ asio goutte ana ''huile essentielle'' any anaty cache bouche, na huile essentielle Ravintsara na huile essentielle Mandravasarotra, ahafahana mampiakatra ny hery fiarovana manko izy ireny❗
♨️ 5/ dia izao no tadidio fa ny vatana no miady amin'io aretina io, ary ny fanafody izay ampiasaina dia manampy ny vatana fotsiny ihany hatrany fa tsy ahafahana miady firy amin'io aretina io satria ny hery fiarovana misy anatinao no miady amin'izy io no tena marina❗
♨️ 6/ aza manao reraka ary ataovy ampy tsara ny torimaso🚫. mihinana sakafo ara-pahasalamana hatrany, io no antoky ny fahasalamana, aza mihinana sakafo matavy loatra, na sakafo mamy loatra, na sakafo masira loatra satria mandreraka ny vatana manko ny mandevona ireny sakafo ireny ka mba ahafahany manohitra izay aretina miditra ao amin'ny vatana dia sakafo ara-pahasalamana ho anina❗
♨️ 7/ dia raha azo atao dia aza misotro rano mangatsiaka fa rano mafana sotroina🫖, ny antony dia tsotra, mora @ vatana ny mampidina ny maro-panan'ny rano mafana, fa sarotra ny mampiakatra maro-pana ho an'ny rano mangatsika❗❗❗
♨️ 8/ mba hanamafy ny hery fiarovana dia mampasaha huile essentielle (H.E) :
-H.E mandravasarotra mampiakara hery fiarovana
-H.E ravintsara manokatra ny lalan-drivotra
-H.E Havozo miady @ virus ary afaka ahosotra @ tratra sy ny tenda mba hanafana ny tena
Sotroina atao anaty kaopy misy rano mafana 1 goutte avy @ izy ireo dia sitroina maraina sy hariva ''prevention izy io''
♨️ 9/ manao fangaro miaraka @:
-tantely ½l
-tongolo be 3 voasana ary tetehina manify
-tongolo gasy hasiny 20 tetehina
-sakamalaho mitovy abeha @ akibe-tanana tetehina manify
- voasarimakirana 3, alaina ranony ny 2 isa ary ny 1 farany dia tetehina boribory manify
-hafangaro daholo ireo zavatra voalaza etsy ambony ireo ary apina goutte 15 avy @ ilay H.E voalaza etsy ambony
❗❗Io fangaro io dia atao ''prevention'' ka atao anaty rano mafana tapaky ny kaopy @ maraina sy ariva ary sotroina mafana
⭕Raha toa ka efa voa indray dia aza misalasala manantona toera-pitsaboana akaiky anao.
Indrindra vao mahatsapa fa tsy dia metimety ny tena ary tsy mahazo aina
❌🚫 Fadio ny manao dokotera tena fa tsy misangy io aretina io
❌🚫 Tsy toy ny aretin'andoha na areti-nify izy ty ka ho afaky ny paracétamol sy ny amoxi ka aza dia atao ambanin-javatra loatra
❌🚫 Enoy tsara izay lazain'ny mpitsabo sy ny toromarika rehetra omeny ary arao @ antsipirihiny
❗❗Ireo fanafody nolazaiko teo ambony dia mifameno tsara @ fanafodin'ny dokotera ary tsy misy sakana velively @ izay ''traitement'' ho atao
❗❗rehefa voa dia ilay faha ''9'' atao isaky ny adin'ny 4 dia mihinana satria manampy ny vatana mba hatanjaka izy io
❗❗ Asio huile essentielle hatrany any anaty entana izay manaraka anao ary isaky ny hafaka ilay fofona anaty aro-tava sy orona dia tapohana kely goutte indray
Ny huile essentielle dia afaka ahitana azy eny @ homeopharma sy ireo izay toerana hafa mety ahazatra ny tsirairay ihany koa
❗Sarobidy ny fahasalamana ka tsy ho atao ambanin-javatra 💓
Zarazarao fa mety ahasoa anao ary mety ahasoa ny hafa ihany koa
Tsara Lahatra Rakotomalala