12/02/2026
Miarahaba tompoko, 👋
Tena anaty épidémie de bronchiolite tanteraka isika amin'izao, ⚠️
Ka ireto ny tsara ho fantatra...
➡️Inona ny atao hoe Bronchiolite ?
👉Ny bronchiolite dia infection (mikraoba tafiditra) amin'ny taovam-pisefoan'ny Zaza, vokatry ny virus.
Amin'ny ankapobeny dia ny virus antsoina hoe VRS ( Virus respiratoire syncitial) no mahatonga azy.
➡️Iza no tratran'ny bronchiolite ?
👉Ny Zaza latsaky ny roa taona no tratrany
➡️Ahoana no fomba ahazoana azy
👉Mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora na piti-delo ny bronchiolite (olona mitondra ny virus mikohaka na mievona na manoroka Zaza)
Mety ihany koa avy amin'ny tanana misy piti-drora na piti-delo izay mikasika ny Zaza na ny fitaovana ampiasainy ( akanjo, mouchoir , sotro...)
➡️Ahoana ny fitrangany?
👉Manomboka misy lelo sy mikohaka ny Zaza , mety hisy hafanana
👉Mety ho moramora ny endrika hisehoany (légère) mety ho mafy be (sévère)
👉Raha mafy ny fisehony dia lasa mikohaka be ny Zaza , Ary lasa sempotra
👉Mety hafana hoditra, tsy mahavita misakafo, reraka
➡️Inona ny tokony atao?
Raha vao manomboka ny trangan'aretina (sery sy kohaka ) dia mila manasa orona @ SSI imbetsaka ny Zaza, arahana maso ny hafanana
Manatona mpitsabo Zaza
➡️Ny hahafantarana fa mila mamonjy urgences pédiatriques (hôpitaly) faran'izay haingana :
⚠️Miefonefona ny Zaza rehefa miaina
⚠️Mangana ny molony na ny rantsany
⚠️Reraka
⚠️Tsy misakafo, mandoa
⚠️Mahamay be
⚠️Zaza latsaky ny 3 volana
⚠️Zaza teraka tsy tonga volana ( ancien prématuré)
➡️ Possible miverina ve ny bronchiolite raha efa voa ny Zaza?
Eny , possible miverina ny bronchiolite
➡️Inona ny fisorohana azo atao ?
✅Tsy manakaiky olona voan'ny sery ( raha ny reny mampinono no vola dia mila manao arovava tsara sy manasa tanana hatrany @ gel hydroalcoolique vao mandray Zaza)
✅Tsy orohana ny Zaza
✅Atao mahazo rivotra tsara ny efitra misy ny Zaza
✅Tsy ampanakaikezina setro-tsigara na fofon-tsigara (ohatra @ fitafiana) ny Zaza
Izay indray ary tompoko ny rubrique anio.
Aza adino ny réaction 👍
Mentionnéo ny namana 😉
Zarao ny publication.
Dr Vatosoa
Mpitsabo Zaza