Rasazy Akaiky Anao

Rasazy Akaiky Anao 🌹Préparations, Rééducation, consultations, conseils♥️

Salama daholo ee🥰🤔 Elaela tsy hita rasazy tato ato fa hiverina active tsara indray ny page manomboka izao 🤩🤗‼️Aza miala ...
17/01/2025

Salama daholo ee🥰

🤔 Elaela tsy hita rasazy tato ato fa hiverina active tsara indray ny page manomboka izao 🤩🤗

‼️Aza miala lavitra ny pejy ary isika mpanaraka fa hisy torohevitra isan-karazany ataon-tsika ato 👌

Bisous bisous daholo ❤️

Salama daholo indray ho antsika rehetra ato  na izay vao manaraka ny pejy ary e🥰Fanontaniana manitikitika anareo bevohok...
21/03/2024

Salama daholo indray ho antsika rehetra ato na izay vao manaraka ny pejy ary e🥰

Fanontaniana manitikitika anareo bevohoka ny momba ny ranon-dohany 💦na liquide amniotique ka ‘Ndao resahana etsy ambany ary 🙂

➡️ Avy aiza ny ranon-dohany❓

❌Fanamarinana kely‼️
Ny zaza ao am-bohoka no mamorona ny ranon-dohany 👶 ary vao herinandro ao an-kibo izy dia efa manomboka mamokatra azy ❤

👉Gaga isika fa ny pipi-ny no betsaka ao anatin’ilay ranon-dohany, misy koa tsiranoka avy any anaty tratra, vava, orona, hodiny.
Fa kosa dia feno singa mineraly ary hery fiarovana

👉Havoaziny isan’andro ny rano ao an-kibo ao satria misotro izy dia mi-pipi dia toy izay hatrany 😳

❌ Ny fisotroana rano betsaka mety mampitombo ny ranon-dohany? 👉TSIA🙌
Fa ilain'ny vehivavy bevohoka anefa ilay fisotroana rano be dia be

➡️Inona no asan’ny ranon-dohany❓

👉Mitazona ny zaza anaty hafanana 37°
👉Miaro ny zaza tsy haratra raha sanatria mianjera na misy loza mahazo ny reniny 😌 sy miaro ny sofiny @ tabataba
👉Miantoka ny fihetsehana sy fitomboan’ny zaza ao an-kibo
👉 Manampy @ fiterahana (rehefa vaky ny ranon-dohany dia malama ny lalan-jaza)

➡️Firy litatra ny habetsany❓
Miovaova arakaraky ny fotoana sy haben'ny zaza izy io :
👉20ml fotsiny izy @ faha 1 volan’ny kibo
👉mitombo tsikelikely, mahatratra 1 litatra any @ faha 8 volan’ny kibo
👉mihena 600-800ml eo rehefa miandry andro

‼️‼️Ny fahazotoanao MISAFO dia manampy anao ahalala ny toe-pahasalamanao ary ny ekografia sy ny mpitsabo ihany no mahita hoe antonony, kely, na betsaka ny haben’ny ranon-dohany ka AZA MIHAINO TSAHO 🙏, MANAOVA EKOGRAFIA in- 3 farafakeliny mandritra ny fitondrana ny vohoka 😊

⛔ Ny tsy fahampian'izy io no manambara fa misy olana ao ambadika ka mila fanarahamaso tsara

Izay ny liquide amniotique normal fa mbola ho resahatsika amin'ny manaraka indray ny andininy manaraka

‼️Aza miala lavitra ny pejy fa hizara zavatra maro ho antsika rehetra
Ary misokatra ho anao foana ny Rasazy Akaiky AnaoRasazy Akaiky Anao

Tsikitsiky kely e😁Izano efa tratra? 🥰😜Aza adino fa misokatra ho anao foana ny varavaran'ny Rasazy Akaiky Anao ary efa ho...
20/03/2024

Tsikitsiky kely e😁

Izano efa tratra? 🥰😜

Aza adino fa misokatra ho anao foana ny varavaran'ny Rasazy Akaiky Anao ary efa ho avy tsy ho ela intsony ny Échographie 🫶

‼️ Ireo dingana lalovan'ny col (vozon'ny tranon-jaza) mandritra ny fotoan'ny fihetsehan-jaza 🥰⛔ Izao no antony hiandrasa...
19/03/2024

‼️ Ireo dingana lalovan'ny col (vozon'ny tranon-jaza) mandritra ny fotoan'ny fihetsehan-jaza 🥰

⛔ Izao no antony hiandrasana 10cm ny col vao manena 🌹

Zarazarao ho hitan'ny hafa ❤️

Rasazy Akaiky Anao

⚠️ Mila fitandremana tanteraka ny vehivavy mitondra vohoka ⚠️Ka raha misy mampanahy anao na raha mahatsapa fa misy hafah...
18/03/2024

⚠️ Mila fitandremana tanteraka ny vehivavy mitondra vohoka ⚠️

Ka raha misy mampanahy anao na raha mahatsapa fa misy hafahafa dia manasa anao foana hanantona toeram-pitsaboana akaiky anao ‼️

⛔ Fadio ny manao dokotera tena toy ny fihinana fanafody tsy nahazoana ordonnance tany @ mpitsabo💊

I RRasazy Akaiky Anaodia afaka mandray anao foana eny Sabotsy Namehana ❤️

Salama daholo indray ho antsika rehetra ato  na izay vao manaraka ny pejy ary e🥰Hiresaka tsotsotra momba ny grossesse ne...
09/03/2024

Salama daholo indray ho antsika rehetra ato na izay vao manaraka ny pejy ary e🥰

Hiresaka tsotsotra momba ny grossesse nerveuse indray ary isika 😉
Betsaka ireo vehovavy tena tratran'izy ity noho ny antony betsaka sy tsy mahalala.

1- Ny Grossesse nerveuse dia vohoka tsy misy zaza. Anefa dia isehoana ireo karazana signe de grossesse normal. 🥹Mahatsapa ny tenany ho bevohoka soa aman-tsara ilay vehivavy kanefa ny teste de grossesse, analyse sanguine, échographie dia mampiseho tsara fa tsy misy ny "fécondation". 😊 Eo no matetika manimba ny sain'ny vehivavy iray izay efa nanantena ny hiteraka.

2- Ny fisehony kosa dia mitovy ireo vehivavy mitondra vohoka normal ireny ihany: maloiloy, fanina, marary lohanono sy ambany foitra, tsy tonga fadim-bolana, mihamitombo ny kibo, mahatsapa zavatra mihetsika ao an-kibo ary ny sasany dia mahare marary mihetsi-jaza mihitstmy aza 😪🥺

3- Ny Grossesse nerveuse dia miseho matetika vehivavy mbola tanora izay matahptra ny ho bevohoka sy ireo vehivavy izay tena maniry mafy ny hanan-janaka ka lasa mibahana mafy ao an-tsaina izany ka miseho ho azy ireo fambara rehetra ireo. Toy ireo vehivavy manantena mafy sy mieritreritra ny tenany ho bevohoka ireny koa.

Ny fisorohana izany anefa dia tsotra ihany, aza alefa lavitra ny saina fa alamino fa ny stress dia fototra voalohany mahatonga azy io.
Matetika rehefa ahafantaran'ny vehivavy iray hoe tsy bevohoka akory izy manomboka miala tsikelikely ireo fambara vohoka ireo😊

👉 Ny tsara dia manantona ireo manam-pahaizana ' psychologue sy gynécologue raha mitranga io mba hilamin' ny sainao hatrany🥰

Izay ary no azo atolotra fa dia mirary soa ho antsika rehefa ary aza adino ny mizara ny pejitsika♥️

@followerskRasazy Akaiky Anao

Mampahery hantrany ireo reny manana ilay anjely kely any ambony ❤️🥰RRasazy Akaiky Anao
09/03/2024

Mampahery hantrany ireo reny manana ilay anjely kely any ambony ❤️🥰

RRasazy Akaiky Anao

Faly miarahaba antsika mpanaraka rehetra oo❤️Ho resahintsika androany dia ny mahakasika ny "Fivoaran'ny zaza ao am-bohok...
23/02/2024

Faly miarahaba antsika mpanaraka rehetra oo❤️
Ho resahintsika androany dia ny mahakasika ny "Fivoaran'ny zaza ao am-bohoka" 😊

👉0-2 volana antsoina hoe embryon
Hatramin'ny faha 2 volana no antsoina hoe fœtus ny zaza ao am-bohoka

👉1er mois:(0-4SA)
Mirefy ho 5mm ny embryon ary manomboka midobona ilay fo kely😍.Efa manomboka misy tanana kely sy tongotra kely

👉2eme mois:(4-8sa)
Mirefy eo ho eo amin'ny 2cm, mi-developper ny cerveau🧠, membres,foie, reins..

👉3eme mois:(9-12SA)
Mirefy manodidina ny 7cm ny fœtus, manomboka hary ny eo amin'ny tarehy toy ny orona👃 , sofina👂...
Manomboka manetsika ny lohany izy,ary eto manomboka miavaka ny lahy sy vavy(misy efa hitan'ny echo amin'ny 3eme mois)

👉4eme mois:(13-16 SA)
Eo ary ilay efa maheno misy trondro mihetsika kely ao an-kibo🤩, eto le sensation mamy kely💗
Mitombo tsikelikely ao ny taolana sy ny ozatra.
Hita tsara amin'izay ny taovam-pananahana.
Mirefy manodidina ny 15 cm izy eto.

👉5eme mois:(17-20SA)
Hary ny sofiny ary eto izy manomboka mahare ireo tabataba manodidina azy,miha mafimafy ny fihetsiny, ary manomboka mitsiry ny hoho tanana sy tongotra 🤩
Manomboka mitsiry ny volony, ary mirefy manodidina 25 à 30cm.

👉6eme mois: (21-24SA)
Eto manomboka mianatra manokatra maso izy, ary ahitana ilay zavatra fotsifotsy izay matetika mbola hita amin'ny vatany rehefa teraka izy( Maro no mihevitra iny ho sperme, TSIA "vernix de caseosa" no anaran'iny ary miaro ny zaza kely no asany), mirefy manodidina ny 28 à 36cm eo ny zaza.

👉7eme mois et 8 eme mois:(25-32 SA)
Eto izy ilay mora mahazo lanja sy mitombo be🥰,mirefy manodidina ny 43cm eoeo.

👉9eme mois:(33-40SA)
Mety hirefy mihoatra ny 50cm,mitohy foana ny fahazoany lanja, eto efa vonona ny hivoaka amin'izay izy ary manomboka midina mahazo ny bassin 🤩

Mirary soa ireo reny miandry sy maniry rehetra.
Zarao fa mety ahasoa ny hafa

Rasazy Akaiky AnaoRasazy Akaiky Anao

Mba hilalao kely 😁😍👉 Rasazy foana ny anaranao n'aiza n'aiza no misy anao 😅👉 Naika sarotra raha vao nahita ilay placenta ...
23/02/2024

Mba hilalao kely 😁😍

👉 Rasazy foana ny anaranao n'aiza n'aiza no misy anao 😅
👉 Naika sarotra raha vao nahita ilay placenta voalohany 😆
👉 Lazain'ny olona sasany hoe tafita hono vao... Huum🙄
👉 Vao haka aina kely dia misy miantso foana hoe rasazy aa😍😆
👉 Mavitrika be foana rehefa misy accouchement ary manao asa ❤️
👉 Tsy misy hamanjana sy malemilemy intsony rehefa sendran'ny olona madiditra eo ampiterahana satria aina no lalaovina
👉 Tsy lava hoho rehefa miasa fa rehefa tsy miasa dia manararaotra manao faux ongles 😆

Address

Sabotsy Namehana
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rasazy Akaiky Anao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share