Dr Heriniaina : Inona no marary anao

Dr Heriniaina : Inona no marary anao ◆ Docteur en médecine

🚩 Tantara momba ny ARETI-KIBO. Ramose iray eo amin'ny 30 taona eo, no narary kibo efa ho 3 volana izay, tsy nijanona mih...
12/04/2026

🚩 Tantara momba ny ARETI-KIBO.
Ramose iray eo amin'ny 30 taona eo, no narary kibo efa ho 3 volana izay, tsy nijanona mihitsy isanandro.

Ianareo moa tia mitahiry aretina 😒 sao hoe ho afaka ihany.

Niditra hopitaly voalohany izy, tao amin'ny fitsaboana ara-medikaly ny lalan-kanina.
Natao ny fizahana maro( rà, amany, échographie, fitadiavana kakana sy bakteria anaty tay, fibroscopie sns...) fa normale daholo.
Dia nilaza ny tao ary fa mety olan'ny fiasan'ny tsinay ilay izy ka dia nomena fanafody manala fanaintainana dia nalefa nody.

Roa herinandro izy niverina indray, dia nalefa tao amin'ny chirurgie digestive, ka rehefa nikaroka dia nilaza ny mpandidy fa appendicite ilay nahazo azy, ka nohesorina.
Rehefa moa izay ka natao ny fizahana amin'ny microscope ilay faritra nohesorina dia salama tsy nisy appendicite ilay ramose.
Nilamina ny fitsaboana tafaran'ny fandidiana, saingy mbola narary ny kibo

Telo herinandro indray, niverina ranamana fa tsy zaka ilay kibo, natao ny échographie sy ny scanner fa tsy nahitana na inona na inona. Ka noho io dia nalefa tao amin'ny service misy anay moa ranamana.

Rehefa nozahana ny dossier médical, dia tsy misy pentina ny fandraisana an-tanana azy fa tena ara-drariny.
👉 Ny indro kely, nisy analyse iray izay tsy mahazatra ny maro no manontany azy, izay tsy ampy tao ( antsoina hoe TRANSIT DU GRÊLE)

Inona ozy ianao, nisy KAKANA ASCARIS hita tao, izay anton'ilay faharariana hatrizay ela be izay😒😒
Io kakana io, izay azo avy amin'ny sakafo maloto sy rano maloto.

⚠️ Fa maninona no marary kibo rehefa misy kakana?
Satria misy fotoana tsentsina ny lalan-kanina ka mitohana ny ao anaty, mizihitra ny tsinay noho ny fiandronana ao ka lasa marary, avy eo miverina ho azy matetika ka mijanona ilay faharariana.

✅ Ny tsy nahitana azy teto:
👉 Matetika misy fambara amin'ny avokavoka ny ASCARIS, saingy amin'izy vao miditra ny vatana iny, teto anefa efa anaty tsinay ka tsy tsikaritra
👉 Ny fizahana ny rà izay normale satria raha kakana efa lehibe dia tsy manova inona firy
👉 Ny fizahana kakana anaty tay izay tsy nahitana raha toa ka LAHY ilay kakana na koa hoe atody tsy matoa no mivoaka.

✅ Indraindray, zavatra tsotra foana no mahazo, fa matetika lasa alavitra ny saina ka sahirana.
✅ Aza atao tsinontsinona ihany koa ny fambaran'aretina tompoko 😒

😒 Dia ianao ry Rivo sy Véronique, mila manala kakana isaky ny enim-bolana 😒
👉 Ny zaza isaky ny 3 volana rehefa feno 1 taona no mihoatra.

❤ Zarao ho an'ny hafa

Dr Heriniaina

12/04/2026

Mitovy daholo izany ny fiainanareo eh? 😒

11/04/2026

Ne pensez pas qu'il s'amuse 😒, soyez vigilant car il a besoin de soins d'urgences 😒 Direction le pédiatre
Dr Heriniaina

10/04/2026

Toujours être attentifs 😒

⚠️ Fambara toe-pahasalamana voalohanyIsanandro izao i Ketaka mijery lanja, manena kibo, mijery fitaratra vao mifoha sns....
09/04/2026

⚠️ Fambara toe-pahasalamana voalohany

Isanandro izao i Ketaka mijery lanja, manena kibo, mijery fitaratra vao mifoha sns...
Fa tsy mbola nolazaina anao fa misy zavatra hafa manambara ny toe-pahasalamanao alohan'ireo.

Ny AMANY ( P**I) no mampiseho voalohany ny toe-pahasalamana tompoko😒

✅ Ny LOKONY
👉 Raha diso fotsy loatra: be loatra ny rano sotroinao kanefa kely ny loto mivoaka, izany hoe MIASA MAINA FOTSINY ny VOA.
👉 Raha somary MAVOMAVO dia izay no lokony ara-pahasalamana
👉 Raha TENA MAVO BE kosa dia midika fa TSY AMPY RANO IANAO 😒😒 mbola hamaly koa va? 😒
Ankoatr'io dia mety ho TSY MIASA TSARA NY ATY, na koa MORA SIMBA ny SELA MENA ka maha mavo be ny amany.
👉 Raha MENA na misy RÀ moa dia fambara aretina tanteraka 😒 dia isotroy tambavy indray eh 😒

✅ Ny FANGARONY
👉 Raha BE SIRA LOATRA dia na ianao MISOTRO TOAKA BE, na ianao MIHINAN-TSIRA BE. Samy mampiakatra ny tosidra avokoa ireo😒
👉 Raha BE SIRAMAMY MOA dia DIABETIKA IANAO.
👉 Raha mandroatra loatra moa dia MISY OLANA NY VOA, satria dia feno PROTÉINES.
🚩 Taloha dia nandramana ny amany ahalalana ny tsirony😒😒 iza no ts mahalala fa masirasira ny amany? 😒😒
Fa ankehitriny efa misy ny BANDELETTES URINAIRES

✅ Ny FOFONY
Tandremo, raha mamofona tsy zaka iainana ny amany, dia mety ho MARARY ATY IANAO, na koa BE LOATRA NY ZAVATRA TSY VANONA hoaninao.
👉 Ho fitsapana: mamaniza anaty PÔ dia aza saromana mandritra ny adiny 4, raha mahery fofona dia misy olana izay 😒😒

✅ Ny HABETSANY
👉 Raha mamany lava ianao, dia mety ho misy DIABETA amin'ny endriny maro samihafa, na MISOTRO TOAKA LOATRA, na misotro rano be loatra
👉 Raha kely dia kely kosa, dia na TSY AMPY RANO, na TSY MIASA TSARA NY VOA( insuffisance rénale), na koa misy olana ny fantson'ny amany.

⚠️ Araho maso ny amaninao manomboka androany 😒 fa tsy ny vidin'ny FYMAILO no araha-maso hoe rahoviana no hidina ividianana iray paquet 😒😒

Araho maso koa ny hamanjan'i dokotera fa fambara toe-pahasalamana 😒 raha anaovako taxi moto izao ity mety mahazo kil tsara 😒

❤ Zarao ho an'ny hafa

Dr Heriniaina

09/04/2026

Crise d'adolescence, misy hoe andeha hipetraka ambany tunnel ambanidia fa tsy tian'olona 😒

⚠️ Ny atao hoe voky rehefa misakafo? Tsy rehefa mizihitra toa bevohoka miandry andro ny kibo no atao hoe voky 😒Voky iana...
08/04/2026

⚠️ Ny atao hoe voky rehefa misakafo?

Tsy rehefa mizihitra toa bevohoka miandry andro ny kibo no atao hoe voky 😒

Voky ianao rehefa tsy mahatsapa noana intsony😒.
Izany hoe ampy izay ny habetsaky ny sakafo laninao entinao miatrika ny adiny 6 manaraka mandrapisakafoanana 😒.

Ary rehefa misakafo, dia tsakoy tsara ny sakafo, in-20 mitsako ny sotro iray fa tsy teli-moka toa olona tsy nisakafo 3 andro sy tapany😒.
Izany hoe 20 minitra eo ho eo ny vilia iray vao tokony ho lany.

✅ Ny ranoko koa aza adino😒 saingy iray vera ihany rehefa misakafo. 😒

❤ Zarao ho itan'i Tanjona hoe tsy tokony hikoropaka rehefa misakafo

Dr Heriniaina

08/04/2026

Efa hoe MISOTROA RANO 😒 zao mafy daholo izay tsy tokony ho mafy😒

⚠️ Sakafo mampidina ny TAVY RATSY anaty rà 👉 Ny flocons d'avoine👉 Ny ZAVOKA 👉 Ny Trondro toy ny sardine, saumon👉 Ny legi...
07/04/2026

⚠️ Sakafo mampidina ny TAVY RATSY anaty rà

👉 Ny flocons d'avoine
👉 Ny ZAVOKA
👉 Ny Trondro toy ny sardine, saumon
👉 Ny legioma maro samihafa.

✅ Ankoatr'io, ny fandehanana tongotra 30 minitra isanandro dia manampy hampiasa ny tavy
⚠️ Ny hazakazaka sy ny salle de gym dia tsy mampihena firy

✅ Miaro amin'ny fahatsetseman'ny lalandrà ny fidinan'ny habetsaky ny TAVY RATSY

Ilay ranoko koa aloha sotroy 😒😒 fa tsy nodiako fanina teo omaly dia manao izay danin'ny kibo tao 😒

❤ Zarao ho an'ny hafa.

Dr Heriniaina

07/04/2026

😒 Vita ny fety, RANO izao no ANALANA VAZONY 😒

⚠️ Antony 7 mahatonga ny tanora tratran'ny AVCNY AVC na fahatapahan'ny lalandrà. Taloha ny olona efa mahazo taona no voa...
06/04/2026

⚠️ Antony 7 mahatonga ny tanora tratran'ny AVC

NY AVC na fahatapahan'ny lalandrà. Taloha ny olona efa mahazo taona no voany, ankehitriny Perline sy Jean bas vao 40, 30 eny 20 taona aza dia voa😒😒😒

Ireto misy antony 7 mahatonga azy io, indrindra ny faha 5 😒

👉 Ny TSY FAMPIASANA VATANA 😒
Ecran an'ny fahitalavitra ary, finday aty, solosaina etsy😒😒 na ao antrano, any ampiasana dia mipetraka foana no atao😒.
Tsy mikoriana tsara ny rà, tsy miasa tsara ny fo, hany ka mivaingana ny rà dia manetsina ny lalandrà madinika 😒

👉 Fihinanana SAKAFO VOAHODINA 😒
Hamburger eh, pizza eh, soda eh, fanta sy coca 😒
Etsy andaniny ny sakafo matavy sy feno menaka.
Manetsina ny lalandrà izy ireo😒

👉 Ny FIFOHANA SIGARA sy CHICHA ary ny FISOTROANA TOAKA 😒
Manimba ny lalandrà ka mampivaingana ny rà mikoriana 😒 fa tohizo ihany aloha mba mahazaka an'i Mélanie ihany😒

👉Ny STRESS LAVA
Nahazo fiara Benja, ianao no mistress sao taraiky, manja be dokotera dia mbola ianao no mi stress sao maro ianareo no tara aminy😒, sns.....
Izany rehetra izany manimba ny fo sy ny lalandrà vokatry ny hormones de stress.

👉Ny TSY FAHAMPIANA TORIMASO
Efa tsy zaka ohatr'izay izy, tsy ho zaka. Fa mbola laozanao miaritory, amin'io zanaka zampôly no arahana amin'ny tiktok 😒.
Amin'ny alina no maka aina ny vatana, indrindra ny fo sy ny atidoha 😒

👉 Ny TOSIDRÀ AVO sy DIABETA tsy voatsabo tsara
Efa noresahiko injato amby arivo fa ehhh, henoy izany ry hazon-damosina 😒

👉 Ny RIVOTRA MALOTO iainatsika io
Indrindra isika amin'ny renivohitra. Mitarika STRESS sy INFLAMMATION anaty lalandrà ny rivotra maloto, ka mamizaka ny fo.

✅ Soroy anie ireo dia hitanao fa na ny fiainanao aza hiova
👉 Eritrereto ianao, malemy ilam-batana satria tsy ampy torimaso. Tianao ve izany? 😒

✅ Mahasalama ny fo sy ny lalandrà ny DIVAY

❤ Zarao ary ho an'ny hafa

Dr Heriniaina

Address

Antananarivo
101

Telephone

+22893104093

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dr Heriniaina : Inona no marary anao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Dr Heriniaina : Inona no marary anao:

Share

Category